Mora Ny Hetra Any Etazonia, Lasa ‘Nandositra’ Any i Cao Dewang, ilay Mpanjakan'ny Fanaovana Fitaratra ao Shina

Cao Dewang from Chinese state-owned Central Television's Weibo.

Cao Dewang, sary avy amin'ny Weibo-n'ny Fahitalavi-panjakana Shinoa.

Vao haingana, i Cao Dewang, ilay mpanefoefo amin'ny fanamboarana fitaratra no nanapa-kevitra ny hampiasa vola maherin'ny iray lavitrisa dolara Amerikana ary hanokatra orinasa iray any amin'ny tanàna manodidina an'i Dayton any Ohio. Iray amin'ireo Shinoa maro mpandraharaha izay nisafidy ny hampiasa vola any Etazonia izy satria mahafapo ny fehezan-dalàna momba ny hetra any amin'io firenena io no sady mora ny vidin'ny tany

Satria miadana ny fandroson'ny toekarena any Shina, dia toy ny marika fanairana no fahitàna ilay hetsika, sady efa miparitaka be any amin'ireo sehatra haino aman-jery sosialy goavana shinoa ilay fitarainany momba ny havesatry ny hetra aloan'ny orinasam-panamboarana. Lasa lohahevitra mafana mihitsy ilay fehezanteny hoe ” nandositra i Cao Dewang”, ako mampita ny olan'ny sangan'ny toekarena any Shina momba ny fitotongan'ny orinasa.

Nambaran'i Cao Dewang tamin'ny Tambajotran'ny Fandraharahana any Shina tao amina tafatafa iray fa ” mihoatra 35% amin'ny tataon-ketra any Etazonia ny an'i Shina” tamin'ny fanazavany ny fanapahankeviny hampiasa vola 600 tapitrisa yuan any Etazonia, isan'izany ny fandraisany ny orinasa iray an'i General Motors taloha. Nambara taorian'ny fandrahonan'ny Filoha voafidy Donald Trump hampakatra ambony be ho 45 isan-jato ny saran'ny fanafarana entana avy any Shina mba hiarovana ny asa amerikana ilay fampiasambolan'ny vondrona Cao Fuyao.

Taona vitsivitsy lasa izay, nasian'ny governemanta Shinoa fanavaozana ny fehezandalàna momba ny hetra, hetsika natao ho fampidinana ny hetra mitambesatra amin'ny fandraharahana izany. Saingy amin'i Cao dia mbola ambony foana ny tahan'ny hetra ka mahatonga ny tombony ho “tena manify” amin'ny fanamboaran-javatra.

Notanisain'i Cao Shanshi, mpaneho hevitra  ao amin'ny habaka haino aman-jery sosialy malaza Weibo tao amin'ny fanavaozana ny satany  ny teboka mafonjan'ilay mpanjakan'ny fanaovana fitaratra :

曹德旺今晚连线媒体,说了很有价值的几点:1、中国制造业的综合税负比美国高35%;2、问题主要就出在增值税上;3、中国劳动力不比俄罗斯、波兰、中欧成本低;4、房地产过热使得中国制造业丧失劳动力优势;5、说这些是为了提醒政府,也提醒企业家,提醒大家危机感,告诉大家要小心。

Omen'i Cao Dewang ireo teboka misongadina :  1. Mihoatra 35% amin'ny any Etazonia ny hetra faobe alaina amin'ny orinasa any Shina ; 2. Avy amin'ny hetra alaina amin'ny tombony azon'ny orinasa no tena fototry ny olana ;  3. tsy mora intsony tahaka ny any Rosia, Polonina ary Eoropa afovoany ny karaman'ny mpiasa madinika any Shina ;  4. ny firongatry ny tsenan'ny trano no antony nahatonga ireo orinasa Shinoa mpanamboatra zavatra ho very vola amin'ny karaman'n hery mpamokatra ;  5. Te-hampahatsiahy ny governemanta sy ny mpandraharaha ny amin'ny loza mety hiseho no sady hampitandrina azy ireo izy.

