Manome vaovao momba ny fanafihana Japoney tao amin'ny Pearl Harbor tamin'ny 7 Desambra 1941 ny iray amin'ireo Japoney mpikaroka Hidenori Watanave mpanao sarintany amin'ilay tetikasa vaovao ifandrimbonana. Ny tetikasa, antsoina hoe Ny tetikasa 1941, dia manasongadina ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanafihana avy any amin'ny manodidina ny nosy Oahu ao anaty sarintany iray, azo jerena ao amin'ny 1941.mapping.jp.
「パールハーバー・アーカイブ」の現状。これから,爆撃のようすを捉えた写真を追加していきます。 pic.twitter.com/FAb7HYahO1
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 14, 2016
Toy izao no endriky ny Tahirin'ny Pear Harbor amin'izao fotoana izao. Rehefa avy eo, ho ampiako sarin'ilay fanafihana mihitsy.
Desambra 2016 no manamarika ny faha-75 taonan'ilay fanafihana. Manana fitaovana maro fanaovana sarintany natokana hiarovana sy hametrahana ho anaty sarintany ireo fijoroana vavolombelon'ny nahita maso ny ady i Watanave, anisan'izany ny sarintanyiray azo tetezina momba ny daroka baomba atomika tao Hiroshima sy Nagasaki, ary ny ady tao Okinawa tamin'ny 1945. Watanave ihany koa no mpamorona ny tetikasa iray mitondra zava-baovao mitovitovy amin'izany izay manaraka ireo fotoana farany niainan'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany tamin'ny Martsa 2011 sy ny tsunami tany Japana.
Ho an'ny tetikasa Pearl Harbor, napetrak'i Watanave ho anaty sarintany ny fijoroana vavolombelon'ireo nanatri-maso ny fanafihana voarakitra ao anatin'ny bokin'i Katrina Luksovsky “Nosy Ford 7 Desambra 1941: fanambàrana ireo fijoroana vavolombelon'ireo mponina nipetraka akaikin'ny tandavan-tsambo mpiady“.
居住地のすぐ近くで爆弾や魚雷が炸裂し,軍艦がどんどん沈んでいく。とても恐ろしい体験だったことだろう。 https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/hGIPKs8q6L
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 15, 2016
Nipoaka tena teny akaikin'ny toerana fonenana (any amin'ny Nosy Ford) ny baomba sy ny balafomanga, ary nilentika tsirairay ireo sambo mpiady. Tsy maintsy hoe traikefa nampivarahontsana izany.
Ahitana sary natao ho an'ny sehatra ho an'ny daholobe hita ao amin'ny Wikimedia Commons sy ny tahirin-kevitra fototra momba ny Ady Lehibe II ihany koa ilay sarintany .
撃沈された戦艦アリゾナ。パールハーバー・アーカイブより。すべての白黒写真は,ディープネットワークを用いた白黒写真の自動色付けで着彩しています。 https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/GjZ0WO0izd
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 17, 2016
Ilay sambo mpiady USS Arizona, avy amin'ny ‘Pearl Harbor Archive’. Voaloko ho azy tamin'ny alàlan'ny fitrandrahana lalina ireo tambajotran'ny atidoha ireo sary fotsy sy mainty.
Na izany aza, ilay Tetikasa Fametrahana an-tsarintany ny 1941 dia lasa lavitra mihoatra ny Nosy Forland sy ny Tandavan-tSambo Mpiady tany Pearl Harbor. Nampiasain'i Watanave ny fitaovana an-tserasera iray vaovao namboarin'ny Anjerimanontolo Japoney Waseda, izay mampiasa tambajotran'atidoha mba handokoana ireo sary ary mba hamelona indray ireo sary mainty sy fotsy izay nalaina nanerana an'i Aahu tamin'ny fotoanan'ny fanafihana.
Eto i Watanave, nahita sy niverina nandoko sarinà sambo mpisitrika iray nandray anjara tamin'ilay fanafihana ary tafahitsoka eny amin'ny torapasika.
オアフ島の砂浜に座礁した特殊潜航艇「甲標的」。カラー化すると,美しい海の色と,兵器の色合いとの対比が強調されます。 https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/jfwE237xCi
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 16, 2016
Midgit manafika sambo mpisitrika tafahitsoka teo amin'ny torapasiky ny morontsiraka Oahu. Ny iray miloko, ampifanoherin'ireo sary ny hatsaràn'ny ranomasina sy ny fasika miaraka amin'ny lokon'ny fitaovam-piadiana.
