- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Syriana Misaotra Ny Tafika Rosiana Amin'ny Kalandrie Vaovao Manaitaitra Novatsian'i Kremlin

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Syria, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet
“I was scared we'd never see each other again,” Miss March tells Russian soldiers. Source: FromSyriaWithLove.ru [1]

“Natahotra ny tsy hifankahitantsika intsony aho,” hoy Ramatoa kely Martsa amin'ireo miaramila Rosiana. Loharano : FromSyriaWithLove.ru

Fikambanana tsy mitady vola efa ho 4.000 no nangataka vola fanampiana tamin'i Kremlin tamin'ny fiandohan'ny taona 2016, ary nanantenana ny hahazo vola ho amin'ny tetikasa fampiroboroboana ny atletisma, ny soatoavina, ary ny siansa eny anivon'ireo tanora Rosiana. Manodidina ny 238 tapitrisa robla ( eo ho eo amin'ny 3,8 tapitrisa dolara) no nozaraina sy naparitaka tamina tetikasa 70 samy hafa. [2] Nampiandraiketina manokana hampiasa ny vola azony amin'ny “fanapariahana ny lova ara-kolontsaina Rosiana” ny Fikambanana Rosiana ho an'ny tanora [3], iray amin'ireo mpandraharaha sivy nahazo fanampiana.

Tamin'ity herinandro ity, valo volana aty aoriana, nahatsapa ny tsiron'ny kolontsaina pop rosiana ny vahoaka : kalandrie raitra [1] iray misy sarinà vehivavy syriana am-polony tsara tarehy, miaraka aminà andian-teny sahisahy izay midera ny fanelanelanana ara-tafika nataon'i Maosko tany Afovoany Atsinanana. Manao fehiloha “kokoshnik”  ny vehivavy tsirairay, ” ho mari-panajàna an'i Rosia.”

Dikan'ilay kalandrie tsy dia manaitra filàna loatra azon'i Vladmir Putin enin-taona lasa izay, tamin'ny faha-58 taonany ity kalandrie ity, izay nampiseho sarinà vehivavy [4]mitafy tapaka, [4] mpianatra ao amin'ny sampam-pianarana momba ny fanaovana gazety ao amin'ny oniversitem-panjakan'i Maosko ity, miaraka amin'ny hafatra fohy milaza ankolaka ny maha-lehilahy tsy hay tohaina an'i Putin.

Tsy dia nanaitra filàna tahaka ilay fanomezana noho ny fahatratrarana ny tsingerintaona nahaterahana tamin'ny 2010 ity famoronana vaovao ity, sady tsy mikendry olona manokana. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia ” manamboninahitry ny tafika Rosiana,” no itenenan'ireo sarinà vehivavy sady nisy nalefa manokana ho any amin'ny andiany any Syria tamin'ny  Sabotsy 17 Desambra.

Fa mba tsy hanadinoana tanteraka an'i Putin, dia hahazo fampahatsiahivana momba ny tsingerintaona nahaterahan'ny filohany ireo miaramila tany amin'ny faran'ny taona. “Lazao ahy  iza no kaomandy mpibaiko anao dia ho lazaiko hoe iza ianao,” hoy i Ramatoakely Oktobra, vehivavy iray antsoina  hoe Yara Khasan.

fdg [1]

Miantso ireo lehilahy Rosiana mitàm-piadiana Ramatoakely Oktobra. Loharano :  FromSyriaWithLove.ru

Ahitàna hafatra mitovy amin'ny hubba-hubba ireo volana hafa, hafatra izay mampita ny fankasitrahan'ireo vehivavy nahazo toky, voavonjy, ary angamba taitra. ” Nahazo andro fialantsasatra ianareo, fa izaho kosa nandray fanomezana,” hoy i Ramatoakely Febroary, volana izay ankalazàn'i Rosia ny Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana.

Tsy fantatra mazava izay fotoana nahavitan'ilay kalandrie, fa ny sasany amin'ireo esoeson-teny isam-bolana dia efa nilaozan'ny toetrandro. Ramatoakely Aogositra, ohatra, mipetraka tahaka ny mivavaka ary miteny hoe ” eo am-pelatananareo ny ho avin'ny Palmyra-ko, ” ilazàny ilay tanàna syriana fahiny nogiazan'ny tafi-panjakana niaraka tamin'ny fanohanan'ny tafika an'habakabaka Rosiana tamin'ny volana Martsa, ary tampoka teo lasan'ireo  mpiadin'ny fanjakana Islamika tamin'ny herinandro lasa, ny 11 Desambra.

august-model [1]

“Eo an-mpelatànanareo ny ho avin'ny Palmyra-ko,” hoy Ramatoa kely Aogositra. Loharano :  FromSyriaWithLove.ru

Ao amin'ny volana Novambra, hitan'ilay kalandrie na dia ny andro nahatongavan'ilay sambo Rosiana tranainy mpitondra fiaramanidina mpiady ” amiraly Kuznetsov” tany  amorontsirak'i Syria mba hanampy tamin'ny ady an'habakabaka aza. Hatramin'ny nahatongavan'ilay sambo, anefa, fiaramanidina roa no nianjera [5] tamin'ny fanandramana hipetraka teo amin'ilay sambo, noho ny olana ara-mekanika teo amin'ny tokontanin-tsambo fiaingàn'ny sidina.

