- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famonoana Ilay Ambasadaoro Rosiana Tao Torkia: Bala Avy Any Aleppo Ve?

Sokajy: Okraina, Rosia, Syria, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika
Ankara panorama. Creative commons.

Ankara indray mitopy maso. Creative commons.

Manana kanto mandindondindona izany ny dikasarin'ny famonoana ny ambasadaoron'i Rosia tao Torkia Andrei Karlov tamin'ny 19 Desambra tao amin'ny Mozean'ny Zavakanto Ankehitriny tao Ankara .

Hihaona androany ireo iraka nalefan'i Tiorkia sy i Rosia hiresaka momba an'i Syria, ampitson'ny famonoana an'ilay ambasadaoro Rosiana tao Torkia.

Manoloana ny rindrina fotsin'ny mozea mifantsika sary hoso-doko mamirapiratra,  toa tahaka ny fanatontosana zavakanto mihitsy ny famonoana. Vetivety dia niparitaka ilay hevitra, rehefa mijery ny lahatsary naharenesana tsara ny fitifirana sy ny kiaka tao amin'ny toerana.

Taorian'ny fitifirana, nihiaka hoe “Lehibe Andriamanitra ” ilay polisy mpamono olona miakanjo tsara 22 taona Mevlut Mert Atlintas talohan'ny niangaviany ireo mpitazana raiki-tahotra mba tsy ‘hanadino’ ny fandraisana anjaran'i Rosia amin'ny fandarohana baomba an'i Aleppo sy ny faritra hafa ao Syria.

Ny Lalaom-Pifanomezan-tsiny

Tsy ela taorian'ny famonoana, niroso moramora tamin'ny fifandraisan'ny roa tonta i Torkia sy i Rosia. Raha efa nampoizina ampifandray ny zava-nitranga tamin'ilay mpitarika fivavahana any an-tsesitany nalaim-baraka sady mpifaninana amin'ny Filoha Recep Tayyip Erdogan Fethullah Gülen ny manampahefana Tiorka, dia mpanao lalàna Rosiana iray farafahakeliny no nilaza fa mety ho firaisana tetika avy amin'ny OTAN ny fitifirana.

Niroso mba hitaky ny andraikitra tamin'ilay famonoan'olona ny vondrona mpitolona Jeish al-Fath ao Syria , kanefa nisy ny fisalasalana fa azo inoana ny filazàn'izy ireo.

Nanana ny fomba handraisany ny zava-nitranga manokana tao amin'ny  lahatsoratra nozaraina tao amin'ny Gazeta.ru ilay Rosiana mpanao politika mpanohitra Dmitri Gudkov izay nanantitrantitra ny endrika fanimban-tenan'i Rosia amin'ny fandraisana anjara amin'ny ady;

Зачем эта война? На ней практически каждый день секретно гибнут россияне. Не стоит ли сделать инвестицию в собственное будущее и попытаться остановить мясорубку? Хотя бы остановить в ней участие России?

Напомню еще об одной вещи: о дороге, которая привела к убийству в Анкаре. Извилистый, неочевидный путь, события в котором кажутся совершенно случайными, никак не связанными друг с другом и в то же время выстраивающимися в неумолимую в своем безумии логику.

Начать здесь (надо же откуда-то начать, хотя корни всегда уходят глубже) стоит с убийства в СИЗО Сергея Магнитского, повлекшего за собой первые западные санкции. Ответом на них стал «закон подлецов», четырехлетие которого наступает 21 декабря. Вслед за санкциями российская власть пошла в пике: началось обострение с США.

Еще можно было остановиться, не продолжать этот конфликт, но нет. Терять оказалось нечего, и на волне «возрождения страны» в пику «западным партнерам» появились Крым и Донбасс. Новые санкции. Все большая изоляция. «Бук». Попытка огрызнуться — контрсанкции. Удар по власти изнутри — антикоррупционные расследования о прогнившей верхушке, от прокуратуры до правительства. Снова ответ: во всем виноват Браудер.

