Nahazo ny Fankatoavan'ny Firenena Mikambana Ny Fivavahana Amin'ny Renin'Andriamanibavy Vietnamiana

Practitioner Kim Chi performs a lên đồng ritual for her temple delegation on a boat at the Điện Hòn Chén festival. Loa / Jenny Lý

Mpivavaka, Kim Chi manatontosa ny fomba lên đồng ho an'ny delegasionan'ny tempoliny ao anaty sambo nandritra ny fetibe Điện Hòn Chénl. Loa / Jenny Lý

Ity lahatsoratr’i Jenny Lý ity dia avy amin'ny Loa, tranonkalam-baovao tsy miankina sy fandraketam-peo mandefa ireo tantara momba an'i Vietnam. Navoakan'ny Global Voices indray izany noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nahazo fankatoavana avy amin'ny UNESCO ho “vakoky ny zanak'olombelona tsy voatsapan-tanana” ny fivavahana amin'ny Renin'Andriamanibavy ao Vietnam.

Nataon'ny Komity Iraisampanjakana ao amin'ny Firenena Mikambana ny fanambarana ofisialy nandritra ny Fifanarahana faha-11 ho Fiarovana ny Vakoka tsy voatsapan-tanana tany Addis-Abeba, Etiopia, nanomboka ny 28 Novambra ka hatramin'ny 2 Desambra 2016.

Niteraka fankalazana tao Vietnam ny vaovao, indrindra teo amin'ireo fiarahamonina mivavaka amin'ny razana sy ny manam-pahaizana efa nandany taona maro tamin'ny fitadiavana ny fankatoavan'ny UNESCO. Efa nametraka dosie i Viet Nam tany am-boalohany tamin'ny taona 2015 momba ny “fomba mifandraika amin'ny finoan'ny Viet ny Renin'Andriamanibavin'ny Tontolom-Panjakana Telo”, saingy nahemotra ho hatramin'ity taona ity ny fankatoavana.

Ny fivavahana amin'ny Renin'Andriamanibavy ao Vietnam dia mampiseho ny vakoka Vietnamiana sy ny filàna ara-panahin'ny olona ho fanomezam-boninahitra ny razamben'izy ireo hiarovana fiainana zina. Maneho fitiavana amam-pinoana ny maha-renim-pianakaviana, izay  taratry ny rafitra entim-behivavy ny tao Vietnam ity fomba amam-panao ity.

Nilaza ny UNESCO fa ” manome fototra amin'ny fifandraisana ara-tsosialin'ireo mpikambana mandray anjara ao amin'ny vondrom-piarahamonina” ilay finoana. Ny fivavahana amin'ny Renin'Andriamanibavy ihany koa dia manampy amin'ny “fankasitrahana ny vehivavy sy ny andraikiny eo anivon'ny fiarahamonina”.

Temple delegation worship at a temple in Huế during the Điện Hòn Chén festival in August 2016. Loa / Jenny Lý

Fanompoam-pivavahan'ny delegasionan'ny tempoly ao Huế nandritra ny fetibe Điện Hòn Chén tamin'ny Aogositra 2016. Loa / Jenny Ly

Ny Renin'Andriamanibavin'ny Fanjakana telo dia misolo tena ireo andriamanitra avy any an-danitra, avy amin'ny rano, ny tendrombohitra sy ny ala, ary nampifandraisina amin'ny olo-malaza tena izy sy ireo nolazain'ny angano.

Iray amin'ireo fanao lehibe amin'ny fivavahana amin'ny Renin'Andriamanibavy ny fomba ara-pivavahana lên đồng, fomba idiran'ny mpanatontosa ny fomba ao amin'ny tromba ka iantsorohany ny fomban'andriamanitra iray ao anaty fitafiana sy andihizany ho fanomezam-boninahitra ny Renin'Andriamanibavy. Tontosaina isan'andro amin'ny lanonana eny ifotony izany fomba amam-panao izany, sy mandritra ny fetibe goavana sy ny fanaovana fivahiniana masina mandritra ny taona.

Manana vakoka tsy voakasi-tanana 10 hafa ankatoavin'ny UNESCO ihany koa i Vietnam, anisan'izany ny fombam-pivavahana Tugging (2015), ny fivavahana amin'ny mpanjaka Hùng ao Phú Thọ (2012) ary ny hiram-bahoaka Quan Họ Bắc Ninh (2009).

Fantaro bebe kokoa ny momba ny fivavahana amin'ny Renin'Andriamanibavy amin'ny fihainoana ity raki-peo eto ambany ity

https://soundcloud.com/loa_fm/hue-spirits

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.