- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoeliana Mpanohitra Manana Ny Teny Ambarany Momba Ny Lova Navelan'i Fidel Castro Any Kiobà

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Venezoela, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
fidel [1]

Sariitatra avy amin'nilay Venezoeliana  mpanakanto Edo Sanabria. Nalaina tao amin'ny pejy Facebook-ny, ary nahazoana alalana.

Nandritra ny vanim-potoana nisian'ny aingam-panahy ho fanomezam-boninahitra ani'i Castro, adihevitra, veloma farany ary na ny fety fankalazana izay mbola nihamafy tany Amerika aza, manana ny ambarany koa ny Venezoeliana momba ny lova navelan'ilay maodely kaominista kiobàna

Ho an'ny Venezoeliana, nitatra lavitra be i Fidel Castro sy Kiobà. Ho an'ny sasany, i Castro dia aingam-panahy ho an'ny revolisiona Venezoeliana sy ny zotra sosialista nodiaviny tamin'ny taonjato faha-21, ary maherifo manokan'ny Filoha efa nodimandry Hugo Chavezo. Fa ho an'ny mpanohitra ny dingana ara-politika napetrak'i Chavez, na ny fotokevitra na ny solontenany dia samy poizina, tomponandraikitry ny tafiotra ara-toekarena sy ara-politika izay nampihovitrovitra an'i Venezoela tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Avy hatrany ny Filoha Nicolas Maduro dia niantso andro telo ho fisaonam-pirenena taorian'ny nahafatesan'i Castro tamin'ny 25 Novambra, hetsika izay nokianin'ny mpanohitra. Taorian'ny nahafatesan'i Chavez tamin'ny 2013 ary ankehitriny Castro, niseho tampoka ho toy ny fotokevitra miorim-paka amin'ny lasa sy tpa-doha tsy misy mpitarika, anatin'ny iray amin'ny krizy ara-toekarena ratsy indrindra tao amin'ny tantaran'ny repoblika ny Chavismo.

Ho an'ny mpanoratra toa an'i Rafael Rojas [2], tena marik'ity lasitry ny tsy fahombiazana ara-toekarena ity i Fidel:

Hasta ahora, en Cuba, la política económica y las relaciones internacionales se han subordinado a la reproducción de un régimen totalitario. En los últimos años, la propia dirigencia de la isla tuvo que reconocer que el saldo fue desfavorable para la economía, ya que hereda un país improductivo y dependiente, tecnológicamente atrasado, donde crecen la desigualdad y la pobreza. 

Hatreto, any Kiobà, ny politika ara-toekarena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena  dia niankina tamin'ny fanaovana dika mitovy ny fitondrana iray tsy refesi-mandidy. Tanatin'ireo taona lasa, ny governemantan'ny nosy mihintsy no niaiky ny lanjan'ny [sosialisma] amin'ny toekarena, hatramin'ny nandovàn'izy ireo firenena izay tsy mamokatra sady miankin-doha, taraiky ara-teknolojia, izay mitombo ao ny tsy fitoviana sy ny fahantrana.

Ho an'ireo mpanoratra amin'ny aterineto toa an'i Aglaia Berlutti [3], hita ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny lova navelan'i Castro. Noraisiny ny raharahan'ny gadra politika  teo aloha  Araminta Gonzalez [4] , izay vao haingana no navotsotra, nefa niaritra karazana fampijaliana isan-karazany [5] nandritra ny fotoana nitazonana azy. Ampitahain'i Berlutti amin'ny tetikady manokan'i Castro hifehy ireo mpanohitra ny raharahan'i Gonzales:

Cuando Fidel Castro conoció a Hugo Chávez, le prometió que le «enseñaría» cómo llegar «a la utopía». […] Según Luis Miquilena, Chávez aprendió bien pronto que había que imponer «mano dura» a la oposición. Lo hizo bien aconsejado por Fidel, que ya entonces aprovechaba la generosidad vulgar y vanidosa de un líder que escuchó todos sus halagos y los transformó en adoración y una peligrosa idolatría. Chávez era una pieza de barro de forma, a punto de entrar a la historia como parte de un proyecto desdibujado y confuso. Fidel supo aprovechar el momento.

Fony Castro nihaona tamin'i Hugo Chavez, nanome toky izy fa “hampianatra azy” ny fomba hahatongavana amin'ny “Nofinofy”. Araka an'i Luis Miquilena [mpanolotsaina politika ny filoha efa nodimandry], efa hatrany am-boalohany no nianaran'i Chavez ny hitondra ny mpanohitra amin'ny “tànana mavesatra”. Nataony izany fony izy tsara torohevitra tamin'i Fidel izay efa nanomboka nanararaotra ny fahalalahan-tanana mirefarefan'ilay mpitarika izay mihaino ny fiderany rehetra ary [mamerina ireny] amin-kafanàm-po lehibe, ary fanompoana mampidi-doza. Sombina tanimanga malemy i Chavez, vonona ny hiditra amin'ny tantara toy ny tetikasa manjavozavo sy tsy mazava. Hain'i Fidel ny fomba nanararaotana ny fotoana.

