- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantatrao Ve ny Kilichi,  Ilay Tsiron-tsakafo Saheliana Nizeriana ?

Sokajy: Afrika Mainty, Nizera, Mediam-bahoaka, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

 

Kilichi au Niger via Ali avec sa permission [1]

Ny Kilichi ao Niger , nahazoana alàlana avy amin'i Ali Mahaman

Matetika i Niger no resahana amin'ny endri-tany Saheliana malaza ao aminy, ny anjara asany eo amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana sy ny harena an-kibon'ny tany oraniôma, kanefa mahalana izy vao resahana momba ny fahaiiza-manaony manokana momba ny sakafo. Tena manankarena tahaka ny kolontsaina isan-karazany ao aminy tokoa anefa ny nahandro Nizeriana. Indro ary misy sakafo tsy fantatra avy any ivelan'i Niger izay asehon'i Ali Douka Mahaman [2],  bilaogera ao amin'ny tranonkala Mapping for Niger (Fanehoan-tsarintany an'i Niger ) sady mponina ao Madaoua any Atsinanan'ny firenena..

Sakafo Nizeriana fiaviana ny Kilichi tany am-boalohany.  Avy amin'ny teny Haoussa ny anarany izay midika hoe ” silaka hena manify  nohamainina sy masiaka”. Avy amin'ny fanodinana ny henan'omby sy na ondry noesorin-taolana ny Kilichi.  Silaka hena manify nohamainina tamin'ny masoandro no vokatra farany. Misy dingana  fanomanana maro ny Kilichi izay ahitana:

_        Ny fifantenana ny silaka hena;

_        Fanendasana ny silaka hena  na ‘’Lay-laya’’  amin'ny teny Haoussa ;

_        Fanamainana amin'ny masoandro ;

_        Famonosana izany amin'ny totom-boanjo sy manisy azy lokon-tsakafo mena,

_       Fanatonoana amin'ny afo ary farany ny fanagaroana azy amin'ny zava-manitra mampatsiro sakafo sy mena-boanjo  .

 

Kilichi avec épices avec la permission de l'auteur

Kilichi misy zava-manitra, nahazoana alàlana.

Ao Niger,  hita  any amin'ny faritra atsimon'ny firenena indrindra any an-tanànadehibe tahaka an'i Madaoua, Guidan-Roumdji ary eny fa na dia ao an-drenivohitra Niamey aza ireo foibe famokarana Kilichi. Marihina fa ireo ‘Bangarou’  na mpivaro-kena no tena mpisehatra eo amin'ny famokarana kilichi, izay mbola malaza hatrany amin'ny fahaizany sy ny tsiron-tsakafony. Misy karazany roa  ny Kilichi toy ny:

_ Ny kilichi mifono totom-boanjo sy misy lokon-tsakafo mena antsoina hoe »Ja » amin'ny teny Haoussa

_ Ary farany ny kilichi tsotra misy mena-boanjo antsoina hoe »rumuzu.

Atao amin'ny fomba nentim-paharazana io asa famokarana io satria tsy misy ny orinasam-pamokarana maoderina an'ity vokatra mampitsiriritra ao Niger ity, ary eo ampelatanan'ireo mpiasa tsy ao anatin'ny sehatra ara-dalàna manontolo izany rehetra izany .

Fa ankehitriny, nikisaka any amin'ny firenena amoron-tsiraka toa an'i Côte d'Ivoire, Kamerona, Nizeria, Gabon sns ny asa fikarakarana ity hena ity noho ny olan'ny fifindra-monina sy ny fifindrana avy any ambanivohitra ao Niger

Une étude réalisée dans la ville de Niamey indique que la capacité de production annuelle est d’environ 700 à 950 Kg de kilichi (Kalilou, 1997).  Ce produit est un dessert dont sa consommation s’accompagne par la saveur des tranches d’oignon et d’épices. C’est très délicieux et confortable à goûter.

Manondro ny fikarohana tao an-tanàndehiben'i Niamey fa eo ho eo amin'ny 700 ka hatramin'ny 950 kilao eo ny kilichi vokatra vita isan-taona (Kalilou,1997). Tsindrin-tsakafo ity vokatra ity ary hohanina miaraka amin'ny silaka tongolo sy zava-manitra . Tena matsiro sy mampankafy ny fihinanana azy.

Famoahana indray avy amin'ny lahatsoratr'i Ali Douka Mahaman tao amin'ny tranonkala Mapping for Niger  [3]ity lahatsoratra ity