Осажденная крепость, кругом враги и при этом попытка с позиции силы доказать, что без России никак.

Сирия. Обменять все санкции скопом на нее. Попытка не удалась, безнадежная война, еще глубже в болото. Все новые трупы, конфликт с Турцией, помидоры, ТрампНаш…

Каждым этим намерением (далеко не благим) была вымощена дорога к убийству в Анкаре. Не случись когда-то дела Магнитского — не было бы первых санкций. Не было бы их — не было бы охлаждения, без него не случилась бы Украина…

Еще не поздно остановиться. Никогда не поздно. Нам хватает и внутренних проблем, чтобы самим создавать себе все новые и новые внешние.

Nahoana no miady ? Maty ao amin'ny mangingina saika isan'andro ireo Rosiana ao anatin'izany. Tsy tokony hampiasa vola amin'ny hoaviny manokana ve isika ary hiezaka ny hampitsaharana ny famonoan'olona? Na fara faharatsiny hampitsahatra  ny fandraisana anjaran'i Rosia ao anatin'izany?

Mamelà ahy hampahatsiahy anareo zavatra iray: dia ny lalana nitondra ho amin'ity famonoan'olona tao Ankara ity. Làlana mikitoatoana sy manirikiry, ahitana zava-mitranga toa kisendrasendra tanteraka sy tsy misy ifandraisany mihitsy eo amin'ny teboka iray manoloana lojika tsy azo vakivakiana ao anatin'ny fahaverezan-tsaina.

Atomboko eto (tsy maintsy manomboka amin'ny toerana iray izany, na dia mihalalindalina hatrany aza ny fakany): ny famonoana an'i Sergei Magnitsky [ mpisolovavan'ny zon'olombelona] tany am-ponja izay niafara tamin'ny fanasazian'ny Tandrefana voalohany [an'i Rosia]. Ny valinteny [Rosiana] ho azy ireo dia ny “lalànan'ny olona tsy misy fotony”, izay nanamarika ny faha-efa-taonany tamin'ny 21 Desambra . Rehefa nitsontsorika tampoka ny fifandraisam-panasaziana Rosiana-Amerikana.

Azo najanona ny ady, saingy tsia. Fa inona intsony moa ny zavatra mbola ho afoy rehefa tonga amin'ny sehatra toy izao, tonga niaraka tamin'ny [fananiham-bohitra an'i ] Krimea sy [ Okraina Atsinanana ] ” ny fahaterahan'ny firenena indray” izay mifanohitra amin'ireo “mpiara-miasa Tandrefana ” . Avy eo, nisy ny fanasaziana vaovao. Ary nitombo ny fanokana-monina. Ny “BUK” [balafomanga izay namotika ny MH-17]. Ny valin-tsazy. […]

Toerana voaharo mafy natao fahirano, voahodidin'ny fahavalo, ary mandritra izany fotoana izany misy ny ezaka hitadiavam-bahana mba hanaporofoana fa mbola mila an'i Rosia izao tontolo izao .

Syria. [Nilaina izany] hanosehana ny fanasaziana. Kanefa  tsy nahomby ny ezaka, ary nilentika lalina kokoa tao anaty honahonan'ny ady very fanantenana. Faty lena, ny ady amin'i Torkia, [fandrarana ny fanafarana voatabia avy any Tiorka], ny [fanohanana] an'i Trump.

Ireo fikasana rehetra ireo (ary tsy mahafinaritra ireo) no nahatonga ny famonoan'olona tao Ankara. Tsy nitranga ny fanasaziana voalohany raha tsy nisy ny raharaha Magnitsky. Raha tsy nisy ireo, tsy nihanangatsiaka ny fifandraisana ary tsy nitranga [ny zava-misy ankehitriny ao ] Okraina.

Na izany aza, tsy mbola tara izao hitsaharana. Tsy tara loatra mihitsy. Efa maro ny olana anatiny ananantsika ary tsy mila ampiana olana avy any ivelany indray izany