
Ny Emperora Japoney nitsidika ny Disneyland, miaraka amin'i Mickey Mouse. Sary: Hidenori Watanave.
Nitrandraka ny fitaovana noforonin'ny mpikaroka tao amin'ny Oniversite Waseda ao Japana, izay nandoko ireo sary tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tambajotra neural ary namoaka ireo vokatra azony vitsivitsy tao amin'ny Twitter i Hidenori Watanave, mpampianatra mpiara-miasa ao amin'ny Oniversite Metropolitana Tokyo .
Novalovolain'ireo mpikaroka Satoshi Iizuka, Edgar Simo-Serra ary Hiroshi Ishikawa ny tetikasa an-tseraseran'ny Oniversiten'ny Waseda, antsoina hoe Tambajotra Neural Mampiasa Ny Fandokoana Ho Azy Ny Sary. Rafitra solosaina miasa araka ny fomban'ny atidohan'olombelona ny tambajotra Neural. Afaka mampiasa ny fitaovana hita ao amin'ny tranonkala avokoa ny olona rehetra rehefa hanampy loko amin'ny sary mainty sy fotsy.
Nampiasa ny fitaovana tamin'ny tetikasa maro natokana hikolokoloana sy hanehoana an-tsarintany ireo vavolombelona nanatri-maso ny Ady Lehibe Faharoa i Watanave, anisan'izany ny sarintany mampiseho ny daroka baomba atomika tao Hiroshima sy Nagasaki, sy ny fifanandrinana tao Okinawa tamin'ny taona 1945. Watanave ihany koa no mpamorona ny tetikasan-tsarintany nohavaozina mitovy amin'izany izay mamantatra ny fotoana farany niainan'ireo niharam-boinan'ny horohorontany sy tsunami tany Japana tamin'ny Martsa 2011.
@AtomicHeritage @WWIImuseum A-Bomb cloud from Kure, Hiroshima. Automatic colorization by a neural network. pic.twitter.com/LjpcxLOUw0
— Hidenori Watanave (@hwtnv) December 22, 2016
@AtomicHeritage @WWIImuseum Ny setroky ny baomba-A avy ao Kure, Hiroshima. Fandokoana nataon'ny tambajotra neural .
Matetika, na izany aza, manao fanandramana sary isan-karazany aloha i Watanave, izay avoakany ao amin'ny Twitter avy eo. Mampiasa ny teknikan'ny tambajotra neural i Watanave mba handokoana ny sary isan-karazany avy amin'ny zavatra niainan'i Japana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.
米軍機から撮影された沖縄本島爆撃のようす。渡久地と周辺の島から爆煙が上がっている。ニューラルネットワークによる自動色付け。沖縄平和学習アーカイブより。 https://t.co/IcLM5VCIph pic.twitter.com/iXFRjdfDc4
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 4, 2017
Sarin'ny daroka baomba tao Okinawa nalaina sary avy amin'ny fiaramanidin'ny miaramila Amerikana. Miakatra avy ao amin'ny nosy manodidina an'i Toguchi, Okinawa, ny setroka. Avy amin'ny Peace Learning Archive ao Okinawa (沖縄平和学習アーカイブ). Nolokoin'ny tambajotra neural.
1945年2月から3月,日本軍と連合国軍の間で行なわれた「マニラの戦い」で破壊された市街地.ニューラルネットワークによる自動色付け.写真はこちらから. https://t.co/eA8dPdPTR0 pic.twitter.com/qzCWRgsek2
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 5, 2017
Tamin'ny Febroary sy Martsa 1945, nifandona tamin'ny Adin'ny Manila, izay nandrava ny tanàna ny tafika Japoney sy ireo tafika mpiara-dia. Sary nolokoina avy ao amin'ny http;//www.vintag.es/2016/12/18-rare-vintage-photographs-that-show.html
Maro amin'ireo sary nolokoina nalefany no avy amin'ireo nangoniny sy notsongaina ho isan'ny tetikasany mitantara amin'ny antsipiriany ny nidarohana baomba an'i Hiroshima sy Nagasaki .
