Nanatontosa fanentanana iadiana amin'ireo votoaty antserasera azo saziana ny governemanta Bangladeshy tamin'ny alalan'ny fanakatonana tranonkala mamoafady miisa 560, izay ampiantranoana ao an-toerana ny ankamaroany. Nomena ireo mpamatsy tolotra aterineto, mpamatsy vavahady antserasera sy tolotra finday ny lisitr'ireo tranonkala ireo, izay tsy mbola tsy nampahafantarina ny fampitam-baovao.
Tany am-piandohan'ity taona ity,nilaza ny fikasany hanakana tranonkala vetaveta ny manam-pahefana Bangladeshita, ka nahatonga ireo fanehoan-kevitra hifamahofaho. Araka ny nambaran'i Tarana Halim, Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra, miteraka fiantraikany ratsy ara-tsosialy eo amin'ny olom-pirenena rehetra, anisan'izany ny tanora, ny fahafaha-miditra mora foana amin'ny votoaty manafintohina sy vetaveta.
Araka ny filazan'ny Komity Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh, nitombo maherin'ny 62 tapitrisa (amin'ireo mponina eo ho eo amin'ny 160 tapitrisa ) ny isan'ny mpisera aterineto ao amin'ny firenena. Miditra aterineto amin'ny alalan'ny fitaovana finday ny dimy amby sivi-folo isan-jaton'ireo mpiserasera. Ary efa ho 30% ny tahirin'ny finday no voalaza fa ampiasaina hitsidihana tranonkala vetaveta. Nahita ny fanadihadiana vao haingana avy amin'ny Fikambanana Manusher Jonno, fikambanana tsy miankina fa efa ho 77 isan-jaton'ny mpianatra ao an-drenivohitra no mijery sary vetaveta amin'ny alalan'ny finday sy ny fitaovana hafa.
Tamin'ny Novambra 2016, nanangana komity misahana ny fanomezana tolo-kevitra hamerana ny fidirana amin'ny tranonkala vetaveta ny minisiteran'ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Hatramin'Izao, hita fa ny fanomezana soso-kevitra hanakana tranonkala tahaka izany no vahaolana voalohany arosony.
Nanolotra ny lisitr'ireo tranonkala vetaveta 560 nakatona vao haingana ny komity. Nitarika fanehoan-kevitra mifanipaka teo amin'ireo mpiserasera izany fanakatonana izany. Nanoratra tamin'ny lahatsoratra Facebook ilay bilaogera Arifur Rahman hoe:
…āϝā§āύāϤāĻž āύāĻŋāϝāĻŧā§ āĻāĻāĻĻāĻŋāĻā§ āϧāϰā§āĻŽā§āϝāĻŧ āĻā§ā§āϏāĻŋāϤ āĻĒāĻžāĻĒāĻŦā§āϧā§āϰ āĻāϰā§āĻāϰāĻŋāϤ āĻŽā§āϝāĻŧā§āĻāĻŋ āϝāĻāύ āĻļā§āĻŦā§āϤāĻžāĻā§āĻā§ āύāĻžāĻā§āϝāĻĒāĻāĻŋāϝāĻŧāϏā§āϰ āĻ āĻŦāĻžāϏā§āϤāĻŦ āĻĒāϰā§āύ⧠āĻĻā§āĻā§ āĻ āĻĻā§āĻā§āϤ āĻ āĻŦāĻžāϏā§āϤāĻŦ āĻāĻāĻā§āĻāĻž-āĻāϰā§āĻāϰāĻŋāϤ āĻŦāĻžāĻĻāĻžāĻŽā§ āĻāĻžāĻŽāĻĄāĻŧāĻžāϰ āĻā§āϞā§āĻāĻŋāϰ āϏāĻžāĻĨā§ āĻā§āĻŦāύ⧠āĻĒā§āϰāĻĨāĻŽāĻŦāĻžāϰā§āϰ āĻŽāϤ⧠āϝā§āύāϤāĻžāϰ āĻŽā§āĻā§āĻŽā§āĻāĻŋ, āϤāĻāύ āĻāύāĻžāĻĄāĻŧā§ āύāĻžāϰā§āϰ āĻāĻžāĻ āĻĨā§āĻā§ āϝ⧠āĻŦāĻŋāĻĒā§āϞ āĻāĻļāĻžāĻāĻā§āĻ āĻšāϝāĻŧ āĻā§āϞā§āĻāĻŋāϰ, āĻ āĻĨāĻŦāĻž āĻā§āϞā§āĻāĻŋāϰ āĻ āĻŦāĻžāϏā§āϤāĻŦ āĻĻāĻžāĻŦāĻŋāϤ⧠āĻāĻāĻĻāĻŋāĻā§ āĻŽā§āώāĻĄāĻŧā§ āĻĒāĻĄāĻŧāĻž āĻŽā§āϝāĻŧā§āĻāĻŋ āύāĻŋāĻā§āϰ āĻ āύāĻžāĻŦāĻŋāώā§āĻā§āϤ āϝā§āύāϤāĻžāĻā§ āĻāϰ⧠āĻŦā§āĻļāĻŋ āĻā§āύāĻž āĻāϰāϤ⧠āĻĨāĻžāĻā§āĨ¤
āĻĢāϞāĻžāĻĢāϞ āĻāĻžāϰ⧠āĻāύā§āϝāĻ āĻāĻžāϞ⧠āύāϝāĻŧāĨ¤ āϏā§āϏā§āĻĨ āϝā§āύāϤāĻž āĻĻāϰāĻāĻžāϰ, āĻāϰ āϏāĻžāĻĨā§ āϏā§āĻŦāĻžāϏā§āĻĨā§āϝā§āϰ āĻā§āϰā§āϤā§āĻŦāĻĒā§āϰā§āĻŖ āϝā§āĻ āϰāϝāĻŧā§āĻā§āĨ¤
Raha misy ankizivavy meloka ara-pivavahana sambany manao firaisana ara-nofo amin'ny ankizilahy mahalala ny ataony noho ny fijerena ireo fotsy hoditra kinga amin'ny fanaovan-javatra hafahafa sy tsy mifanaraka amin'ny zavamisy, miatrika fahadisoam-panantenana ilay ankizilahy ary simba amin'ny fangatahana tsy tena izy nataon'ilay ankizilahy ilay ankizivavy. Mankahala mandrakizay ny firaisana ara-nofo tsy mbola nizorany lalina ilay ankizivavy.
