- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitarika Ireo Mpisera Haneho Fankasitrahana Ho An'ny  Mpiasa Vahiny Ny Praiminisitra Ao Singapaoro

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Zon'olombelona
Photo from the official Facebook page of Prime Minister Lee Hsein Loong [1]

Sary avy amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Praiminisitra Lee Hsein Loong

Lasa nalaza sy nanome aingam-panahy maro ireo mpisera aterineto mba handinika [2] ny anjara asa manan-danjan'ireo vahiny ao amin'ny fiarahamoniny ny lahatsoratry [1] ny  Praiminisitra Singapaoreana Lee Hsein Loong  tao amin'ny Facebook izay midera ireo mpiasa vahiny.

Nandefa ny sarin'ny mpiasa vahiny iray hitany tao amin'ny tora-pasika  Changi i Lee nandritra ny faran'ny herinandron'ny taombaovao .

Misy soratra toy izao ny sary:

As we enjoy the festive days with friends and family, let us spare a thought for the foreign workers who have left their families behind to work in a distant land. They build our HDB [housing] flats and MRT [train] lines, keep our roads clean and parks green, and take care of our young and elderly. They slog and save to support loved ones, but at least with the internet and cellphones they can keep in touch, and feel not quite so far away.

Rehefa mankafy ny andro fety miaraka amin'ny namana sy ny fianakaviana isika, dia aoka ahatsiaro ireo vahiny mpiasa, izay nandao ny fianakaviany noho ny asa any an-tany lavitra. Manangana ny HDB [fonena]-ntsika sy ny làlan'ny MRT [fiaran-dalamby] izy ireo, manadio ny lalantsika sy mikarakara ny zaridaina maitso, ary mikarakara ny tanora sy ny zokiolona. Miasa mafy izy ireo ary manangom-bola hanohanany ny fianakaviany, kanefa rehefa misy ny aterineto sy ny finday afaka hifandraisana farafaharatsiny dia tsy mahatsapa tena ho lavitra loatra ry zareo.

Tamin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity, efa nahazo ekeko Facebook miisa 37.000 ny lahatsoratra, sy zara miisa 3.500 ary fanehoan-kevitra arivo mahery.

Mampiantrano mpiasa vahiny voasoratra anarana miisa 1,3 tapitrisa i Singapaoro . Ny 200.000 mahery amin'ireo no mpiasa an-trano, na asa hafa ao an-trano, indrindra fa avy any amin'ny firenena manodidina toa an'i Filipina, Indonezia, Myanmar, ary India. Tato anatin'ireo taona faramparany, navoakan'ny tatitra [3] [mg] ny momba ireo mpiasa an-trano miaina fampijaliana avy amin'ny mpampiasa azy. Miha-maro ireo tranga fanararaotana, na dia eo aza ny lalàna vaovao natao hiaro ny zon'izy ireo [4] .

The housing condition of some of Singapore's migrant workers. Photo from the Flickr page of Rob O'Brien, CC License. [5]

Ny fampialofana misy ho an'ireo mpiasa mpifindra monina sasany ao Singapaoro. Sary avy amin'ny pejin'i Rob O'Brien tao amin'ny Flickr , CC License.

Maro no nidera an'i Lee noho ny fankasitrahany ny fandraisan'anjaran'ireo mpiasa mpifindra monina ao Singapaoro. Selina Xu izay nanoratra ity fanehoan-kevitra ity tao amin'ny Facebook no iray tamin'ireo izay nankasitraka ny hafatr'i Lee , :

Thank you PM Lee! I'm really glad you called attention to a group of people often ignored or unseen by our society – our migrant workers are the ones who toil tirelessly to build Singapore's landscape. But sometimes their plight and voices go unheard and the true extent of their contributions to our sprawling metropolis become under-appreciated.

Misaotra anao Atoa PM Lee! Tena faly aho fa niantso hijerena vondron’ olo-maro matetika tsy raharahiana na tsy jeren'ny fiarahamonintsika ianao – dia mpiasa mpifindra monina eto amintsika izay misasatra mba hanome endrika an'i Singapaoro. Kanefa tsy misy mihaino indraindray ny manjo azy sy ny fitarainany, ary tsy araka ny tokony ho izy ny fankasitrahana ny halehiben'ny fandraisana anjaran'izy ireo hanatsarana ny tanàndehibe goavana .

Nizara ny sarin'i Lee i Angel Ting ary niangavy [6] hisian'ny fiaraha-mizaka ny fahatsapan'ireo mpiasa mpifindramonina eo amin'ny fiainana andavanandro fa tsy ao amin'ny media sosialy fotsiny ihany:

…touched beyond words to have such a loving PM. even more touched by the comments, Singaporeans and foreigners alike. A country flooded with ties of kinship, but just hope that more could be shown in real life than just on social media…

… tohina avy amin'ny tenin'ny PM be fitiavana. Vao mainka nanohina ny fanehoan-kevitr'ireo vahiny sy Singapaoreana. Firenena heniky ny fifandraisana eo amin'ny mpiray foko, kanefa manantena fa ho maro kokoa no hiseho mihoatra noho ny ao amin'ny media sosialy fotsiny…

Nanamarika [7] i Jolovan Wham, mpikatroka, fa na dia eo aza ny fanambarana mitovitovy amin'izany teo aloha nataon'i Lee mikasika ny fikarakarana ireo mpiasa mpifindramonina, dia “mbola asa anjorombala ny fampiroboroboana ny rariny ho an'ny mpiasa mpifindramonina  ” ao Singapaoro.

This is not the first time the PM has feted the contributions of migrant workers — and he should, because if all of them went on strike, our economy collapses. However, appreciation cannot stop at warm and fuzzy fb posts but should translate into concrete policies to make a difference in their lives, which his government is capable of doing but lacks the political will.

Tsy vao voalohany izao ny PM no nidera ny fandraisana anjaran'ireo  mpiasa mpifindra monina – ary tokony hanao izany izy satria hitotongana ny toekarentsika raha manao fitokonana izy rehetra ireo. Na izany aza, tsy tokony hijanona ao amin'ny lahatsoratra mafana sy manjavozavo ao amin'ny  FB ny fankasitrahana fa tokony hivadika politika mivaingana eo amin'ny fiainan'izy ireo, izay azon'ny governemantany hatao tsara fa ny  finiavana ara-politika no tsy ampy.

Nananatra ny antoko mpanohitra ihany koa ny mpitarika ao amin'ilay fikambanana tsy miankina na ONG tamin'ny tsy fahombiazana nanao laharam-pahamehana izay hahasoa ireo mpiasa mpifindra monina:

Even opposition parties aren't keen because caring about migrant workers doesn't get votes. Many fear being seen as “pro foreigner”, but do not realize that universal labor rights benefit voters too.

Na dia ireo antoko mpanohitra aza dia tsy tia niresaka fikarakarana mpiasa mpifindra monina satria tsy ahazoam-bato izany. Maro no matahotra raha hita ho “mpomba ireo vahiny”, kanefa tsy mahatsapa fa ahazoan'ny mpifidy tombontsoa ihany koa ny zon'ny mpiasa manerantany.