- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampangidihidy Loha ny Maro ny Fampisehoan'ireo Trano Filokaàna Any Makaô Ny Fitiavan-Tanindrazana Kaominista

Sokajy: Azia Atsinanana, Makaô (Shina), Shina, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
During the four-day training, members of the Ginggang mountains tour have to wear like the red army at some points. Viral online photo.

Nandritra ny efatra andro fiofanana, niakanjo toy ireo miaramilan'ny tafika mena ireo mpikamban'ny tilikambon'ny tendrombohitra Ginggang. Sary miparitaka amin'ny aterineto

Tamin'ny herinandro lasa, nisy vondrona iray ahitàna mpiasa 60 avy amin'ny trano filokàna maro ao Makaô nanaraka fiofanana nandritry ny andro efatra “hianarana ny fitiavan-tanindrazana”  tao amin'ny Tendrombohitra Jinggang [1], noheverina ho ny toerana nahaterahan'ny Tafika Mena an'ny Antoko Kaominista Shinoa. Ny solontenan'i Beijing any Makaô izay fari-piadidiana iray manokana any Shina manana fizakantena ambony no nandrindra izany dia izany, ary izany dia natao ho fahatsiarovana ny faha-80 taonan'ny Dia an-tongotra Lava [2], fisindàna ara-miaramilan'ny Tafika Mena nandritra ny  Ady An-trano Shinoa.

Nampahafantarin'ireo trano filokàna ny lesona fampiofanana, nefa tsy voaray tsara ilay seho hafahafa momba ny fitiavan-tanindrazana, na tao an-toerana na tany amin'ny tanibe.

Sekoly iray antsoina hoe China Executive Leadership Academy (Akademia ho an'ny Fahaizana Mitarika sy Manatanteraka ao Shina) , izay saiky avy amin'ny sehatry ny orinasa no mpanjifa ao aminy no nanome ny fiofanana. Manome taratasy fanamarinana eo amin'ny 30 000 isan-taona ilay sekoly ho an'ireo mahazo diplaoma amin'ny fiofanana, izay ahitana karazana fitsidihan-toerana, dia an-tongotra lavitra, seminera momba ny tantaran'ny Antoko Kaominista Revolisionera Shinoa.

Nizara ny traikefam-pibeazany momba ny fitiavan-tanindrazana tamin'ny vahoaka tao aminà famelabelarana ho an'ny mpanao gazety ny solontenan'ireo vondronà trano filokàna miisa enina, ahitana ny SJM [3], MGM [4], Wynn [5], Melco PBL [6], Galaxy [7], VML [8]. Nilaza ny mpitarika ny fitsidihana, Daniel Fok, fa nandrandrainy ireo mpandray anjara mba hamerina indray ny fanahin'ny revolisiona Shinoa, izay midika ho firaisankina ary ny faniriana mba handresy, ao amin'ny fiainan'izy ireo manokana sy any amin'ny tontolon'ny asa ao Makaô, ary hanaparitaka izany ho toy ny “manomboka afo any an-tsaha amin'ny tselatr'afo tokana” — teny malaza notsongaina tamin'ny faramparan'ny fitondran'ny Filoha Shinoa Mao.

Raha nanomboka tafiditra ao amin'ny fandaharam-potoanan'ny Antoko Kaominista Shinoa amin'izao fotoana izao ny famerenana amin'ny laoniny ny antsoina hoe kolontsaina mena, somary hafahafa ny fahitana ireo solontenan'ny trano filokàna miteny amin'ny fiteny kaominista, raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe ny efa ho ny antsasaky ny trano filokàna dia fananan'ny Amerikana sy Aostraliana.

Mazava ho azy, Makaô, zanatany Portiogey taloha tafaverina indray amin'i Shina amin'ny 1999, dia tsy afaka hiova ho lasa “Las Vegas any Azia”, raha tsy nanome fahafahana ny fidiran'ny mpandraharaha amin'ny sehatry ny trano filokàna vahiny tamin'ny taona 2003 ny governemanta Shinoa ary namela mpizahatany an-tapitrisa mpiloka avy any amin'ny tanibe an'i Shina hivahiny any. Noho ny fikaran'ny indostrian'ny lalao, nitsambikina avy amin'ny 7 lavitrisa Dolara tamin'ny 2002 ho 55 lavitrisa dolara tamin'ny 2014 ny harinkarena faoben'i Makaô (PIB), nefa koa lasa ambohipihaonan'ny famotsiambola [9] izay manamora ny fiparitahan'ny renivola any ivelan'ny taniben'i  Shina.