Tsy tsara ho an'ny rehetra ny vokany. Mila fananahana ara-pahasalamana isika, misy fifandraisana manan-danja amin'ny fahasalamana tsara izany.
B M Mainul Islam, Profesora Mpanampy ao amin'ny Ivom-pampianarana Teknolojiam-baovao, Oniversiten'i Dhaka nanoratra hoe:
āϏāϤā§āϝāĻŋ āĻāĻĨāĻžāĻāĻž āĻšāĻā§āĻā§, āĻĻā§āĻļā§ āύāĻž āĻŦāĻŋāĻĻā§āĻļā§ āĻā§āύāĻžāϰā§āĻ āĻšāĻā§āĻā§ āϏā§āĻāĻž āĻŦāĻĄāĻŧ āĻāĻĨāĻž āύāϝāĻŧāĨ¤ āϏāĻŦ āϝāĻĻāĻŋ āĻŦāύā§āϧ āĻāϰāĻž āύāĻž āϝāĻžāϝāĻŧ, āϤāĻžāĻšāϞ⧠āĻŽāĻā§āĻāϞ āĻā§āϰāĻšā§ āĻĒāϰā§āύ āĻā§āύāĻžāϰā§āĻ āĻšāϞā§āĻ āϏā§āĻāĻž āϝāĻžāϰ āĻā§āĻāĻā§ āύā§āϝāĻŧāĻžāϰ āϏ⧠āĻā§āĻāĻā§ āύā§āĻŦā§āĨ¤ āĻĒāϰā§āύ āĻāĻāĻāĻž āϏāĻŽāϏā§āϝāĻž āϏā§āĻāĻžāϤ⧠āϏāύā§āĻĻā§āĻš āύā§āĻāĨ¤ āĻāĻŋāύā§āϤā§, āϏā§āĻāĻžāĻ āĻāĻāύ āĻāĻŽāĻžāĻĻā§āϰ āĻĒā§āϰāĻžāϝāĻŧā§āϰāĻŋāĻāĻŋ āĻāĻŋāύāĻž āϏā§āĻāĻž āĻā§āĻŦā§ āĻĻā§āĻāĻžāϰ āĻŦāĻŋāώāϝāĻŧ āĻāĻā§āĨ¤ āϝ⧠āϏāĻŋāĻĻā§āϧāĻžāύā§āϤāĻā§āϞ⧠āύā§āϝāĻŧāĻž āĻšāĻā§āĻā§ āϏā§āĻā§āϞ⧠āύāĻŋāϝāĻŧā§ āĻŦāĻŋāĻļāĻĻāĻāĻžāĻŦā§ āĻĒāĻĄāĻŧā§ āĻĻā§āĻāĻžāϰ āϏā§āϝā§āĻ āĻāĻŽāĻžāϰ āĻšāϝāĻŧāύāĻŋ, āϤāĻžāĻ āĻŽāύā§āϤāĻŦā§āϝ āĻāϰāĻāĻŋ āύāĻžāĨ¤ āĻāĻŋāύā§āϤā§, āĻāĻāĻž āύāĻŋāĻļā§āĻāĻŋāϤ āϝā§, āϏāĻŋāĻĻā§āϧāύāĻžāϤāĻā§āϞ⧠āĻĄā§āϝāĻžāĻāĻž āĻĄā§āϰāĻŋāĻā§āύ āύāĻžāĨ¤ āĻ ā§āϝāĻžāĻ āϞāĻŋāϏā§āĻ āĻĒāϤā§āϰāĻŋāĻāĻžāϰ āĻāĻŦāϰ āĻĒāĻĄāĻŧā§āϤ⧠āϤāĻžāĻ āĻŽāύ⧠āĻšāĻā§āĻā§āĨ¤
Ny marina dia, na teraka tao amin'ny firenena na tany ivelany, tsy izany no olana. Raha tsy afaka manakana ireo tranonkala rehetra ianao, ireo izay mila mijery votoaty vetaveta notontosaina tany amin'ny [planeta] Marsa dia hahita izany. Tsy misy isalasalana fa olana ny vetaveta. Raha laharam-pahamehana izany ankehitriny – dia zavatra tsara dinihana. Noraisina ny fanapahan-kevitra, tsy mba nanana fahafahana namaky azy ireo tamin'ny antsipiriany aho, ka tsy afaka maneho hevitra. Na izany aza, azo antoka fa tsy nifototra amin'ny lahatahiry ireo fanapahan-kevitra ireo. Farafaharatsiny, toa avy amin'ny famakiana vaovao an-gazety izany.