Nankasitrahan'i Liu Shengjun, mpahay toekarena sady mpiaro ny fanavaozana lalina ny ara-ketra ihany koa ny fomba fijerin'i Cao Dewang :

【玻璃大王曹德旺:中国制造业综合税务比美国高35%】美国没有增值税,只有40%所得税;美国土地基本不要钱;能源方面,美国电价是中国一半,天然气只有中国的1/5;劳动力成本方面,美国蓝领是中国8倍,白领是中国的2倍多。算起来,在美国生产玻璃会多赚百分之十几

Ny mpanjakan'ny fanaovana fitaratra Cao Dewang : Mihoatra 35% amin'ny any Etazonia ny hetra faobe alaina amin'ny orinasa any Shina. 40% fotsiny no hetra alaina amin'ny karama any Amerika, tsy misy ny hetra alaina amin'ny tombony azon'ny orinasa ; Raha tsorina, tsy mila mandoa hetra ny tany any Amerika ; ary raha mikasika ny angovo, dia antsasaky ny vidin'ny herinaratra any Shina ny any Etazonia, ary ny entona voajanahary dia ampahadimin'ny vidin'ny any Shina ;  ny momba ny vola lany amin'ny hery mamokatra, avo valo heny amin'ny karaman'ny vozona manga any Shina ny an'i Etazonia, ary ny vozona fotsy dia avo roa heny amin'ny any Shina. Raha atambatra, dia mety ahazoana 10% mahery ny fanamboarana fitaratra any Amerika.

Hatramin'ny nandraisan'io fitantanana amin'izao fotoana izao io ny fitondrana tamin'ny 2012, dia nanao fanavaozana ara-ketra amin'ny tombony azon'ny orinasa ny governemanta mba hampihenana ny hetra any amin'ny orinasa tsy miankina, sady nampanantena fa hanalefaka ny fitsipika mifehy ny fandraharahana. Na izany aza, mpandraharaha maro no mitaraina fa tsy midina akory ny hetra ;  mandritra izany fotoana izany, haingam-pitombo kokoa noho ny an'ny harinkarena anatiny (GDP) ny vola miditra amin'ny alàlan'ny hetra ao amin'ny firenena.

Zong Qinghou, vao haingana ihany koa ny mpanjakan'ny fanamboarana zava-pisotro sady iray amin'ireo mpanankarena mpanefoefo any Shina no nitaraina ny amin'ny fidangan'ny hetra sy ny sandan'ny tena orinasa ara-toekarena, na ireo izay mamokatra fananana sy asa, nandritra ny seminera ara-toekarena nokarakarain'ny vavahadin-tserasera amin'ny aterineto Netease. Nofintinin'i Liu Shengjun tao amin'ny Weibo ny fomba fijerin'i Zong :

宗庆后:当前做实体经济税费比较高、利润率很低,导致一些企业生存不下去,很多人不愿意干实体经济。今年的费的部分跟去年的费相比没有任何下降。而且有的费还增加了,特别是环保费增加太多。现在工业用地也需要几十万、上百万一亩,这么大的投资成本谁敢去投?而且水电气都是国有的垄断企业,用水电气、建设工厂都需要高额的费用,审批的不少环节还需要花不少钱;请第三方评估出报告,环评、能评、清洁生产等等一系列审批都要费用。面对如此高的投资成本,如果企业对盈利又没把握,谁还敢贸然投资。

Midangana be ny hetra sy ny sandan'ny tena orinasa ara-toekarena nefa kely ny tombony ka tsy ahafahan'ny orinasa sasany mivelona, sady betsaka ireo mpandraharaha no tsy te-hitojo intsony amin'ny toekarena marina. Tsy mbola nidina mihitsy ny fandaniana tamin'ity taona ity ; fa mifanohitra amin'izay, miakatra ny fandaniana sasany, indrindra ny fandaniana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, izay tena niakatra be mihitsy. Iray hetsy yuan na mihoatra ny 1 tapitrisa yuan mihitsy aza ny vidin'ny tany iray “mu” ( tokotokony ho 667 metatra tora-droa). Iza no sahy hampiasa vola amin'izany vidiny ambony be izany ? Tsy misy afa-tsy ny orinasam-panjakana no mitantana ny rano rehetra, ny herinaratra ary ny entona voajanahary. Mandany be ny fampiasana azy ireny sy ny fananganana orinasa vaovao. Kanefa, mila mandoa ny saran'ny fankatoavana  ara-panjakana samy hafa ianao. Kanefa, tsy maintsy aloanao ny ampahatelon'ny tombana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahaizana manokana amina resaka angovo sy ny famokarana madio. Iza no sahy hampiasa vola raha toa ka midangana be ny vola miasa nefa tsy azo antoka ny ho tombony ?

