- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanakatona Tranonkala Mamoafady Miisa 560 i Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava
Image by Geralt via Pixabay. From Public Domain. [1]

Sary avy amin'i Geralt tao amin'ny Pixabay. Sary azon'ny rehetra ampiasaina.

Nanatontosa fanentanana iadiana amin'ireo votoaty antserasera azo saziana ny governemanta Bangladeshy tamin'ny alalan'ny fanakatonana tranonkala mamoafady miisa 560,  [2]izay ampiantranoana ao an-toerana ny ankamaroany. Nomena ireo mpamatsy tolotra aterineto, mpamatsy vavahady antserasera sy tolotra finday ny lisitr'ireo tranonkala ireo, izay tsy mbola tsy nampahafantarina ny fampitam-baovao.

Tany am-piandohan'ity taona ity,nilaza [3] ny fikasany hanakana tranonkala vetaveta ny manam-pahefana Bangladeshita, ka nahatonga ireo fanehoan-kevitra hifamahofaho. Araka ny nambaran'i Tarana Halim, Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra, miteraka fiantraikany ratsy ara-tsosialy eo amin'ny olom-pirenena rehetra, anisan'izany ny tanora, ny fahafaha-miditra mora foana amin'ny votoaty manafintohina sy vetaveta.

Araka ny filazan'ny Komity Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh, nitombo [4] maherin'ny 62 tapitrisa (amin'ireo mponina eo ho eo amin'ny 160 tapitrisa [5] ) ny isan'ny mpisera aterineto ao amin'ny firenena. Miditra aterineto amin'ny alalan'ny fitaovana finday ny dimy amby sivi-folo isan-jaton'ireo mpiserasera. Ary efa ho 30% ny tahirin'ny finday no voalaza fa ampiasaina hitsidihana tranonkala vetaveta. Nahita ny fanadihadiana vao haingana [6] avy amin'ny Fikambanana Manusher Jonno, fikambanana tsy miankina fa efa ho 77 isan-jaton'ny mpianatra ao an-drenivohitra no mijery sary vetaveta amin'ny alalan'ny finday sy ny fitaovana hafa.

Tamin'ny Novambra 2016, nanangana komity [7] misahana ny fanomezana tolo-kevitra hamerana ny fidirana amin'ny tranonkala vetaveta ny minisiteran'ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Hatramin'Izao, hita fa ny fanomezana soso-kevitra hanakana tranonkala tahaka izany no vahaolana voalohany arosony.

Nanolotra ny lisitr'ireo tranonkala vetaveta 560 nakatona vao haingana ny komity. Nitarika fanehoan-kevitra mifanipaka teo amin'ireo mpiserasera izany fanakatonana izany. Nanoratra tamin'ny lahatsoratra Facebook [8]ilay bilaogera Arifur Rahman hoe:

…যৌনতা নিয়ে একদিকে ধর্মীয় কুৎসিত পাপবোধের জর্জরিত মেয়েটি যখন শ্বেতাঙ্গী নাট্যপটিয়সীর অবাস্তব পর্নো দেখে অদ্ভূত অবাস্তব আকঙ্খা-জর্জরিত বাদামী চামড়ার ছেলেটির সাথে জীবনে প্রথমবারের মতো যৌনতার মুখোমুখি, তখন আনাড়ী নারীর কাছ থেকে যে বিপুল আশাভঙ্গ হয় ছেলেটির, অথবা ছেলেটির অবাস্তব দাবিতে একদিকে মুষড়ে পড়া মেয়েটি নিজের অনাবিষ্কৃত যৌনতাকে আরো বেশি ঘৃনা করতে থাকে।

ফলাফল কারো জন্যই ভালো নয়। সুস্থ যৌনতা দরকার, এর সাথে স্বাস্থ্যের গুরুত্বপূর্ণ যোগ রয়েছে।

Raha misy ankizivavy meloka ara-pivavahana sambany manao firaisana ara-nofo amin'ny ankizilahy mahalala ny ataony noho ny fijerena ireo fotsy hoditra kinga amin'ny fanaovan-javatra hafahafa sy tsy mifanaraka amin'ny zavamisy, miatrika fahadisoam-panantenana ilay ankizilahy ary simba amin'ny fangatahana tsy tena izy nataon'ilay ankizilahy ilay ankizivavy. Mankahala mandrakizay ny firaisana ara-nofo tsy mbola nizorany lalina ilay ankizivavy.

Tsy tsara ho an'ny rehetra ny vokany. Mila fananahana ara-pahasalamana isika, misy fifandraisana manan-danja amin'ny fahasalamana tsara izany.

