Mandrahona Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Fanafenantsoratra Ny Lalàna Famaizana Vaovao Ara-Solosaina Ao Thailandy

Activists stage a rare protest in Bangkok a few days after the passage of the revised Computer Crimes Act. Image from Prachatai

Mikarakara fihetsiketsehana tsy fahita firy ao  Bangkok ireo mpikatroka andro vitsivitsy taorian'ny nahalanian'ny lalàna Famaizana Ara-Solosaina nohavaozina. Sary avy amin'ny  Prachatai, nahazoana alàlana .

Nifidy tsy nisy nitsipaka nanaiky ny fanitsiana ny lalàna Famaizana ara-solosainan'ny taona 2007 ireo mpanao lalàna ao amin'ny Antenimierampirenena ao Thailandy tamin'ny 15 Desambra lasa teo. Nokianin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona maro ny lalàna vaovao izay hihatra afaka 180 andro noho ireo andininy izay mandrahona bebe kokoa ny fahalalahana maneho hevitra ao Thailandy.

Nankatoavin'ny parlemanta izay notendren'ny tafika nandrombaka ny fahefana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ny lalàna. Ilaina ny fanitsiana ny lalàna hoy ny fitondrana miaramila mba hiadiana amin'ny heloka an-tserasera kanefa matahotra ireo mpitsikera fa tena natao mba hanafoanana ny tsy fitovian-kevitra izany.

Nahangona sonia miisa 370.000 ny fanangonan-tsonia an-tserasera manohitra ny lalàna izay notarihin'ny Thai Netizen Network (Tambajotran'ny Mpisera Thailandey). Nitanisa ny sasany tamin'ireo fepetra ao amin'ny lalàna izay azo ampiasain'ireo manampahefana mba hampitahorana ny fampitam-baovao ny fanangonan-tsonia, sy hatramin'ny olon-tsotra mpisera amin'ny aterineto aza.

Ohatra, manameloka ny fandefasana ny “lahatahirin-tsolosaina hosoka” na ny votoatin'Aterineto izay manimba “ny fikajiana ny fiarovam-pirenena, ny filaminam-bahoaka, ny fiarovana ny toekarem-pirenena na ny foto-drafitrasan'ny tombontsoam-bahoaka, na mampisavoritaka ny vahoaka” ny andininy faha14.

Niahiahy momba ity andininy ity ny gazety The Bangkok Post :

There is no clear definition of what acts may be construed as being in breach of this section. Will criticizing the government's megaprojects qualify as damage to national security or public infrastructure? How about opinions about the state of the country's economy?

Tsy misy famaritana mazava tsara hoe inona ireo asa voalaza fa fandikan-dalàna ao amin'ity fizaràna ity. Moa ve ny fitsikerana ny tetikasa goavamben'ny governemanta mety ho lazaina fa manimba ny fiarovam-pirenena na ny fotodrafitrasam-bahoaka? Ahoana ny momba ny fanehoan-kevitra mikasika ny toetry ny toekarem-pirenena ?

Manosika ny lalànan'ny #cyber izay mety hanivana sy hanenjika ny tatitry ny zon'olombelona lazaina ho vaovao “diso/lainga” na fandrahonana ny filaminam-bahoaka ny fitondrana miaramila ao #Thailandy.

Mandritra izany fotoana izany, mety hitarika ho amin'ny fanivanan-tena amin'ny ampahany ho an'ireo Mpamatsy Tolotra Aterineto ao an-toerana ny andininy faha 15 satria manameloka ireo rehetra izay “miara-miasa [amin'ny fampielezana] ny angondrakitra solosaina diso” izany. Ahafahan'ny manampahefana mahazo tambajotran'angondrakitra Aterineto avy amin'ireo Mpamatsy Tolotra amin'ny Aterineto (ISP) tsy mila fankatoavana avy amin'ny fitsarana ihany koa ity fizarana ity. Mety hitarika ho amin'ny fandaniana vola bebe kokoa ihisy fiantraikany ratsy ho an'ny orinasa sy ny mpanjifa ihany koa izany.

Manameloka ny fananam-baovao izay nahazoana didy hopotehina avy amin'ny fitsarana ny fizarana faha 16. Mety hanelingelina ny asan'ireo mpikaroka sy ny mpanao gazety izany. Manahy ny sasany fa mety ho azon'ny manampahefana alaina hanaovana fanaraha-maso raha toa ka mitahiry votoaty voarara ny lahatahirin'ny solosaina na ny tantaran'ny fitetezana Aterineto ataon'ny olon-tsotra mpisera aterineto.

