Matahotra ny Gambiana Fa “Mampidi-doza ny Fiainan'ny Olom-pirenena” Ny Filoha Jammeh Noho ny Fitsipahany Ny Voka-pifidianana

Gambian President Yahya Jammeh. Public Domain photo by the White House uploaded online by Wikipedia user Alifazal.

Filoha Gambiana Yahya Jammeh. Sary avy amin'ny Trano Fotsy nampidirin'ny mpisera Wikipedia Alifazal an-tserasera. Sary azon'ny rehetra ampiasaina.

Notsipahan'ny filoha Yahya Jammeh ao Gambia, firenena kely ao Afrika Andrefana, ny vokatra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena voalohany Desambra izay nandresen'ny lehiben'ny firaisamben'ny mpanohitra Adama Barrow azy. Tamin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra, nitsikera ny vaomieran'ny fifidianana i Jammeh ary nanolo-kevitra ny hanaovana fifidianana vaovao karakarain'ny olona “matahotra an'Andriamanitra”.

Efa nanaiky ny fahareseny i Jammeh teo aloha ary nampanantena famindram-pahefana milamina, efa nofariparitany ho “tsy laitran'halabato” sy mangarahara ny rafi-pifidianana tao Gambia, ary nampiany fa “fandresena mazava” no azon'ny mpanohitra. Nanome toky fa tsy hivadika amin'ny filoha voafidy ny Lehiben'ny Fiarovana (lehiben'ny tafika) rehefa nanao izany i Jammeh.

Na izany aza, nivoaka 24 ora taorian'ny nanomezana grady an'ireo nivoaka ho manamboninahitra miisa 49 ao amin'ny Tafik'i Gambia ny fandavan'i Jammeh ny voka-pifidianana. Nisy ny tatitra tsy voamarina fa nanery an'i Jammeh mba hanaiky ny faharesena ny sasany tamin'ireo mpikambana ambony ao amin'ny tafika.

Ity ny lahatsary ahitana an'i Jammeh mandà ny vokatra.

Taorian'ny fanambarany tao amin'ny fahitalavi-pirenena, niditra media sosialy ny Gambiana mba hanohitra ny fanapahan-kevitr'i Jammeh.

Nitsikera ny fihetsik'i Jammeh i Sait Matty Jaw, nilaza izy fa mety hampidi-doza ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran'ny firenena i Jammeh.

The defeated dictator in Gambia has rejected the rigged prof elections that he organised at lost. Now putting The Gambia at a very critical position. As Gambians we spoke loud and clear that we no longer need the services of Jammeh. His current move has put the tiny country that have been non for its stable nature into a dire situation that needs immediate global attention. Jammeh lost hand down in a system he has created and now is putting the lives of citizens at risk.

Notsipahan'ilay mpanao didy jadona ao Gambia ny fifidianana marina izay nokarakarainy sy nahatonga azy ho resy. Napetraka ao anatin'ny toerana mampanahy indrindra i Gambia. Amin'ny maha Gambiana anay, efa niteny mafy sy mazava izahay fa tsy mila ny servisin'i Jammeh. Nahatonga ny firenena kely ho ao anaty toerana ratsy dia ratsy mahatonga ny fifantohan'izao tontolo izao avy hatrany ny fihetsiny ankehitriny. Resy tao anatin'ny rafitra noforoniny i Jammeh ka mampidi-doza ny fiainan'ny olom-pirenena ankehitriny.

Nampitandrina i Kemo Cham  fa mety ho meloky ny famadihan-tanindrazana izay manohana ny fitsipahan'i Jammeh ny voka-pifidianana

Anyone, including members of the Gambian army, who supports this man, is equally guilty of treason.
Even the person who wrote that speech. I know he is not intelligent enough to speak such good English. This moron!

Na iza na iza, anisan'izany ny tafika Gambiana, ka manohana ity lehilahy ity, dia mitovy amin'ny mamadika tanindrazana.
Na dia ny olona nanoratra izany kabary izany aza, Fantatro fa tsy dia marani-tsaina loatra izy ka hiteny Anglisy tsara tahaka izany

Nanoratra ny fanapahan-kevitr'i Jammeh ny mpisera media sosialy hafa: “Amin'izany, mangarahara tsara tahaka ny vato kristaly fa te hampiditra ady amintsika izy. Ny fara-fanantenantsika dia ireo mpikambana ao amin'ny Tafika mitampiadiana hitsangana ho an'i Gambia.”