被爆直後の長崎。破壊された浦上天主堂。ニューラルネットワークによる自動色付け。ナガサキ・アーカイブより。 https://t.co/0JvaERYLpA pic.twitter.com/LdaQLmccmh
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 4, 2017
Nagasaki vantany vao vita ny fipoahana nokleary. Ny Katedraly Urakami rava.
被爆直後の広島。紙屋町交差点の北側から南西に向かって。ニューラルネットワークによる自動色付け。ヒロシマ・アーカイブより。 https://t.co/EJcybdeTEw pic.twitter.com/jZlAyIl8pK
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 4, 2017
Hiroshima vantany vao vita ny daroka baomba atomika. Mijery ny atsimo-andrefana avy any amin'ny faritra avaratra fiampitana ao Kamiya-Machi . Sary avy amin'ny Tahirin-tsary Hiroshima .
Tsy ny andrana rehetra nataon'i Watanave akory no mifandraika amin'ny ady. Maro ireo sary izay mampiseho sehatra avy amin'ny tantara Japoney nandritra ny taonjato lasa na mihoatra.
1975年10月、カリフォルニアのディズニーランドを訪れた昭和天皇。ニューラルネットワークによる自動色付け。 pic.twitter.com/gHIAXJp2en
— Hidenori Watanave (@hwtnv) December 22, 2016
Tamin'ny Oktobra 1975, nitsidika an'i Disneyland tao California ny Emperora Hirohito.
1930年代,別府の海岸で砂風呂を楽しむ女性たち.ニューラルネットワークによる自動色付け. pic.twitter.com/CZZyLGR8am
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 3, 2017
Vehivavy mankafy ny filomana anaty fasika mafana tao Beppu tany amin'ny taompolon'ny taona 1930.
1908年にArnold Genthe氏が撮影した写真。場所はどこだろうか。ニューラルネットワークによる自動色付け。 pic.twitter.com/Pk4ureVhXc
— Hidenori Watanave (@hwtnv) December 29, 2016
Sary nalain'i Arnold Genthe tamin'ny taona 1908. Tsy tena mazava hoe taiza tao Japana no nalaina ny sary .
Ary tsy ny andrana fandokoana rehetra nataon'i Watanave no misy ifandraisana amin'i Japana. Mampiseho ny Adin'i Korea ity sary mahaliana ity :
朝鮮戦争出兵中の兵士たちを慰問するマリリン・モンロー.1954年撮影.ニューラルネットワークによる自動色付け. pic.twitter.com/SutKWH17cJ
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 3, 2017
Mampialavoly ireo miaramila naparitaka nandritra ny Adin'i Korea tamin'ny 1954 i Marilyn Monroe .
Miteraka vokatra mahaliana indraindray ny fahana Twitter an'i Watanave. Toa mahafantatra ny sary nolokoina iray izay nopihan'ny reniny tao Tokyo efa ho 50 taona lasa izay ny mpanjohy Twitter iray eto:
晴れ着に日本髪で初仕事に就く電話交換手の女性たち。昭和45年1月5日、東京都千代田区。ニューラルネットワークによる自動色付け。 pic.twitter.com/vW4stLY1fC
— Hidenori Watanave (@hwtnv) January 1, 2017
Manao ny akanjo fitondra alahady tsara indrindra sy manao taovolo nentim-paharazana japoney eo ampanatontosana ny asany ireo zatovovavy [antomotry ny Androm-piaviana fanao isan-taona] tamin'ny 5 Janoary 1970, tao Chiyoda Ward, Tokyo.
@hwtnv ありがとうございます。自分の母の若い頃を見るようです。
— ほっぴー@この世界の片隅に (@hoppe714) January 1, 2017
Misaotra anao noho ny famoahana ity sary ity. Mitovy amin'ny reniko tamin'izy mbola tanora.
Azo jerena eto ny antsipiriany ara-teknika momba ny fitaovana fandokoan'i Waseda. Azo ampiasaina ao amin'ny http:/hi.cs.waseda.ac.jp:8082/ ny fitaovana mifototra amin'ny fitety. Manamarika ireo mpamorona fa tsy natao hanaovana tanjona ara-barotra ny fitaovana.