Hoy izy mamarana:

¿Qué aprendió Chávez de Fidel? El odio. La violencia contra la disidencia. Y sobre todo, la noción que el control necesita balas, terror y sangre. Esa es la «gran herencia histórica» de un monstruo ideológico que impuso a fuego y balas un sistema político fallido en Cuba y después, manipuló a un líder carismático y vanidoso como Hugo Chávez para obtener beneficio de un país rico e ignorante como el nuestro.

Inona ny nianaran'i Chavez tamin'i Fidel? Fankahalana. Herisetra amin'ny mpanohitra. Ary ambonin'izany rehetra izany, ity hevitra hoe mba hahafahana mifehy anao dia mila bala, tahotra ary rà latsaka. Izany no “lova ara-tantara lehibe” avy aminà firehan-kevitra bibibe izay mametraka rafitra politika tsy mahomby miaraka tamin'ny afo sy bala ary aorian'izany, nanambaka mpitarika mahavariana sady tsy mahomby toa an'i Hugo Chavez mba hahazoana tombontsoa avy amin'ny firenena manankarena sady dondrona toy ny antsika.

Manadihady ny vidin'ny fifandraisana [6] misy amin'ny firenena roa tonta sy ny fomba tsy maintsy handoavan'izy ireo ny vidiny lafo manaraka ny tanjona politika iraisana i Marcos Rojas:

Aunque a lo largo de la segunda mitad del XX más de un grupo se apoyó en el mito fidelista para lograr sus propios objetivos políticos, el caso de Venezuela es el más importante. Las consecuencias de copiar un fenómeno sui géneris como la Cuba post 1959 las podemos percibir hoy más que nunca en una país rico, que está en ruinas, dividido y aislado. No obstante, el costo de esa relación para los cubanos también fue alto; médicos, educadores y recursos que bien se hubieran podido utilizar en Cuba, se cambiaron por petróleo, y ese costo ahora es mayor ya que la capacidad política y organizativa de Maduro es dependiente de La Habana. Venezuela le dio aire a un régimen que no tenía mucho más capital que su historia y así ganó preciosos años para poder organizar el tránsito hacia el capitalismo de Estado que hoy se va consolidando.

 Ny raharahan'i Venezoela no manan-danja indrindra, na dia nandritry ny tapany faharoa tamin'ny taonato faha-20 aza, mihoatra ny vondrona iray no nampiasa ny anganon'i Fidel mba hanohanana ny tanjona politikan'izy ireo manokana. Ny vokatry ny fandikàna ny toe-javatra tahaka ny Sui Generis toy ny an'i Kiobà taorian'ny 1959 dia hita ankehitriny ho mihoatra ny hatramizay ao anatinà firenena iray manankarena anaty faharavàna, mizarazara ary mitoka-monina. Na izany aza, ny vola lany amin'izany fifandraisana izany dia lafo ho an'i Kiobà: mpitsabo, mpanabe ary loharanon-karena izay tokony ho afaka nampiasaina tao Kiobà dia natakalo solika ary amin'izao fotoana izao, izany vola lany izany dia lafo kokoa ankehitriny noho ny politikan'ny [Filoha ankehitriny Nicolás] Maduro sy ny fahaizany mandamina  miankin-doha amin'i La Havane. Nanome endrika fitondrana toa tsy tena manandanja noho ny tantarany i Venezoelà, ary vokatr'izany, namela azy hahazo taona sarobidy mba ho afaka hikarakara tetezamita hametrahana rafitra kapitalisma izay nohamafisina ankehitriny.

Etsy ankilany, Luis Figuera [7] manipika ny fomba izay, ankoatry ny tsikera, mbola fototry ny fisaina politika sy lahateny izay mety afaka ampiharina mandeha lavitry ny firenena sosialista ny lova napetrak'i Castro :

No es exagerado afirmar que el pensamiento revolucionario de las dos últimas generaciones en América, lo tiene como una referencia obligada, no sólo por la verticalidad y la dignidad de sus actos, sino por su flexibilidad para moverse en el escenario de las grandes decisiones mundiales. ¿Cuántos dirigentes derechistas admiran en secreto al comandante Fidel?, ¿Cuántos revolucionarios lo citan a diario en sus discursos?

Angamba tsy fanitàrana ny filazana hoe ny eritreritra revolisionera tao amin'ny andian-taranaka roa farany tany Amerika dia naka azy ho maodely tsy azo ialàna, tsy noho ny fahitsiany sy ny fahamendrehan'ny asany ihany, fa koa noho ny fahaizany mitety sehatra andraisana fanapahan-kevitra goavana eto amin'izao tontolo izao. Firy amin'ny mpitarika ny elatra havanana no mankafy ny Comandante Fidel ao amin'ny mangingina? Firy ireo revolisionera nanonona azy isan'andro anaty kabariny?

Mety afaka fintinina tsara ireo hevitra ireo ao amin'ny asan'ilay Venezoeliana mpanao sariitatra, Weill,  tamin'ny andro nahafatesan'i Castro:

28 Novambra 2016 #cuba [8]#cubalibre [9]#amargodeangostura [10] .@NDtitulares [11]https://t.co/wgr3TXfZwn [12]pic.twitter.com/7LkznZJctL [13]

[Ao amin'ny sary: Coke and rum (coke sy raoma) miteny hoe “Fahafatesan'i Fidel!”,  Angostura mangidy: “Nefa nahavita ny làlany izy”]