Raha nanoratra kosa i Samsudeen Phatey hoe: “Yahya Jammeh, nilaza ianao fa sitrapon'i Allah izany ary tsy hametra-panontaniana mandrakizay amin'i Allah ianao. Nahoana no mametra-panontaniana amin'i Allah ianao ankehitriny?

Nisioka antso hanao zavatra tamin'ireo mpitarika isam-paritra ao amin'ny Vondrona Afrikanina sy ny Fikambanana Ara-toekarena ao amin'ny Firenena Afrikanina Tandrefana (CEDEAO) i Jeffrey Smith:

Ny fitarihana ao amin'ny Vondrona Afrikanina sy CEDEAO: Fotoana izao hampanan-danja, fotoana izao ijoroana manoloana ity mpisetrasetra ity indray mandeha sy ho an'ny rehetra. Tsy azo ekena izao.

Madi Jobarteh, mpikatroky ny zon'olombelona, nanamarika fa tsy mifanaraka amin'ny lalàna Gambiana ny fanapahan-kevitr'i Jammeh.

The announcement by Pres. Yaya Jammeh to reject the December 1 presidential election has no basis in law. It is unconstitutional and an affront on our national sovereignty and dignity.

The election was conducted 9 days ago. The results were validated by the representatives of all the parties including [Jammeh's party] APRC in each and every counting center in the country. The results were announced by the Chairman of the [Independent Election Commission] who declared Adama Barrow the elected President of the Republic of the Gambia on national television. On December 2 Yaya Jammeh conceded defeat and called to congratulate the president-elect Adama Barrow on national television.

Tsy mifototra amin'ny lalàna ny fanambaran'i Prez Yaya Jammeh hitsipaka ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 1 Desambra. Tsy manaja ny lalàmpanorenana izany ary fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena sy ny fahamendrehantsika.
Nototonsaina 9 andro lasa ny fifidianana. Nankatoavin'ny solontenan'ny antoko rehetra ny voka-pifidianana isaky ny foibem-panisana, anisan'ny nankatoa izany ny APRC, [antokon'i Jammeh]. Nambaran'ny Filohan'ny [Vaomiera tsy miankina Misahana ny Fidianana] ny voka-pifidianana izay nanambara tao amin'ny fahitalavi-pirenena fa i Adama Barrow, no lany filohan'ny Repoblikan'i Gambia. Tamin'ny 2 Desambra, nanaiky ny fahareseny i Yaya Jammeh ary niantso mba hiarahaba ny filoha voafidy  tao amin'ny fahitalavi-pirenena

Nisioka i Dokotera Isatou Touray, izay nanaisotra ny firotsahany hofidiana mba hanohana ny mpanohitra Adama Barrox hoe:

Fanitsakitsahana ny demaokrasia ny fitsipahan'ny filoha Jammeh ny voka-pifidianana.

Mandritra izany, misy ny fametrahana miaramila goavana manerana ny renivohitra, miaraka amin'ny fisavana ara-piarovana napetraka isaky ny toerana stratejika. Nilaza i Jammeh fa nampanantena tsy hanohintohina izay fihetsiketseham-bahoaka izy ary nandrisika ny tsirairay mba handeha hamonjy ny asa mahazatra mandra-pahatontosa ny fifidianana vaovao.

Nomelohin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Senegaley ny fitsipahan'i Jammeh ny voka-pifidianana. Araka ny tatitra maro, voalaza fa nampiantso fivorian'ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana mikasika ny toe-draharaha izy ary nampahafantatra ny fikambanana ara-paritra tahaka ny CEDEAO sy ny Vondrona Afrikanina.

Nantsoin'ny Vondrona Afrikanina ho “Tsy misy dikany sy tsy manan-kery” fanambaran'ny filoha Jammeh ny fitsipahana ny fahareseny satria efa nanaiky ny fahareseny izy. Nandrisika ny filoha Jammeh ny Vondrona Eoropeana mba hanaja manontolo ny lalàna sy ny hevi-bahoaka Gambiana

Nandritra izany fotoana izany, tsy navelan'i Gambia hiantsona tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Banjul  ny filohan'ny CEDEAO

Nilaza ny antoko resy hafa, Kongresy Demaokratika Gambia (GDC), tarihin'i Mamma Kandeh fa diso fanantenana tamin'ny fitsipahan'i Jammeh ny voka-pifidianana izy, nampiany ihany fa koa fa nanaiky ny voka-pifidianana ny GDC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.