- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afaka Mitondra Sy Mihinana Ny Mofomamin'izy Ireo Ao Amin'ny McDonald's Ny Malaiziana — Saingy Tsy Maintsy Mofomamy Halal Izany

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna
McDonald's in Malaysia. Photo from the Flickr page of Martin Lewison, CC License [1]

McDonald's ao Malezia. Sary tao amin'ny pejy Flickr  an'i Martin Lewison, Lisansa CC

Voatsikera ny fanapahan-kevitry ny foiben'ny goavan'ny trano fisakafoanana McDonald's ao Malezia mandràra ny fidiran'ny mofomamy tsy halal ao anatin'ny faritrany noho izy voalaza fa mampiroborobo ny endrika islamo tsy mandefitra sy hiringiriny.

Maro an'isa ny mponina Maley Miozolomana ao Malezia, na dia miaro ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafan'ny firazanana sy ny vondrona ara-poko aza ny fanjakana.

Ny fanamarinana Halal ao Malezia dia midika [2] fankatoavan'ny manampahefana ara-pivavahana ofisialy ny vokatra ara-tsakafo ho manaraka ny fenitra islamika

Niparitaka be tao amin'ny media sosialy ity fanamarihana tamin'ny magazain'ny McDonald's momba ny fandraràna ny mofomamy tsy halal ity:

Mihavery saina hatrany i Malezia

Nanamafy [5] ny McDonald's fa mandràra ny mofomamy tsingeritaona tsy-halal izy ho fanajàna ny toro-lalan'ny Sampana Fampandrosoana Islamika Silamo ao Malezia (Jakim):

As a company that offers only halal-certified products, we implement a ‘no outside food policy’ to ensure that all products served and consumed at our restaurants are halal.

In the case of ‘birthday parties’ at McDonald’s, we have made an exception to allow customers to bring in their own birthday cakes as part of their celebration, provided that the cakes are certified halal.

Amin'ny maha orinasa manome vokatra voamarina fa halal ihany, mametraka politika ara-tsakafo anatiny izahay mba hiantohana fa halal avokoa ny vokatra rehetra omena sy jifaina ato amin'ny trano fisakafoananay.
Raha misy ny fety tsingeritaona ato amin'ny McDonald's, afaka mitondra ny mofomamin'izy ireo manokana ny mpanjifa noho izany fety izany, saingy tsy maintsy voamarina fa halal ilay mofomamy

Maro ireo namaritra ny politikan'ny McDonald's fa tsy ilaina sy sarotra. Mariam Mokhtar, mpanao famakafakana ao amin'ny Free Malaysia Today, nanazava [6] ny antony mahatonga ny olona ho diso fanantenana.

There are mothers who bake their children’s birthday cakes for parties at McDonald’s. And there are those who order them from people like me, who enjoy baking for friends.

So what are parents to do if McDonald’s wants them to provide a halal certificate for one of my cakes?

Has halal political correctness gone overboard? Will we one day see moral police invading houses to ensure that we are eating only halal food? When will common sense prevail?

Misy ireo renim-pianakaviana manamboatra ny mofomamin'ny tsingerintaonan'ny zanak'izy ireo amin'ny fety ao amin'ny McDonald's. Ary misy ireo mampanamboatra izany any amin'ny olona tahaka ahy, izay mankafy manamboatra mofomamy ho an'ny namana.

Ka inona no ataon'ny ray aman-dreny raha mitaky mofomamy voamarina fa halal ny McDonald's amin'ny iray amin'ireo mofomamiko?

Tafahoatra ve ny politikam-panamarinana halal? Indray andro any ve isika hahita politika ara-pitondran-tena mameno ny isan-tokatrano mba ho azo antoka fa mihinana sakafo halal fotsiny isika? Rahoviana vao hanjaka ny fahaiza-mahatakatra?

Nanizingizina [7] i Roziah Daud, izay mitantana magazay mofomamy antserasera fa ny fangaron-tsakafo ampiasaina amin'ny fanamboarana mofomamy dia vokatra halal amin'ny ankapobeny, tahaka ny lafarinina, atody sy siramamy:

This should not even be a problem. At times, when you go to other ordinary cafes, they don't ask you where your cake comes from and whether it is halal or not. Stop vetting people's privacy! If the cake is for their own consumption, how could you impose a rule like this?

Tsy tokony ho olana akory izany. Indraindray, rehefa mandeha any amin'ny trano hafa fisotroana kafe mahazatra ianao, tsy mangataka aminao izy ireo hoe avy aiza ny mofomaminao sy hoe halal ve sa tsia. Atsaharo ny manontany ny fiainana manokan'ny olona! Raha izy ireo ihany no mihinana ny mofomamin'izy ireo, ahoana no ahafahanao mametraka fitsipika tahaka izany?