B M Mainul Islam, Profesora Mpanampy ao amin'ny Ivom-pampianarana Teknolojiam-baovao, Oniversiten'i Dhaka nanoratra hoe: [9]

সত্যি কথাটা হচ্ছে, দেশে না বিদেশে জেনারেট হচ্ছে সেটা বড় কথা নয়। সব যদি বন্ধ করা না যায়, তাহলে মঙ্গল গ্রহে পর্ন জেনারেট হলেও সেটা যার খুঁজে নেয়ার সে খুঁজে নেবে। পর্ন একটা সমস্যা সেটাতে সন্দেহ নেই। কিন্তু, সেটাই এখন আমাদের প্রায়োরিটি কিনা সেটা ভেবে দেখার বিষয় আছে। যে সিদ্ধান্তগুলো নেয়া হচ্ছে সেগুলো নিয়ে বিশদভাবে পড়ে দেখার সুযোগ আমার হয়নি, তাই মন্তব্য করছি না। কিন্তু, এটা নিশ্চিত যে, সিদ্ধনাতগুলো ড্যাটা ড্রিভেন না। অ্যাট লিস্ট পত্রিকার খবর পড়েতো তাই মনে হচ্ছে।

Ny marina dia, na teraka tao amin'ny firenena na tany ivelany, tsy izany no olana. Raha tsy afaka manakana ireo tranonkala rehetra ianao, ireo izay mila mijery votoaty vetaveta notontosaina tany amin'ny [planeta] Marsa dia hahita izany. Tsy misy isalasalana fa olana ny vetaveta. Raha laharam-pahamehana izany ankehitriny – dia zavatra tsara dinihana. Noraisina ny fanapahan-kevitra, tsy mba nanana fahafahana namaky azy ireo tamin'ny antsipiriany aho, ka tsy afaka maneho hevitra. Na izany aza, azo antoka fa tsy nifototra amin'ny lahatahiry ireo fanapahan-kevitra ireo. Farafaharatsiny, toa avy amin'ny famakiana vaovao an-gazety izany.

Raha niandry ny tatitra avy amin'ny komity ny minisitera, niteraka fisafotofotoana sy nampizarazara ny olona tao Bangladesh ny fiteny diso nataon'ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra vao haingana. Novain'ny haino aman-jery ny filazan'ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra, Tarana Halim, nolazainy fa nilaza izy hoe namorona rafitra mety hampiharihary ireo mpanjifa votoaty vetaveta [10] ny manampahefana, rafitra heveriny fa hanakana ny olona tsy hiditra amin'ny tranonkala vetaveta, noho ny tahotra fa mety hiharihary [ho fanta-bahoaka] izy ireo.

Niteraka fisafotofotoana sy fanehoan-kevitra feno fahatezerana avy amin'ny olona ny vaovao. Tamin'ny 13 Desambra, namoaka fanambarana tao amin'ny Facebook, [11] ny minisitra fa diso tamin'ny zavatra nolazainy ny vaovao:

পর্ন সাইটের প্রবেশকারীদের নামের তালিকা করার কোন কথা কখনই বলিনি। এটি হবেও না। টেকনিক্যালিও সম্ভব নয়। মানুষের পরিচয় তথা ব্যক্তিগত তথ্যের সুরক্ষা দিতে আমরা বাধ্য ও বদ্ধপরিকর।

Tsy nilaza velivety aho fa ho havoaka ny lisitr'ireo mpitsidika tranonkala vetaveta. Ara-teknika, tsy mety atao izany. Andraikitray ny miaro ny vaovao sy fanondroana manokana ny olona.

Ny sary vetaveta sy ny lalàna ao Bangladesh

Tamin'ny taona 2012, nankatò lalàna miady amin'ny sary vetaveta  izay ahitana sazy an-tranomaizina hatramin'ny 10 taona sy onitra hatramin'ny dimy hetsy Taka nygovernemantan'i Bangladesh. Ny Lalàna Mifehy ny Sary Vetaveta dia mandràra ny “fitondrana, fanakalozana, fampiasana, fivarotana, fanaovana dokambarotra, fizarana, ftehirizana, fanaovana sarimihetsika” vetaveta ao Bangladesh.

[12]

Sarintany Manerantany misy ny Sata Ara-dalàna momba ny Votoaty Vetaveta. Sary tao amin'ny Wikipedia, azon'ny rehetra ampiasaina.

Firenena maro an'isa Miozolomana i Bangladesh, izay marobe ireo vahoaka [13]naneho ny ahiahiny  [13]momba ny fiparitahana sy ny fanjifana sary mamoafady antserasera. Saingy [misy] demaokrasia ihany koa izy.

Hita fa nifantoka tamin'ny fandraràna tranonkala vetaveta ny fanjakana mba “hiarovana ny tanora sy ny vehivavy manoloana ny sary mamoafady”. Saingy maro ao Bangladesh no mihevitra fa miezaka mametraka fenitra amin'ny fitondra-tenan'ny vahoaka ny fanjakana. Tsy misy ihany koa ny antoka fa hampihena ny fanjifàna sary vetaveta ao amin'ny firenena ny fandraràna ireo tranonkala vetaveta sasany. Araka ny filazan'ny mpaneho [14] hevitra iray [14], “mila mifantoka bebe kokoa amin'ny fanomezana fampianarana ny fananahana ho an'ny olom-pireneny ny governemanta fa tsy any amin'ny fihazana ireo tranonkala vetavetra.”