Tamin'ny volana Septambra, nankany amin'ny Farihin'i IImen ao Novgorod Oblast, eo amin'ny 500 kilaometatra avaratra-andrefan'i Moskoa ny filoha Rosiana Vladimir Putin sy ny Praiminisitra Dmitry Medvedev, ka tafahoana “tampoka” sy niara-nihinana lasopy tamin'ny vondrona “mpanjono ao an-toerana” iray. Ny fitsidihana, izay hita mazava ho nomanina mialoha, dia toa hita fa natao hanasongadinana ny fifandraisan'i Putin sy Medvedev amin'ny “olon-tsotra” ao Rosia, ary naparitaka be tamin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana.
Nivanitika momba an'i Putin sy Medvedev tonga teo amin'ny vondrona mpanjono ao anatin'ny asan'izy ireo andavanandro ireo mpiserasera RuNet, saingy nanomboka tamin'ny Krismasy Ortodoksa tamin'ny herinandro lasa vao tena nanomboka ny vanitika: tamin'ny 7 Janoary, Voamarik'ireo blaogera fa ireo “mpanjono” hita sary tamin'ny fankalazana ny Krismasin'ny Filoha tao Veliky Novgorod ihany ireo teo amoron'ny Farihin'i IImen.
Когда забыли поменять декорации pic.twitter.com/d8QhULZl69
— Сталингулаг (@StalinGulag) January 7, 2017
Rehefa adinon'izy ireo ny nanova ny ravaka.
Вот так выглядят рыбаки с озера Ильмень, пока они случайно не повстречают президента… pic.twitter.com/QXN3kWU7dY
— Доктор Хаос (@leib_medic) January 7, 2017
Tahaka ny ahoana toko moa ireo mpanjono avy ao amin'ny farihin'i IImen rehefa tsy tsidihan'ny filoha tamin'ny kisendrasendra
Есть такая профессия – рыбаки Путина.
— Мысли Перзидента (@VVP2_0) January 8, 2017
Karazana anton'asa – mpanjonon'i Putin
Saingy ny hafa, tahaka ilay bilaogera Rustem Adagamov, kosa tsy nahita izay tena olana.
А объясните в чем тут подвох? Путин приехал к тем же рыбакам, с которыми встречался в сентябре на Ильмене. И чё? pic.twitter.com/7HdE7STKBF
— Рустем Адагамов (@adagamov) January 7, 2017
Hazavao ahy, inona no olana. Ireo mpanjono izay notsidihan'i Putin tamin'ny Septambra tao IImen ihany no nitsidika azy. Ka inona no olana?
Nanombatombana ireo mpiserasera RuNet marobe fa manampahefana avy ao amin'ny Sampam-piarovana Federaly (FSO), sampam-panjakana misahana ny fiarovana ny filoha sy ny manampahefam-panjakana hafa ireo olona mitsangana ao ambadik'i Putin ireo.
Особенности национальной рыбалки pic.twitter.com/uOql0uENyJ
— Усы Пескова (@Sandy_mustache) January 7, 2017
Ny mampiavaka ny mpanjonon'ny firenena
Особенности национальной рыбалки -2 pic.twitter.com/p6klRbcZfK
— Усы Пескова (@Sandy_mustache) January 7, 2017
Ny mampiavaka ny mpanjonon'ny firenena 2
Офицер ФСО видит офицера ФСО издалека.
Без офицера ФСО не выловишь и рыбку из пруда— Рогозин-на-орбите (@LyapunovS) January 7, 2017
Fantatry ny manamboninahitra FSO iray vao tazanin-davitra ny manamboninahitra FSO iray. Tsy mahazo trondro amin'ny fintana ianao raha tsy eo ny manamboninahitra FSO.
Nanao tsoa-kevitra anefa ilay bilaogera Leonid Volkov, fa raha ny marina, dia mpikatroka avy ao Novgorod ireo “mpanjono” ireo. Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny i Volkov fa tamin'ny harivan'ny 7 Janoary, nahita izy fa tsikariny i Larisa Sergukhina, ilay vehivavy hita tamin'ireo sary roa, mpandraharaha sady mpikatroka avy ao Novgorod.
Mampiseho ny dikan-tsoratra tamin'ny fankalazana ny Krismasy fa nandany fotoana tsara tamin'ny firesahana azy i Putin.
Nohavaozina ity lahatsoratra ity.