Mandritra izany, namoaka fanambarana [8] ny Fikambanana Tsy Miankina, Foiben'ny Rahampitso Tsara Kokoa (Cenbet), mandrisika ny Jakim mba handinika indray ny fampiharana hentitra mikasika ny fitsipika fanamarinana halal :

While eateries have the right to ban patrons from bringing in outside food, the decision should be based on commercial considerations and not whether the food is halal-certified or not. In this respect, Jakim should not overstep its boundary by accrediting ‘premises’ instead of ‘food’. It should also not subject food operators to white terror. Doing so would be an abuse of power.

There is no question about respecting Muslims’ dietary requirements. But we should not allow radical elements to hijack any religions for political ends.

Raha manan-jo handràra ireo mpanjifa tsy hitondra sakafo avy any ivelany ny trano fisakafoanana, tokony hifototra amin'ny fijerena ny ara-barotra ny fanapahan-kevitra fa tsy amin'ny hoe voamarina fa halal ve ny sakafo sa tsia. Amin'izay, tsy tokony hihoatra ny famerany ny Jakim amin'ny fankatoavana ny «toerana» fa tsy ny «sakafo». Tsy tokony hampitahotra ireo mpandraharaha ara-tsakafo ihany koa izy. Fanararaotam-pahefana ny fanaovana izany.

Tsy resaka fanajana ny fitakiana ara-tsakafon'ny Miozolomana izany. Fa tsy tokony hamela ny mpitrifana hanao fitaovana ny fivavahana amin'ny tanjona ara-politika isika.

Nampitandrina ny vondrona fa mety nohararaotina ny baikon'ny Jakim mba hanamarinana ny fitsabahan'ny fanjakana ao anatin'ny fiainana manokan'ny olom-pirenena tsotra:

…it will open the floodgates for more areas to be classified along halal-non halal lines such as public transportation, schools, housing areas and healthcare. This will only segregate the people along religious lines, especially at a time when there is a need to enhance unity in the face of rising extremism.

… Hanokatra varavarana ho an'ny sehatra maro kokoa hanavaka ny sehatra halal-tsy halal izany, tahaka ny fitateram-bahoaka, ny sekoly, ny sehatry ny fampiantranoana sy ny ara-pitsaboana. Hanasaraka ny vahoaka amin'ny fivavahana izany, indrindra amin'ny fotoana ilàna ny fanamafisana ny firaisankina manoloana ny fitomboan'ny fitrifana.

Niaro [9] ny zon'ny Jakim amin'ny fanatsarana ny mahasoa ny Miozolomana kosa ny vondrona miantso ny tenany hoe Tanora Matihanina:

Cenbet’s demand that non-halal foodstuff be allowed on halal certified eateries and restaurants, for one, disrespects the sensitivities of Muslims who frequent such places, on the premise that they have been certified halal and thus are free from non-halal elements.

How is a better tomorrow achieved by lack of sensitivity for the differing dietary requirements of a particular given faith, in this instance, Islam?

Tsy manaja ny zavatra mahasaro-piaro ny Miozolomana mpandeha any amin'ireny trano fisakafoanana sy hotely fandraisam-bahiny voamarina fa halal ireny ny fitakian'ny Cenbet fa tokony avela any amin'ireny toerana ireny ny sakafo tsy halal, ka mody lazaina fa voamarina fa halal izy ireny ary noho izany afaka amin'ny singa tsy halal.

Ahoana no ahazoana hoavy tsara kokoa raha tsy misy ny fahasarotana amin'ny filàna ara-tsakafo isan-karazan'ny finoana iray manokana, ny islamo izao eto?

Tsy niombon-kevitra [10] tamin'ity fehin-kevitra ity kosa ilay bilaogera KTemoc:

If non-halal certified birthday cakes [are] brought into Macca [McDonald's], will that contaminate the food stuff prepared by Macca [McDonald's]? No non-Muslim taking a non-halal certified birthday cake into Macca is threatening Muslims and their right to practice their faith in accordance with its own requirements.

Raha hoentina ao amin'ny Macca [McDonald's] ny mofomamy tsingerintaona voamarina fa tsy halal, mety hamindra any amin'ireo sakafo karakarain'ny Macca [McDonald's] ve? Tsia, mandrahona ny Miozolomana sy ny zony hampihatra ny finoany mifanaraka amin'ny fepetra manokan'izy ireo ny tsy-Miozolomana maka mofomamy tsingerintaona voamarina fa tsy halal ao Macca.

Efa niala tsiny [11] ny McDonald's noho ny famoahana fanambarana nanohintohina ny maro tamin'ireo mpanjifany, saingy nilaza ihany koa izy fa hanohy hampihatra ny fandraràna noho ny fampanantenany amin'ny fanomezana sakafo halal.

Tsy vao sambany ny olana momba ny fanamarinana halal no nisarika ny sain'ny vahoaka. Tamin'ny volana Oktobra lasa teo, nohadihadian'ny manampahefana ny orinasa ara-tsakafo iray noho izy manome ‘hotdogs’ [12] amin'ny karazan-tsakafony.