
Dikasary tamin'ny Youtube ahitana Kenyana manangana totohondry, mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana #TakeBackKenya ao Nairobi, Kenya.
Tamin'ny 12 Desambra 2016, nanamarika ny faha-53 taonan'ny fahaleovantenany avy amin'i Britania i Kenya. Tokony hizotra amin'ny endrika mahazatra ny Andro fankalazana ny Jamhuri (teny Kiswahili midika hoe Repoblika) ao Nairobi, mangina ny foiben'ny fihariana, mihantona eny amin'ny tranobe isan-karazany ny sainam-pirenena Kenyana, ary vitsivitsy ny Kenyana mandehandeha mandritra ity fetim-pirenena ity.
Saingy, nikarakara diabe milamina manerana ny araben'ny renivohitr'i Kenya ny hetsika ivondronan'ny olon-tsotra Kenyana (tanora ny ankamaroany), fantatra amin'ny hoe Kenyana ao amin'ny Twitter (KOT) tamin'io andro io. Nokarakaraina volana vitsy mialoha ny hetsika #TakeBackKenya [2], nahazo alalana avy amin'ny departemantan'ny polisy Kenyana ny fametrahana [3]habaka [4] sy ny fahazoan-dalana ilaina [4]hanaovana fihetsiketsehana.
Na izany aza, izay natomboka ho diabe milamina natao hiampangana ny kolikoly [5] sy ny tsy fahaiza-mitantana, dia nivadika ho fifanenjehana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy rehefa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso [6] mba hanaparitahana ny olona – na lahy na vavy – nanao diabe niainga tao amin'ny Tom Mboya nankany amin'ny Zaridaina Jeevanjee sady miantsoantso hoe “Lipa Kama Tender” (“Aloavy tahaka ny nandoavanao ireo nahazo tolo-bidy”) sy “Take Back Kenya na Avereno [aminay] i Kenya” ny manampahefana, ary mandritra izany diabe izany no mikalo ireo hiram-pitiavan-tanindrazana.
Tsy very tamin'ny mpiserasera ny esoeson-tenin'ny Kenyana olon-tsotra voatifitry ny baomba mandatsa-dranomaso nandritra ny fetin'ny fahaleovantenan'ny firenena, izay maro tamin'ireo mpiserasera no nanomboka niantso ny Jobilin'ny antokon'ny fitondrana ho manakotakona ny tena fahalalahana nitoloman'ny Kenyana mafy 53 taona lasa izay.
Manjaka [7] ao Kenya ny kolikoly; mbola tazonin'ny firenena ny laharan'ny fahantrany tamin'ny herintaona ao amin'ny Tondro [Filaharan'ny] Kolikoly Manerantany avy amin'ny Transparency International (CPI) [8], mahazo isa 25 ao anatin'ny fandrefesana manomboka amin'ny aotra (0) ka hatramin'ny 100 ( ny aotra no kolikoly ambony indrindra, ary ny isa 100 no madio indrindra)
Mampiseho [9] ny fikarohan'ny PricewaterhouseCoopers nivoaka tamin'ny Febroary 2016, fa i Kenya no firenena fahatelo mpanao kolikoly indrindra manerantany, fantatra tamin'ny nitenenany [10] ny filoha Kenyana fa tsy afa-miady amin'ny kolikoly ny governemantany. Azo lahatsary [10] izy nilaza hoe: “”Sasa mnataka nifanye”” (“Inona no tianao ataoko ankehitriny”), ho setrin'ny filazana fihanaky ny kolikoly eo amin'ny governemantany manokana.
Ny hetsika #TakeBackKenya dia notarihin'ny Kenyana saranga antonony, mpahay aterineto, matetika voatsikera ho “mpiadin'ny kitendry”. Voampanga ho nandray anjara antserasera tamin'ny fanozongozonana isian'ny fahaiza-mitantana sy ny tamberin'andraikitry ny fanjakana ity vondrona ity taloha.
Ity no voalohany amin'ny hetsika tarihin'olom-pirenena, tsy mpikambana mihitsy amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena, nitondra ny heviny, ny fahadisoam-panantenany ary nitaky fanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny tamberin'andraikitra nanomboka teo amin'ny sehatra media sosialy ka hatrany amin'ny sehatra ivelan'ny aterineto.
Nalaza tao amin'ny firenena ny #TakeBackKenya [2] nandritra ny fetin'ny Jamhuri ary lasa hetsika tena izy, nahafahan'ny Kenyana namoaka fanontaniana henjana — indrindra fa tamin'ny fotoana nanaovan'ny dokoteram-panjakana Kenyana fitokonana naharitra herinandro manerana ny firenena. Mitaky fampakarana ny karama ry mpiasan'ny fahasalamana noho ny tantara ratsin'ny fanodikodinana volam-bahoaka voalaza fa norobain'ny Minisiteran'ny Fahasalamana — ilay minisitera anakaraman'ny governemanta azy ireo.