Ho fandraisana anjara amin'ny tetikasa, nampidiriny sy naverin'i Watanave nolokoina ny maro amin'ireo sary manaitra tamin'ny fahafinana ny Pearl Harbor ny marainan'ny 7 Desambra 1941. Afaka hita ao amin'ilay sarintany azo tetezina noforonin'i Watanave izy rehetra ireny.
真珠湾,フォード・アイランドに向かう帝國海軍機。ニューラルネットワークによる自動色付け。パールハーバー・アーカイブより。 https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/lBnd3Y6Mpf
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 30, 2016
Navy Zero iray, mpiady Imperialy Japoney, manidina mankany amin'ny Nosy Ford (sy ny Tandavan-tsambo mpiady) ao Pearl Harbor. Nampiasaina handokoana ny sary ny “Neural networks” (tambajotran'atidoha). Avy amin'ny ‘Tahiry Pearl Harbor’
炎上する戦艦カリフォルニア(白黒写真を自動色付け)。パールハーバー・アーカイブより。 https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/xH7YFpSbns
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 21, 2016
Setroka miakatra avy amin'ny sambo mpiady USS California.(Sary mainty sy fotsy tonga dia voaloko). Ary amin'ny ‘Tahiry Pearm Harbor’.
真珠湾攻撃の自動色付け写真。消火する女性たち。撮影場所が不明なので,マッピングできずにいる。 pic.twitter.com/tGJvFhIfRr
— Hidenori Watanave (@hwtnv) 8 Novambra 2016
Sary milokon'ny fanafihana. Vehivavy miady amin'ny afo. Tsy mazava ny toerana nakàna ity sary ity ary sarotra araka izany ny mandrakitra an-tsarintany azy.
真珠湾攻撃時,練兵場のアメリカ海軍兵たち。背後では炎上している軍艦から猛烈な煙が上がっている。表情は,それほど慌てているようにはみえない。ニューラルネットワークによる自動色付け。パールハーバー・アーカイブより。 https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/sxUmGfuZso
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 30, 2016
Tantsambo Amerikana mibohaboha (somebiseby) tamin'ny fotoanan'ny fanafihana. Setroka miakatra avy aty ambadiky ny sambo mpiady mirehitra. Raha tsaraina amin'ny endriny, zendanaamin'ny zava-mitranga (ireo tantsambo) .
サルベージ作業中の戦艦アリゾナ.自動色付けしたもの.パールハーバー・アーカイブより. https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/UDuyH6PJUO
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 25, 2016
Ny asa fanavotana tamin'ny USS Arizona. Sary voaloko ho azy. ‘Tahirin'ny Pearl Harbor’.
Salvage work continuing on the sunken battleship USS Arizona in Pearl Harbor, 25 Feb 1942. From Pearl Harbor Archive https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/Be9RWAH6DB
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 21, 2016
Mitohy ny asa fanavotana amin'ny sambo mpiady USS Arizona nilentika tany Pearl Harbor; 25 Fb 1942. Avy amin'ny Tahiry Pearl Harbor
Mampiseho sy mampahafantatra ny niainan'ny mponina manerana an'i Oahu ny fanafihana tamin'ny 7 Desambra 1941 ny sary.
The wreckage of a drug store smolders at Waikiki after attack by Japanese planes, Dec. 7 1941. (AP Photo) https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/RJC3aNICAc
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 21, 2016
Ny sisan'ny toerana iray fivarotana fanafody mirehitra tsikelikely tao Waikiki taorian'ny fanafihan'ireo fiaramanidina mpiady Japoney, 7 Desambra 1941 (Sary Ap) https://t.co/gHMf6Iv7HV pic.twitter.com/RJC3aNICAc
Satria mbola misy sary maro amin'ny aterineto, mbola vao ny ivelan'ny fametrahana ho anaty sarintany sy ny fandraketana fotsiny ireo fijoroana vavolombelon'ny nahita ny fanafihana no voakitik'i Watanabe.
この写真は「Pearl Harbor 1941」で検索するとみつかる.右下に「LIFE」と入っているものの,出典は不明.どなたかご存知でしょうか.右側はニューラルネットワークによる自動色付けを施したもの. pic.twitter.com/m9SvKzhHaB
— Hidenori Watanave (@hwtnv) November 25, 2016
Hitako tamin'ny alalan'ny fitadiavana momba ny Pearl Harbor 1941 tao amin'ny Tahirin'ny LIFE Magazine ity sary ity. Tsy voalaza izay tompon'ny sary… Misy mahay ve hoe iza no naka azy io? Avy aty ankavanana ny sary naverina nolokoina nampiasana ny “neural Networks”.
Ankoatry ny tranonkalan'ilay tetikasa, ahitana sary nalaina avy amin'ny 0project koa ny fahan'ny Twitter an'ilay mpikaroka Hidenory Watanave.