Niteraka fiantraikany ratsy tamin'ny vola miditra amin'ny trano filokàna any Makaô ny fanentan'ny taniben'i Shina manohitra ny kolikoly izay nanombola tamin'ny 2014. Nihena 20% ny toekaren'i Makaô tamin'ny 2015 ary nitohy nikarainkona tamin'ny taona 2016 [10]. Satria malemin'ny politian'i Beijing ny toekaren'ny tanàna, mety ho alanenina farany hamonjena ny orinasa no fahitan”ny sehatra ny filokàna ny fanomezantoky tsy fivadihana toy ny fiofanana fitiavan-tanindrazana.

Na izany aza, nirodana ny ezak'izy ireo. Hatreto, tsy nisy fampahalalam-baovao-panjakana Shinoa na Antoko Kaominista nidera ny dian'ny trano filokàna nankany amin'ireo  tendrombohitra Jinggang. Nisy fanamarihana avy amin'ny Beijing News aza nitsikera azy ireo noho ny fanakorontanany ny fitoniana ara-tsaina ao amin'ny tanibe Shina ary mangataka azy ireo mba hitsahatra tsy hitsidika intsony [11] an'ilay tranonkala revolisionera.

一个在内地人看来不务正业的赌徒或赌博组织,道德上可能就难以站得住脚,却去做一件貌似神圣的事情,或是亲近貌似神圣的事物,就会在心理上难以接受,说不出的怪味。难怪有网友说,“革命先烈被你们玩儿坏了”。
博彩业在澳门是合法的,不过,其在内地的活动还是要尊重内地的法律和文化。澳门博彩业屡屡去井冈山学习,气氛上不搭,观感上不协调,以后,还是不要去了吧!

Heverina ho sehatra tsy mendrika ary ratsy ho an'ny toetsaina ny trano filalaovana sy ny trano filokàna. Nefa manatanteraka asa masina ity sehatra ity. Tsy mahagaga raha milaza ny mpampiasa aterineto sasany hoe “Nosimbainareo ny nofinofin'ny maherifo revolisionera”.
Na dia ara-dalàna aza ny filalaovana any Makaô, tokony hanaja ny lalàna sy ny kolontsaina any amin'ny tanibe Shina ianareo. Nanimba ny rivotra iainana fandehanan'ny sehatry ny filalaovana nankany amin'ny tendrombohitra Jinggang ho fampianarana [fitiavan-tanindrazana]. Aza mandeha any intsony amin'ny hoavy.

Ivelan'ny tanibe Shina, raisin'ny mpampiasa aterineto ao amin'ny Facebook any Hong Kong sy Makaô ho toy ny vazivazy ratsy ilay dia ho an'ny fitiavan-tanindrazana. Ireto ambany ireto misy fantina fanehoankevitra nalaina kisendrasendra tamin'ny fikarohana tao amin'ny Facebook:

搶錢的土匪交流搶劫經驗……

Mifampizara ny traikefany amin'ny fandrobàna ireo jiolahim-boto (manondro ireo trano filokàna sy CCP) manetsika ny hafa…

學習共產革命烈士精神,咁第一件事澳門賭場員工應該批鬥佢老細梁安琪呢啲腐敗資產階級,梁安琪等腐敗資產階級經營賭場剝削勞動階層權益,應該沒收梁安琪財產重新分配給人民,賭場係腐敗資本主義產物,違背共產革命烈士精神

Raha te-hahafantatra ireo maherifo revolisionera kaominista, ny zavatra voalohany tokony hananana dia ny fanadiovana ireo lehiben'ny kapitalista mpanao kolikoly,  toa an'i Angel Leung [olo-malaza misolo tena ny sehatry ny trano filalaovana] amin'ny fitrandrahan'izy ireo ny mpiasa madinika. Tokony hogiazana sy averina zaraina amin'ny vahoaka ny fananany? Vokatry ny kapitalisma feno kolikoly ary manohitra ny fanahin'ny revolisiona kaominista ny trano filokàna.

對唔住,井崗山冇共產主義學,佢地係去學大天二 / 土匪精神,誰曰不宜?

Miala tsiny, tsy misy kaominisma azon'ny tsirairay hianarana any amin'ny tendrombohitra Jinggang. Ny tena mety amin'izy ireo dia mandeha any ary mianatra ny fanahin'ny jiolahimboto.