Raha niandry ny tatitra avy amin'ny komity ny minisitera, niteraka fisafotofotoana sy nampizarazara ny olona tao Bangladesh ny fiteny diso nataon'ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra vao haingana. Novain'ny haino aman-jery ny filazan'ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra, Tarana Halim, nolazainy fa nilaza izy hoe namorona rafitra mety hampiharihary ireo mpanjifa votoaty vetaveta ny manampahefana, rafitra heveriny fa hanakana ny olona tsy hiditra amin'ny tranonkala vetaveta, noho ny tahotra fa mety hiharihary [ho fanta-bahoaka] izy ireo.
Niteraka fisafotofotoana sy fanehoan-kevitra feno fahatezerana avy amin'ny olona ny vaovao. Tamin'ny 13 Desambra, namoaka fanambarana tao amin'ny Facebook, ny minisitra fa diso tamin'ny zavatra nolazainy ny vaovao:
āĻĒāϰā§āύ āϏāĻžāĻāĻā§āϰ āĻĒā§āϰāĻŦā§āĻļāĻāĻžāϰā§āĻĻā§āϰ āύāĻžāĻŽā§āϰ āϤāĻžāϞāĻŋāĻāĻž āĻāϰāĻžāϰ āĻā§āύ āĻāĻĨāĻž āĻāĻāύāĻ āĻŦāϞāĻŋāύāĻŋāĨ¤ āĻāĻāĻŋ āĻšāĻŦā§āĻ āύāĻžāĨ¤ āĻā§āĻāύāĻŋāĻā§āϝāĻžāϞāĻŋāĻ āϏāĻŽā§āĻāĻŦ āύāϝāĻŧāĨ¤ āĻŽāĻžāύā§āώā§āϰ āĻĒāϰāĻŋāĻāϝāĻŧ āϤāĻĨāĻž āĻŦā§āϝāĻā§āϤāĻŋāĻāϤ āϤāĻĨā§āϝā§āϰ āϏā§āϰāĻā§āώāĻž āĻĻāĻŋāϤ⧠āĻāĻŽāϰāĻž āĻŦāĻžāϧā§āϝ āĻ āĻŦāĻĻā§āϧāĻĒāϰāĻŋāĻāϰāĨ¤
Tsy nilaza velivety aho fa ho havoaka ny lisitr'ireo mpitsidika tranonkala vetaveta. Ara-teknika, tsy mety atao izany. Andraikitray ny miaro ny vaovao sy fanondroana manokana ny olona.
Ny sary vetaveta sy ny lalà na ao Bangladesh
Tamin'ny taona 2012, nankatÃ˛ lalà na miady amin'ny sary vetaveta  izay ahitana sazy an-tranomaizina hatramin'ny 10 taona sy onitra hatramin'ny dimy hetsy Taka nygovernemantan'i Bangladesh. Ny Lalà na Mifehy ny Sary Vetaveta dia mandrà ra ny “fitondrana, fanakalozana, fampiasana, fivarotana, fanaovana dokambarotra, fizarana, ftehirizana, fanaovana sarimihetsika” vetaveta ao Bangladesh.

Sarintany Manerantany misy ny Sata Ara-dalà na momba ny Votoaty Vetaveta. Sary tao amin'ny Wikipedia, azon'ny rehetra ampiasaina.
Firenena maro an'isa Miozolomana i Bangladesh, izay marobe ireo vahoaka naneho ny ahiahiny momba ny fiparitahana sy ny fanjifana sary mamoafady antserasera. Saingy [misy] demaokrasia ihany koa izy.
Hita fa nifantoka tamin'ny fandrarà na tranonkala vetaveta ny fanjakana mba “hiarovana ny tanora sy ny vehivavy manoloana ny sary mamoafady”. Saingy maro ao Bangladesh no mihevitra fa miezaka mametraka fenitra amin'ny fitondra-tenan'ny vahoaka ny fanjakana. Tsy misy ihany koa ny antoka fa hampihena ny fanjifà na sary vetaveta ao amin'ny firenena ny fandrarà na ireo tranonkala vetaveta sasany. Araka ny filazan'ny mpaneho hevitra iray, “mila mifantoka bebe kokoa amin'ny fanomezana fampianarana ny fananahana ho an'ny olom-pireneny ny governemanta fa tsy any amin'ny fihazana ireo tranonkala vetavetra.”