Haingana be ny haino aman-jery fehezin'ny fanjakana Shinoa namaly izany mba hampitoniana ny firongatry ny hatezeram-bahoaka momba ny habetsaky ny vesatra apetraky ny governemanta amin'ny orinasa. Ny Global Times, gazety kely fehezin'ny antoko Kaominista, dia nanaparitaka lahatsoratra milaza fa tafahoatra loatra ny fametahana ny marika “mahafaty” ho an'ny tahan'ny hetra. Nohamafisin'ny @BlueWhale, vovonan'ny mpanao gazety ara-toekarena ny hevitry ny Global Times :

1、与发达国家比,中国的宏观税负不算高,单就制造业和美国比,中国企业承担的税负的确高些。

2、这些年来,中国企业需要缴纳的税收不但没增加,反而在不断降低。

3、在某种程度上,减税的幅度比不上一些企业盈利下降的幅度,因而显得税负重了。

4、“高税负逼走制造企业”,是对中企对外投资的错误解读。国内产能过剩,往外走是自然的。

5、中央经济工作会议已明确定调,未来还会进一步降低税费。

6、体制与机制的不顺畅,才是造成企业成本居高不下的重要原因。

1. Raha ampitahaina amin'ny firenena mandroso dia tsy mavesatra loatra ny hetra any Shina amin'ny ambongadiny, saingy tena ambony be noho ny any Etazonia ny hetra takiana amin'ny orinasa ao Shina.
2. Mihena tsikelikely ny hetra takiana amin'ny orinasam-barotra taona vitsy lasa izay.
3. Raha lazaina amin'ny heviny hafa, dia tsy mifanaraka amin'ny fihenan'ny hetra ny fidinan'ny tombony, noho izany mahatsapa ireo orinasa sasany fa lasa mavesatra ny hetra.
4. « Ny havesatry ny hetra dia manery ireo mpandraharaha handositra» dia fanovàn-dresaka ataon'ireo orinasa shinoa any ivelany. Ny fahamaroana be loatra ao an-toerana no mitarika ho azy ny fandaozana ny firenena mba hivelarana.
5. Nanapa-kevitra ny hampihena bebe kokoa ny hetra takiana amin'ireo orinasa ny fivorian'ny foibe ara-toekarena.
6. Ny fifandonana eo amin'ny rafitra sy ny fomba fiasa no niteraka fidangànan'ny vola lany ho an'ny orinasa.

Ho an'ireo liberaly mpahay toekarena toa an'i Xu Chenggang, anefa, dia mihoatra lavitra noho ny tahan'ny hetra ny olana ara-toekarena any Shina. Nangatahany ny tena fanavaozana marina hiatrehana ireo olana maika ara-toekarena any Shina tao amin'ny resadresaka iray tamin'ny Caijing, haino aman-jery mpanome vaovao ara-toekarena malaza any Shina. Nofintinin'ny mpisera amin'ny Weibo amin'ny teny fohy ny fomba fijerin'i Xu :

【许成钢:以“真改革”释放经济活力】改革的设计不能绕过制度改革,否则所有措施都是权宜之计,没有办法真正解决问题。产能过剩的大部分是国企,不会破产,如果不触碰制度问题,在这种条件下采取改变管理方式等没太大用处,强迫这个厂子限产,强迫那个厂子转产等等,都不是改革。

Tsy afa-miala amin'ny fandrafetana ny endriky ny fanavaozana ny rafitra, raha tsy izany dia tsy hahasoa avokoa ny fepetra rehetra, tsy afaka hamaha ny tena olana. Ireo orinasam-panjakana amin'ny ankapobeny no nahatonga ny fahamaroana be loatra, nefa tsy mety ho bankiropitra. Raha tsy tsaboina ny olana fototra dia mety tsy hisy vokany ny fanovàna fotsiny ny fepetram-pitantànana. Tsy azo atao hoe fanovàna ny fanerena ireo orinasa hametra ny fahafahany na hanova ny vokatra vokariny.

Ho an'i Xu sy ireo hafa, ny fanavaozana marina dia ny fisintahan'ny fanjakana amin'ny orinasam-panjakana mba hanavaozana ny fifaninanana eo amin'ny tsena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.