Nanazava ny Lanitr'i Japan tamin'ny Alina ny Fandefasana Zanabolana Iray

Japanese rocket launch

Balafomanga Epsilon 2 an'i JAXA, nialoha kely monja ny fandefasana azy tamin'ny 20 Desambra 2016. Dikasary avy amin'ny Fantsona YouTube odisialin'ny JAXA.

Noho ny fotoana amin'ny alina sy ny hatsaran'ny toetrandro, nahazoana sary maro tsara dia tsara nifampizarana tao amin'ny media sosialy ny fandefasan'ny Sampandraharahan'ny Famakivakiana Habakabaka ao Japan (JAXA) zanabolana tamin'ny 20 Desambra lasa teo.

Nahomby ny fandefasan'i JAXA ny balafomanga Epsilon mivaingan'akoran'afo avy amin'ny Foiben'Habakabak'i Uchinoura tao atsimo andrefan'i Japan miaraka amin'ny fahafahana mandefa zanabolana izay hanadihady ireo faritra tratran'ny fanelarana [fr:radiation] eto an-tany. Ao anatin'ny programan'ny balafomanga Epsilon an'ny JAXA ihany koa ny fikasana hanafaingana sy hampihena ny fandaniana amin'ny fandefasana zanabolana mankany an'habakabaka.

Balafomanga Epsilon 2:

LASA ny fandefasana!!
LASA ihany koa ny sary!!

Arahabaina ny rehetra! (^‿^) #epsilon #balafomanga #foiben'habakabaka uchiura

“Famirapiratana mahafinaritra eny amin'ny habakabaka mivolon'alina.” namoaka ny sary avy eny an'habakabaka sy avy eto an-tany amin'ny fahombiazan'ny fandefasana ny Epsilon 2 ny Asahi Shimbun Digital. Rehefa tsy takamaso tamin'ny alina ilay balafomanga, dia nahafinaritra ny volomboron'ilay balafomanga sy ireo kintana eny amin'ny lanitra amin'ny alina.

Azon'ny mpitazana rehetra avy ao Kyushu atsimo, nosy iray lehibe ao andrefan'i Japan, ihany koa ny fandefasana. Ny sasany aza naka ny toerana voalohany tao Kimotsuki, ilay tanàna kely misy ireo fotodrafitrasam-pandefasana balafomangan'ny JAXA.

“Tena mahavalalanina.” Tokotokony ho telo taona sy telo volana taorian'ny fandefasana nahomby ny Epsilon voalohany izany. Tamin'ity indray mitoraka ity, mpisitraka ny balafomanga mihoatra ny arivo no nivory hijery ny fandefasana ny Epsilon 2.

Talaky mason'ny seranan'ny mpanjono ao Uchinoura [tokony ho roa kilaometatra] avy eo amin'ny toeram-pandefasana ny Epsilon 2.

Na izany aza, azo nojerena tao an-tanànan'i Kagoshima, tokony ho 50 kilaometatra avaratra atsinanan'ny toerana ilay fandefasana

Lavidavitry ny fandefasana ihany no misy anay, tpt.

Ny fiezahako tamin'ny sarin'ny fandefasana ny Epsilon…

Tsy nanam-potoana betsaka aho rehefa avy niasa hitady toerana hakana ny sarin'ny fandefasana, ka io izany no hany azoko nopihana, tpt.

Mbola maro ny sary sy lahatsarin'ny fandefasana azo jerena amin'ny famakivakiana ny tenirohy #イプシロン (Epsilon), #ロケット (balafomanga) ary #内之浦 (Uchinoura).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.