- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahitana Fitomboana ny Fidirana, ny Varotra Elektronika ary ny Fisamborana Bilaogera ao Kenya

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Hackathon at iHub, a technology incubator in Nairobi, Kenya. Photo by Erik Hersman via Flickr (CC BY 2.0) [1]

Hackathon ao amin'ny iHub, toerana fampiroboroboana ny teknolojia ao Nairobi, Kenya. Sary avy amin'i Erik Hersman tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ny Fikambanan'ny Bilaogera Ao Kenya [2] (BAKE) [2] dia fikambanan'ny vondrom-piarahamonina [2] izay ahitana vondrona mpamorona votoaty an-tserasera ao an-toerana, ary mikatsaka ny hanome hery ny fanavaozana ao amin'io sehatra io sy hanatsara ny kalitaon'ny votoaty izay noforonina tao amin'ny Tranonkala. Tamin'ny 28 Novambra teo, namoaka ny Toetry ny Aterineto ao Kenya 2016 [3] ny BAKE.

Novokarina ho anisan'ny fandaharana BAKE iFreedoms Kenya [4] an'ny BAKE ny tatitra, izay azo trohana [5] ary mampiroborobo ny zon'olombelona sy ny zon'ny fampitam-baovao an-tserasera amin'ny alalan'ny fampilaharan-tahiry, ny olan'ny tombontsoam-bahoaka, ny politikam-pidirana an-tsehatra, ny fiarovana, sy ny fampiofanana

Miresaka momba ny olana mifandray amin'ny Aterineto izay nitranga tao Kenya nandritra ny herintaona ny tatitra ary manasongadina ny:

Fiakaran'ny taham-pidirana Aterineto

Nanana fiantraikany lehibe tamin'ny fampitam-baovao tao amin'ny firenena sy ny indostrian'ny fialam-boly ny fitomboan'ny mponina mpisera aterineto ao Kenya. Nahatratra mpanjifa miisa 26,8 tapitrisa ny tsenan'ny Aterineto, raha notombanana hahatratra mpisera aterineto miisa 37,7 tapitrisa izany araka ny Tatitra isan-telo volana farany momba ny Sehatry Antontan'isa nataon'ny Manampahefana misahana ny Serasera .

Nitombo ho 90 isanjato ny [fananan'ny mponina] finday tao Kenya raha 89,2 isan-jato izany teo aloha, raha nitombo ho 44 isan-jato kosa tamin'ny taona 2016 ny isan-jaton'ny olona mampiasa smartfinday hidirana amin'ny Aterineto ao Kenya raha  27 isan-jato izany tamin'ny taona 2014 .

Nanamarika ny tatitra fa misy Keniana miisa  6,1 tapitrisa ao amin'ny Facebook ary Keniana miisa 2,2 tapitrisa mampiasa Twitter fara fahakeliny indray mandeha isam-bolana , ny 1 tapitrisa amin'ireo olona ireo no mijery Twitter isan'andro.  Manana mpisera miisa 10 tapitrisa ny WhatsApp, miisa 3 tapitrisa ny mpisera Instagram, ary mpisera Keniana miisa 1,5 tapitrisa no mampiasa LinkedIn .

Miha-malaza hatrany ny bilaogy ho an'ny mpamaky sy ny mpanoratra

Asa tsy mitsaha-mitombo ny fanoratana bilaogy ao Kenya, araka ny fitomboana hita eo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny asa ao amin'ny sehatra. Nisy fitomboana ny bilaogy mikasika ny fomba fiainana, fihariana, ary ny famoronana lahatsoratra nandritra ny vanim-potoana, raha mihavitsy kokoa ny olona ankehitriny no mamaky bilaogy miresaka politika sy fialam-boly .

Nitsongo dia bilaogy miisa 36 mavitrika indrindra tao anatin'ny lohamilina BAKE ny tatitra, sy antontanisa avy amin'ny bilaogy nosoratan'olo-tokana teo anelanelan'ny Oktobra 2015 sy Oktobra 2016. Nampiseho ny fanadihadihana ny lahatahiry fa nitombo aoka izany ny sehatra fanoratana bilaogy ao Kenya raha jerena ny mpamaky izany isam-bolana  .

Nitombo 46 isan-jato ny mpitsidika isam-bolana, ary nahatratra 18,1 tapitrisa raha 12,4 tapitrisa izany teo aloha .

Ny sokajy miresaka fomba fiainana no nahitana fitomboana ambony indrindra izay naharakitra 69 isan-jato, manaraka azy ny bilaogin'ny fihariana izay nahazo 46 isanjato ary ny famoronana lahatsoratra nahitana 36 isanjato. Nihena 47 isan-jato ny mpamaky bilaogy ara-politika , na izany aza, ary manaraka azy ny bilaogin'ny fialam-boly izay nahitana fihenana 37 isan-jato.

Nitombo afa-mametraka làlan'asa ara-dalàna ihany koa ny indostria amin'ny- fampiasana mpanoratra miasa raikitra. Manana mpiasa raikitra ireo sehatra tahaka ny HapaKenya [6], Techweez [7], Tuko [8], Ghafla! [9]ary ny Soko Directory [10] ao amin'ireo olona omeny karama.

The cover of State of the Internet in Kenya 2016. [3]

Ny Toetry ny Aterineto ao Kenya taona 2016.

Fahalalahana maneho hevitra:  fisamborana bilaogera sy mpanao gazety miisa 60

Araka ny tatitra, fara fahakeliny 60 tamin'ny taon-dasa ireo bilaogera sy mpanao gazety nosamborina tao Kenya. Nosamborina andro zoma ny ankamaroan'ireo olona ireo ary notazomina hatramin'ny Alatsinainy, ezaky ny polisy hampitahorana olona amin'ny fanehoan-kevitra.

Manadihady momba ny olan'ny zon'olombelona atrehin'ny vondron'olona LGBTIQ ao Kenya ihany koa ny tatitra. Fandrahonana mahazatra ho an'ny LGBTIQ Keniana ny herisetra sy ny fanorisorenana an-tserasera. Tsy manana zo hanenjika ara-pitsarana toy ny hita amin'ny raharaham-panorisorenana an-tserasera na fanamenarana ireo LGBTIQ ireo, hoy ny tatitra namintina, satria tsy manaiky ny zon'izy ireo ho toy ny zon'olombelona voaaro ny andrim-panjakana.

Mitombo arakaraka ny fihenan'ny saram-pidirana [serasera] ny toekarena nomerika

Mihamitombo ny toekarena nomerika ao Kenya ary nanova sehatra ara-toekarena samihafa, anisan'izany ny fambolena, ny tolotra ara-bola, ny fahasalamana, ary ny fanabeazana. Mora kokoa ankehitriny ny saran'ny fidirana amin'ny Aterineto, hatramin'ny hosina ambany ranomasina tamin'ny taona 2007.

Ohatra iray amin'ny fitomboan'ny toekarena nomerika ao Kenya ny fahazoana ny bilaogy fifosana Ghafla! [9] an'ny Ringier [11], vondrona fampitam-baovao any Soisa ahitana karazam-pamoronana maroloko manan-danja isan-karazany.

Novokarina niaraka tamin'ny fanohanana avy amin'ny fikambanana, anisan'izany ny Internews Network [12], ny HIVOS [13] ary ny Article 19 [14] ny tatitra nataon'ny BAKE.

Vakio ato [5] ny tatitra feno avy amin'ny Fikambanan'ny Bilaogera ao Kenya