- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Firenena Ho An'ny Vehivavy Ve Nepal?

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Young nepalese woman sunken in thoughts at Durbar Square, Bhaktapur, Nepal. Image form Flickr by Elmar Bajora. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Vehivavy Nepaley lasa saina eo an-Kianjan'i Durbar, Bhaktapur, Nepal. Sary: Flickr avy amin'i Elmar Bajora. CC BY-NC-ND 2.0

Tamin'ny volana Septambra 2015, raha mbola niarin-doha tamin'ny horohorontany nandrava [2] tamin'ny fiandohan'ny taona, namoaka lalàm-panorenana vaovao nahabe adihevitra i Nepal, manaiky ny fepetra fanavakavahana mamely ireo vondrona roa tena marefo any Nepal: vehivavy,  foko Madhesis [3] sy Tharus [4] monina any amin'ny sisiny atsimon'ny firenena, fantatra amin'ny anaraha hoe “ny Terai [5]

Herintaona aty aoriana, nampisara-bazana be ilay lalàm-panorenana vaovaon'i Nepal noho ny fizaràna tany tsy ara-drariny ho an'ireny mponina any amin'ny faritra atsimo ireny, ary ny fampidirana fanavakavahana vaovao atao amin'ny vehivavy, noho ny mody filazana ny resaka filaminam-pirenena, .

Ny mpanoratra fanta-daza, Manjushree Thapa, nandoro ny lalàm-panorenana ho fanehoana hetsi-panoherana [6], nanao hoe:

Niharan'ny fanararaotan'ny fireneko ihany aho no niafarako. Tsy afaka hanaiky ny lalàm-panorenana manome tombontsoa ny taranaka lehilahy mihoatra noho ny vehivavy aho, ny tsiriniana lahy mihoatra noho ny tsirinaina vavy. Tsy azoko ekena ny fanindrahindrana ny vatan'ny lahsary ny fandàvana ny vatan'ny vavy, ny famafàna ny maha-olombelona feno sy maha-izy azy ny vehivavy.

Herintaona taty aoriana, tsy niova hevitra i Thapa:

Efa 2016 izao & mbola lavin'i Nepal ihany ny hanome zom-pirenena ny vehivavy hitovy amin'ny lehilahy. Tsy misy zava-miafina ny antony mampijaly ny firenena.

Ny “lalàm-panorenana tsara indrindra eo amin'izao tontolo izao” dia manavakavaka ny 51% amin'ny olom-pirenenay: #Vehivavy [8]. #Nepal [9] https://t.co/aXZ05LIV4p [10] avy amin'ny @subinmulmi [11]

.@manjushreethapa [13] 93% ny firenena dia manome zo mitovy ho an'ny vehivavy mba  hampita ny maha-olom-pirenena. Anatin'ireo 7% i Nepal. @bhandaripadam [14] https://t.co/TR1tumcwNX [15]

Sarin'ny fanavakavahana

Namorona kisary manazava ny lalàna mahakasika ny zom-pirenena ny mpanakanto sadymapanabe, Supriya Manandhar.

Infographic by Supriya Manandhar. Used with permission [17]

Kisary avy amin'i Supriya Manandhar. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Soratra eo anaty kisary (ankavia mivaky hoe: olom-pirenena Nepaley feno ireo olona nateraky ny ray sy reny Nepaley ary miasa sy monina any ivelany. Ankavanana: olom-pirenena kilasy faharoa ireo olona teraka sy monina ary miasa ho an'i Nepal, ka vahiny ny iray amin'ny ray sy reniny). Tia tanindrazana kokoa ve ny ‘olompirenena madiorano’ raha ohantina amin'ireo ‘notolorana zom-pirenena’ ?

Afaka mahita kisary maro hafa ianao ato [17]

Tsy vitan'ilay lalàm-panorenana vaovao ny manarka ireo fepetra sy fotokevitra efa ela nisy hatry ny ela momba ny fanavakavahana sy ny fitoviana [18] neken'i Nepal amin'ny maha-mpanasonia azy [19] ny Fifanarahana ho Fanafoanana ny Endrika Fanavakavahana Rehetra Atao amin'ny Vehivavy (CEDAW) .

Nanasarotra ny fomba hanomezan'i Nepal ny zom-pirenena ny lalàm-panorenana, ary namporisihan'ny Amnesty International [20]. ny governemanta mba hanafoana ireo fepetra vaovao izay manavakavaka ny reny tokantena. Tokony omena noho ny fijerena ireo ray aman-dreny roa tonta ny zom-pirenena, araka ny Amnesty International, mba hialàna amin'ny tsy fananan'ny ankizy zom-pirenena.

Nanimba ireo zanaky ny reny tokantena sy ireo renim-pianakaviana izay tsy mipetraka maharitra ao Nepal (anisan'izany ireo vehivavy niharan'ny fanondrànana, ny vehivavy mpila ravinahitra, ary ny hafa) ilay lalàm-panorenana vaovao. Voakasik'izany koa ireo reny izay manambady hafa fiaviana.

Raha hita ho tsy rariny io fanavahana ny lahy sy ny vavy io, dia ampahany amin'ny fitantarana lava iray manan-tantara.