Mamela ireo manampahefana hiditra amin'ny lahatahiry voaafintsoratra ny fizarana faha 18. Tsy mazava ny fomba hanatanterahana  izany .

Mandrisika ny komity voatendrin'ny governemanta hanara-maso ary hanome baiko mihitsy ny fanesorana ny votoaty mampidi-doza ao amin'ny Aterineto ny andininy faha 20. Niteny momba io fizarana io ny The Bangkok Post  rehefa namoaka lahatsoratra mitsikera ny lalàna novaina izy:

The draft amendment's most serious shortcoming is in its giving too much power for state authorities to make their own judgement whether certain actions may be deemed in violation of the law.

Ny fanomezana fahefana be loatra ireo manampahefam-panjakana mba hanao fitsarana manokana momba izay heverin'izy ireo ho fandikan-dalàna no fahadisoana lehibe indrindra tamin'ity fanitsiana ny volavolan-dalàna ity.

Nanakana sahady ny votoaty ‘mampidi-doza’ tamin'ny fomba mahery vaika tao amin'ny Aterineto ireo manampahefana na dia mbola tsy mihatra akory aza ny lalàna, indrindra fa ho an'ireo izay heverina ho tsy manaja ny fitondram-panjaka tokana. Nametraka lalànan'ny lese majeste (fanompana ny mpanjaka ) henjana i Thailandy, izay ninoan'ny mpikatroka sasany fa nanaovan'ny  fitondrana miaramila fanararaotana mba handrahonana sy hisamborana ireo mpanakiana. Araka ny voalazan'ny governemanta, nanakatona tranonkala miisa 1370 izany tamin'ny Oktobra noho ny fandikana ny lalànan'ny lese majeste. Betsaka tokoa io raha oharina amin'ny  tranonkala miisa 1237  nakaton'ny governemanta tao anatin'ny dimy taona.

Lalàna famaizana ara-solosaina nohavaozina   – sariitatra androany .

Niaro ny lalàna ny Praiminisitra Prayuth Chan-ocha  tamin'ny alalan'ny fanizingizinana fa tsy manitsakitsaka ny fahalalahana sivily izany. Misy ihany koa ny raharaham-barotra niarahaba ny fahatongavan'ny lalàna izay hinoan'izy ireo fa hiaro ny fikazaka-manana sy handrisika ny fampandrosoana ny toekarena nomerika.

Kanefa nisy ihany koa ny hetsi-panoherana nokarakaraina andro vitsivitsy taorian'ny fankatoavan'ny parlemanta ny lalàna. Nilaza  ny vondrona mpikatroka an-tserasera Olom-pirenena Manohitra ny Vavahady Tokana fa nijirika tranonkalam-panjakana maro izy.

Rehefa tsy hihaino ny fanirian'ny vahoaka ny governemanta dia tezitra ny vahoaka .

Te #handamina ny #Aterineto ny governemanta #Thailandey,  tsy afaka hiaro ny angondrakitra manokan'izy ireo avy amin'ny #Anonymous ny polisy #Thailandey,  azo antoka ve ny angondrakitrao miaraka amin'izy ireo ?

Niaiky ny fihetseham-pon'ny Anonymous ny Tambajotran'ny Mpisera Thailandey kanefa nandrisika ny vondrona ihany koa handinika ny fiarovana ny lahatahirin'olon-tsotra mpisera aterineto :

Misaotra noho ny fanohanana ry #Anonymous. Nahomby ianareo.  Mety hanimba ny olom-pirenena Thailandey bebe kokoa ny mihoatra noho ny Fitondrana miaramila fisovohana. Miangavy anareo hihevitra ny fanalavirana ny lahatahirin'olom-pirenena ? Misaotra 🙂

Namoaka fanambarana maneho ny ahiahiny mikasika ny lalàna lany ihany koa ny vondrona iraisam-pirenena maro toy ny Biraon'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'olombelona  ao Azia sy ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety.

Mamintina ny fanakianan'ny vondrona fampitam-baovao amin'ny fepetra manjavozavo sy ny petrakolana ateraky ny lalàna ity lahatsary avy amin'ny gazety The Nation ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.