- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Teny Nalaza Nandritra Ny Taona 2016 Lasa Teo? ‘Demokrasia Saosisy’.

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo

Democracy Sausage - By Silent Billy (Own work) [CC BY-SA 4.0], via Wikimedia Commons [1]

Demokrasia Saosisy. Avy amin'i Silent Billy (Asany Manokana) [CC BY-SA 4.0], avy amin'ny Wikimedia Commons

‘Demokrasia saosisy’ no nahazo ny lokan'ny Oz Teny nalaza nandritra ny taona [2] avy amin'ny Foiben'ny Rakibolana Nasionaly Aostraliana (ANDC)

Toy izao no vakin'ny famaritan'ny ANDC, ‘saosisy natono aroso ao anaty silaka mofo, novidiana tao aminà trano fisainana misy saosisy mangorovitsika amin'ny andro fifidianana’. (Nanao ny fifidianany ny Aostraliana tamin'ny 02 Jolay 2016)

Toa mahasanganehana raha teny roa no afaka handresy. Tsy ny olona rehetra no tia ilay hevitra:

Tsara ny zava-drehetra afa-tsy ny zavamisy hoe, mba tsy ho lazaina fa mirehareha, “Demokrasia saosisy” dia andian-teny fa tsy teny iray, noho izany.. https://t.co/GGLPiSegb6 [3]

Nanazava ny ANDC: ” Satria fangaro io, faritana ho toy ny ‘teny namboarina taminà teny roa na maromaro efa misy’. Manana dikany manokana izay tsy voatery hotsoahina avy amin'ny fahafantarana ny dikan'ny teny tsirairay ny fangaro.”

Nisy fifaninanana somary henjankenjana ihany:

Tenifototra niparitaka tao amin'ny twitter avy amin'ny fidabohan'ny tranonkala nasionaly fanisàm-bahoaka [11] tamin'ny Aogostra 2016 ny #CensusFail. Hazavaina amin'ny antsipirihany ato [12]ireo mpifaninana ireo sy ny hafa.

Asongadin'ity karazana kofehy ity, tsy azo ihodivirana, ireo mpanao tsilalaon-teny ( na ireo olona milalao amin'ny teny) :

“'Demokrasia saosisy’ taolan'ny Teny nalaza nandritra ny taona 2016 ”https://t.co/WfpBBiXqc1 [13]

(Saosisy) ‘taolana’ dia fiteny manokan'ny Aostraliana, toy izany koa ny ‘saosisy mangorovitsika’ (tono hena ho fanangonam-bola). Samy hita ao amin'ny andiany farany amin'ny Rakibolana Nasionaly Aostraliana [15] nivoaka tamin'ny Aogostra 2016 ireo teny roa ireo.

Ampahany amin'ny fanangonam-bola izay ataon'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa amin'ny andro fifidianana ireo ‘snags’ / taolana amin'ny trangan'ny demokrasia saosisy. Ray aman-dreny sy vondronà mpinamana no tena fahita satria ny ankamaroan'ny biraom-pifidianana dia any an-tsekoly:

Demokrasia Saosisy Federaly Voalohany Hatrizay @ Sekolim-Panjakana  Erskineville https://t.co/iunwvDSJZA [16]

Nandritra ny fifidianana tamin'ny volana jolay, nisy ny tsy faly noho ny tsy nahenoany izany:

tonga tara loatra ho an'ny mpifidy saosisy mangorovitsika…. arahin'ny fahaketrahana mahery vaika miaraka amin'ny haizina … https://t.co/YBQHkcWk1w [18]

Ary ny sasany tsy faly fotsiny izao momba ireo BBQ an-dry zareo tao an-toerana:

Ny hoe voatery nanavatsava setroka avy amin'ny saosisy mangorovitsika dia… https://t.co/edyyXTZUVF [20]

Demokrasia saosisy angamba no teny nalaza tamin'ny taona lasa, saingy ny ‘aorian'ny fahamarinana’ no tsy maintsy ho teny nankafizina manerantany nandritra ny taona.