Ilay kalandrie dia asan'ny vondrona antsoina hoe “Citizen,” ( olom-pirenena) izay voafidin'ny [6] Fikambanana Rosiana ho an'ny tanora mba hamorona tetikasa hitiliana ireo ” tanora mpanakanto mirona amin'ny firenena” afaka maneho ny ” soatoavin'ny firenena Rosiana sy ny kolontsaina,” ary  ireo ” fandresena sy ny zavabitan'i Rosia moderina”.

Azo antoka fa tsangambaton'ny fandresen'ny Rosiana ilay kalandrie, ary ny mpanao azy dia tsy nanafina ny fanaovana tsinontsinona ny fisalasalàn'ny amerikana hanatevin-daharana ny fiarovana ny fitondran'i Assad nataon'i Maosko.  Izao no nosoratan'ny mpamorona tao amin'ny fanambaràna an-gazety [7] tamin'ny 15 Desambra :

«В последнее время западные СМИ часто ссылаются на аккаунты “сирийских девочек”, которые на безупречном английском пишут о том, как они ежедневно страдают от действий русских. Причём эти “девочки” даже не могут ответить по-арабски на предложения о помощи. Все большему числу людей становится понятно, что эти пронзительные истории пишут не восьмилетние девочки, а SMMщики ЦРУ, но для организаторов и участниц проекта важно, чтобы те, кто сражается с террористами, знали, что думают о них настоящие дочери Сирии».

Vao haingana, matetika tanisain'ny haino aman-jery tandrefana [ny haino aman-jery sosialy] ny kaontin'ireo “zazavavy Syriana” izay mitantara amin'ny teny anglisy tsy misy tomika ny momba ny fijaliany isanandro noho ny afitsoky ny Rosiana. Tsy afaka mamaly anefa ireo ‘ankizy vavy’ ireo, na dia amin'ny fiteny Arabo aza, rehefa misy manolotra fanampiana. Manomboka fantatry ny maro fa tsy ireo ankizy vavy valo taona no nanoratra ireo anganongano, fa ireo manampahaizana manokana momba ny haino aman-jery sosialy ao amin'ny CIA. Na izany aza, heverin'ireo mpikarakara sy ireo mpandray anjara amin'ilay tetikasa fa tena zava-dehibe ny ahafantaran'ireo lehilahy [Rosiana] miady amin'ny fampihorohoroana [ any Syria] izay iheveran'ireo zazavavy Syriana azy ireo.

Angamba ilay fanamarihana tao amin'ny haino aman-jery sosialy sy ireo ankizy vavy valo taona dia fantsy ho an'i Bana Alabed, ilay zazavavy kely fito taona izay avy any am-pelatanan'ireo mpikomy ny reniny no mibitsika avy any Aleppo Atsinanana. Nahazo laza tamin'ny haino aman-jery i Bana ny faran'ny volana Septambra, ka nahatonga ny valintenin-katezerana nataon'ireo mpomba an'i Assad mpisera amin'ny aterineto sy ireo mikatsaka ny hanao tsinontsinona ny fisiany. Ny 14 Desambra, navoakan'ilay haban-tranonkala mpanadihady Bellingcat ny fikarohana [8] manaporofo marina hoe misy marina ilay ankizy vavy ary mipetraka any Aleppo Atsinanana.

Pavel Krasnorutsky no filohan'ny Fikambanana Rosiana ho an'ny Tanora, iray amin'ireo antsoina hoe “ solontenan'ny [9] ” Filoha Vladmir Putin , izany hoe nahazo alàlana hiteny amin'ny anaran'i Putin izy nandritra ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2012. Rehefa azony ny fandresena, dia notazonin'i Putin ilay fandaharanasa fanomezam-pahefana, ary mbola i Krasnorutsky no mandray anjara tsy tapaka mitondra ny fahaizany manokana amin'ny resaka fanabeazana.

Fanavaozam-baovao: Taterin'ny [10]haban-tranonkala rosiana TJournal fa fara-faharatsiny vehivavy vitsivitsy naseho tamin'ilay kalandrie no menatra rehefa nahafantatra ireo andian-teny mampisaintsaina nomena manokana azy ireny. Yara Khasan, na Ramatoakely Oktobra, dia nandefa hafatra manokana ho an'ny namany ao amin'ny Facebook, amin'ny fanomezan-toky ireo olom-pantany tany Syria fa tsy nahalala na inona na inona momba ilay fanazavàna sahisahy tamin'ilay kalandrie izy sy ireo vehivavy hafa ireo.

“Noheverinay ho ny sarinay fotsiny noho eo ” hoy i Khasan tamin'ny TJournal. ” Fa tezitra izahay rehefa hitanay tamin'ny aterineto ilay kalandrie miaraka amin'ireo fehezanteny sahisahy.[…] Nazavaiko tamin'ny namako tao amin'ny Facebook ny zava-nisy, satria mampatahotra ny fihetsiky ny any Syria. Tezitra amin'ireo fehezanteny ireo ny tsirairay .”

Lazain'i Khasan fa nolazaina taminy sy ireo vehivavy hafa ireo fa natao ho fisaorana ireo miaramila Rosiana noho ny adiny amin'ny asa fampihorohoroana any Syria ilay kalandrie. Nangataka ny mpamorona ilay kalandrie izy mba hamafa ireo andian-teny sahisahy, saingy nolazaina fa efa nalefa any amin'ireo andiany any an-tanin'ady ny dika mitovy.