- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Endrika Ivelany Fotsiny Ihany: Ny Herinadro Lasa Teto Amin'ny Rakipeon'ny Global Voices

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Latina, Karaiba, Iràna, Katara, Paragoay, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Global Voices Podcast

(Lahatsoratra nivoaka ny 23 Desambra 2016)
Nijery ireo tantara sasany nivoaka vao haingana teto amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices ny rakipeon'ny “Ny Herinadro Lasa” . Mampiditra anareo amin'ireo olona, toerana ary hetsika avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao nefa tsy mba mahazo ny fandrakofana sahaza azy avy amin'ireo mpampahalala vaovao mahazatra izahay.

Tamin'ity herinandro ity, tantara avy any Paragoay,Iràna, Katàra ary Karaiba no norenesintsika, angano, tantara izay manao fanamby amin'ireo fomba fijery mahazatra andavanandro.

Isaorana manokana ilay Trinidadiana mpilalao an-tsehatra, Michael Cherrie, ireo mpianatra mozika ao amin'ny Anjerimanontolon'i Trinidad sy Tobago, Janelle Xavier sy ireo mpianatra mbola amperiny Tenisha Richards-Weekes ary Karian Forde tamin'ny fandrindràna sy fanomezana feo ny ampahany #LifeInLeggings (fiainana anaty leggings). Feno fisaorana ihany koa izahay ho an'ny mpiaramiasa amin'ny Global Voices, Andrea Arzaba, [1] tamin'ny fanampiany anay niaraka tamin'ny mozika.

Ary mazava ho azy, fisaorana mitafotafo ho an'ny toniandahatsoratry ny Global Voices ao Iràna, Mahsa Alimardani [2], ny toniandahatsoratry ny Global Voices ao Karaiba, Janine Mendes Franco [3], ary ireo rehetra mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary toniandahatsoratra izay nanampy nahatontosana ity fizaràna ity.

Anatin'ity fizaràna ity, nasongadinay ny mozika nampiasàna ny lisansa Creative Commons nalaina tao amin'ny Raikitra Mozika Malalaka “Free Music Archive”, ahitàna ny Please Listen Carefully an'i Jahzaar [4]; Co-Creators (feonkira)  an'i Nick Jaina [5]; Westside Chillers an'i Little Glass Men [6]Bind thy wings an'i krackatoa [7]; Tiptoe (feonkira) an'i  YEYEY [8]; ary The Bears just for show an'i krackatoa [9].

Sary nasongadina: avy amin'ny Flickr an'i Wendy, CC BY-NC 2.0 [10].