Ny Singa ‘Indiana’

Manazava [21]ny mpanoratra iray ao amin'ny iray amin'ireo gazety lehibe indrindra, Republica:

Ny fitovian'ny zom-pirenena ho an'ny vehivavy dia fandaharanasa manandanja ho an'ny antoko politika lehibe rehetra nandritra ny fifidianana Antenimieram-panorenana. Saingy rehefa injay tonga ny fotoana tokony hanomezana izany zo izany, ny “fisokafan'ny sisintany amin'i India” no fialàna olana naroson'izy ireo, sy ny “mety ho loza amin'ny zom-pirenena” mba hanohizana ireo fepetra fanavakavahana ny vehivavy. Niresaka momba ny zom-pirenena koa ilay tolodalàna fanitsiana, izay niteraka hetsi-panoherana niely tany amin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena. Nanalefaka ny fahafahana manome zom-pirenena ny vehivavy tsy Nepaley manambady lehilahy Nepaley. ilay tolo-dalàna fanitsiana. Nefa tsy mba nisy tolodalàna toy izany natolotra ho an'ny lehilahy tsy Nepaley manambady vehivavy Nepaley sy ireo zanany.

 

Manazava [6]ny lova nitarika ho amin'izay koa i Manjushree Thapa

Mitempo ao am-pon'ny Hindou mpandala ny fahefan-dehilahy ao Nepal ny fitiavana ny tanindrazana. Tsy mampino araka ny fiheverana azy anefa, fa ny tahotra lalina an'ireo vahiny no mifehy azy ireo, tahotra ny hanambadian'ireo lehilahy Indiana vehivavy Nepaley, ary ny ankizy—teraka avy aminà tsirinaina Indiana!— no hameno an'i Nepal. Dia tsy ho Nepaley intsony i Nepal, fa ho Indiana. “Manaiky miaraka aminareo izahay,” hoy ireo Nepaley mpiaro ny maha-vehivavy. “Saingy tokony hojerenareo ny resaka zom-pirenentsika.” Raha toa ka tsy mivadi-beliarano amin'i Nepal ny vehivavy, tsy maintsy ekentsika ny tsy fitovanjo amin'ny resaka zom-pirenena.

Manameloka ity fanamarinana ity ilay mpitarika ny mpiaro ny vehivavy any Nepal, sady mpitsara ao amin'ny Fitsarana Tampony amin'izao fotoana izao , Sapana Pradhan Malla [22]:

Tsy afaka ampisaina intsony ho amin'ny fitohizana tsy mitsahatry ny endrika fanavakavahana atao amin'ny vehivavy Nepaley ny resaka Jeopolitika, ny filaminam-pirenena sy ny fisokafan'ny sisintany amin'i India. […]  Kalo atsangan'ireo maniry ny hametraka mandrakizay ny fahefan-dehilahy ao Nepal io

Fanekena ny Fandrosoana Voafetra

Kanefa, nanome zavatra tsara ho an'ny vehivavy [18] ilay lalàm-panorenana vaovao:

Ho an'ny maro, na izany aza, endrika ivelany fotsiny ihany io:

Ilay endrika ivelany faratampony – manana vehivavy ho filoha, filohan'ny fitsarana ary filohan'ny antenimiera i Nepal, saingy manana lalàm-panorenana saro-piaro sy manavakavaka ny maha-lahy sy ny maha-vavy.

Fitondran-dehilahy: Ampahany iray eken'ny rehetra any Nepal?

Amin'ny maha-tatsimo, Silamo, ary vehivavy, voahilikilka in-telo miantoana i Mohna Ansari [24].  Izy ihany koa no olona toy izany voalohany ao Nepal lasa mpisolovava. Nilaza [25]izy hoe fantany fa mbola betsaka ny tokony hatao:

[…] ny fananana vehivavy mitondra ny toeran'ny mpitondra fanjakana dia tsy midika fiafaràn'ny soatoavin'ny fitondran-dehilahy sy ny rafitry ny fanavakavahana ny vehivavy. Mbola misy tolona lavabe ao aloha ao hitondràna ny tena fiovana marina amin'ny fiainan'ny vehivavy tsotra ao Nepal.

Hoy Ansari, ilaina ny ” fahaiza-mandinika tsara sy ny faharetana” mba ho re eo amin'ny fiarahamonin'ny fitondran-dehilahy [25]. Izay vao “ho fanta[tsika] ny fomba hidirana an-tsehatra sy hanovàna ny rafitra ho an'ny tombontsoan[tsika].”

In the meantime, people in Nepal continue to call for changes that would repeal the constitution's discrimination against women, Tharus, and Madhesis. Some individuals have even resorted to poetry:

Mandritra izany, mitohy takian'ny olona ao Nepal ny hisian'ny fiovàna izay hanafoana ilay lalàm-panorenanan'ny fanavakavahana mianjady amin'ny vehivavy, Tharus, ary Madhesis. Nampiasa tononkalo mihitsy aza ny olona sasany:

Olom-pirenena ao amin'ny sokajy faharoa | #Poetry [26] | Natolotra ho an'ny Vehivavy sy ireo Vahoaka Madhesi ao #Nepal [9]. #StructuralDiscrimination [27] #CitizenshipThroughMothers [28]