Tonga tamin'ny fotoana nitakian'ny dokotera sy ny olon-tsotra Kenyana — mampiasa ny tenirohy #LipaKamaTender [11] — fa tokony handoa ireo matihanin'ny fahasalamana tahaka ny nandoavany ireo nahazo ny tolo-bidy tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ny governemanta.
Na dia nohazavain'ireo mpikarakara ny #TakeBackKenya aza fa fitarihana ny olom-pirenena handray anjara sy fisantarana andraikitr'olom-pirenena mavitrika ny ataon-dry zareo, notondroin'ny trano fampahalalam-baovao Kenyana ho mpikatroka kosa ireo mpandray anjara.
Tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny hetsika antserasera, namoaka ny fitakiany ho an'ny “fitondrana mpandroba an”i Kenya” i Louis Mulema:
My request for the current looting regime. Kenyans #TakeBackKenya [12] @bonifacemwangi [13] @Maskani254 [14] @SaintSnappy [15] pic.twitter.com/IqmirdzAr2 [16]
— #Unbounded (@louis_mulema) December 13, 2016 [17]
Ny fangatahako amin'ny fitondrana mpandroba ankehitriny. Avereno [amiko] i Kenya ry Kenyana
Nampiasa ny ampahan'ny kabarin'ny filoha Kenyatta tamin'ny Andro Jamhuri hamelezana azy kosa ny mpisera Twitter hafa. Nanoratra i Fundi Ndegz:
Guess you meant equipped with teargas @TakeKenyaBack [3] #TakeBackKenya [12] https://t.co/lDZLbQwaAI [18]
— Fundi Ndegz (@ndegwapower) December 12, 2016 [19]
Alaivo an-tsaina ianao miaraka amin'ny baomba mandatsa-dranomaso
Nanontany i Martin Ndambuki:
Apart from “My fellow Kenyans” ,which
other part of President Kenyatta's speech
was true? #JamhuriDay2016 [20] #UCLdraw [21] #TakeBackKenya [12]— Martin Ndambuki (@martinndambuki7) December 12, 2016 [22]
Ankoatra ny “ry Kenyana namako”, inona amin'ny kabarin'ny filoha Kenyatta no marina?
Amin'ny famaliana ny fanambaran'ny filoha Kenyatta fa mila fanovam-pitondrana ao Kenya ny vahiny amin'ny Taona Vaovao. Nilaza i Gatwiri hoe:
No, Uhuru doesn't have a regime, what he has is a tragedy that must be stopped in 2017. Such a dramatic president my god #TakeBackKenya [12] https://t.co/0TILUGfU8x [23]
— Gatwiri (@RookieKE) December 13, 2016 [24]
Tsia. Tsy manana fitondrana i Uhuru, ny ananany dia voina tsy maintsy atsahatra amin'ny taona 2017. Filoha mahakivy tokoa ry Andriamanitro ô
Hifidy ny Kenyana amin'ny Aogositra 2017, ary masaka ny tsy fahafaham-pon'ny vahoaka amin'ny zava-misy ankehitriny
Loise Kinuthia nisioka hoe:
#TakeBackKenya [12] the thuggery in Kenya leadership, one day, they will steal their own bank account, thinking its a public account
— Loise Kinuthia (@KinuthiaLoise) December 12, 2016 [25]
Ny halatra ataon'ny fitarihana ao Kenya, indray andro any, hangalatra ny kaontin'ny bankin'izy ireo manokana ihany izy ireo, mihevitra fa kaontim-panjakana izany.
Mandritra izany fotoana izany, nieritreritra i Waiguru fa na dia manana Vaomieran'ny Etika sy Ady amin'ny Kolikoly toa mahatsikaiky i Kenya dia toa mampihomehy ihany izany.
EACC job is not to fight corruption but to seem to! #HealthCrisisKe [26] #ChaseBankScam [27] #DefeatCorruptionKE [28] #TakeBackKenya [12] CEO Halakhe Waqo #GMW [29] pic.twitter.com/PBtyZ1xZE9 [30]
— 6Th President Kenya (@WaiguruGM) December 14, 2016 [31]
Tsy natao hiady amin'ny kolikoly ny asan'ny EACC fa toa mody natao ho amin'izany! #Krizim-pahasalamanaKe [26] #HazaoSolokyBanky [27] #ReseoKolikolyKE [28] #TakeBackKenya [12] PDG Halakhe Waqo
Niresaka momba ny zava-niainany tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny diabe i Kate Mbuto:
#TakeBackKenya [12] was my first ever protest. I was so scared did even have breakfast. But I've learnt to stand up to power
— kate mbuto (@KateMbuto) December 12, 2016 [32]
Fihetsiketsehana sambany nandraisako anjara ny #TakeBackKenya [12]. Natahotra mafy aho ka tsy nisakafo maraina akory. Saingy nianatra ny hijoro hahazo fahefana
Satria mitohy ao amin'ny aterineto hatrany ny tenirohy #TakeBackKenya, marobe ireo Kenyana manomboka mizara hafatra mangataka amin'ireo olom-pirenena hafa mba hitsangana hanohitra ny kolikoly. Mety ho Lohataona Arabo [33] ao Kenya ve ity?