‘Mpiadin'ny Kitendry’ Te Haka Indray An'i Kenya (#TakeBackKenya)

A screenshot of a YouTube video of Kenyans taking part in #TakeBackKenya protest in Nairobi singing with raised fists.

Dikasary tamin'ny Youtube ahitana Kenyana manangana totohondry, mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana #TakeBackKenya ao Nairobi, Kenya.

Tamin'ny 12 Desambra 2016, nanamarika ny faha-53 taonan'ny fahaleovantenany avy amin'i Britania i Kenya. Tokony hizotra amin'ny endrika mahazatra ny Andro fankalazana ny Jamhuri (teny Kiswahili midika hoe Repoblika) ao Nairobi, mangina ny foiben'ny fihariana, mihantona eny amin'ny tranobe isan-karazany ny sainam-pirenena Kenyana, ary vitsivitsy ny Kenyana mandehandeha mandritra ity fetim-pirenena ity.

Saingy, nikarakara diabe milamina manerana ny araben'ny renivohitr'i Kenya ny hetsika ivondronan'ny olon-tsotra Kenyana (tanora ny ankamaroany), fantatra amin'ny hoe Kenyana ao amin'ny Twitter (KOT) tamin'io andro io. Nokarakaraina volana vitsy mialoha ny hetsika #TakeBackKenya, nahazo alalana avy amin'ny departemantan'ny polisy Kenyana ny fametrahana habaka sy ny fahazoan-dalana ilaina hanaovana fihetsiketsehana.

Na izany aza, izay natomboka ho diabe milamina natao hiampangana ny kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantana, dia nivadika ho fifanenjehana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy rehefa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ny olona – na lahy na vavy – nanao diabe niainga tao amin'ny Tom Mboya nankany amin'ny Zaridaina Jeevanjee sady miantsoantso hoe “Lipa Kama Tender” (“Aloavy tahaka ny nandoavanao ireo nahazo tolo-bidy”) sy “Take Back Kenya na Avereno [aminay] i Kenya” ny manampahefana, ary mandritra izany diabe izany no mikalo ireo hiram-pitiavan-tanindrazana.

Tsy very tamin'ny mpiserasera ny esoeson-tenin'ny Kenyana olon-tsotra voatifitry ny baomba mandatsa-dranomaso nandritra ny fetin'ny fahaleovantenan'ny firenena, izay maro tamin'ireo mpiserasera no nanomboka niantso ny Jobilin'ny antokon'ny fitondrana ho manakotakona ny tena fahalalahana nitoloman'ny Kenyana mafy 53 taona lasa izay.

Manjaka ao Kenya ny kolikoly; mbola tazonin'ny firenena ny laharan'ny fahantrany tamin'ny herintaona ao amin'ny Tondro [Filaharan'ny] Kolikoly Manerantany avy amin'ny Transparency International (CPI), mahazo isa 25 ao anatin'ny fandrefesana manomboka amin'ny aotra (0) ka hatramin'ny 100 ( ny aotra no kolikoly ambony indrindra, ary ny isa 100 no madio indrindra)

Mampiseho ny fikarohan'ny PricewaterhouseCoopers nivoaka tamin'ny Febroary 2016, fa i Kenya no firenena fahatelo mpanao kolikoly indrindra manerantany, fantatra tamin'ny nitenenany ny filoha Kenyana fa tsy afa-miady amin'ny kolikoly ny governemantany. Azo lahatsary izy nilaza hoe: “”Sasa mnataka nifanye”” (“Inona no tianao ataoko ankehitriny”), ho setrin'ny filazana fihanaky ny kolikoly eo amin'ny governemantany manokana.

Ny hetsika #TakeBackKenya dia notarihin'ny Kenyana saranga antonony, mpahay aterineto, matetika voatsikera ho “mpiadin'ny kitendry”. Voampanga ho nandray anjara antserasera tamin'ny fanozongozonana isian'ny fahaiza-mitantana sy ny tamberin'andraikitry ny fanjakana ity vondrona ity taloha.

Ity no voalohany amin'ny hetsika tarihin'olom-pirenena, tsy mpikambana mihitsy amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena, nitondra ny heviny, ny fahadisoam-panantenany ary nitaky fanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny tamberin'andraikitra nanomboka teo amin'ny sehatra media sosialy ka hatrany amin'ny sehatra ivelan'ny aterineto.

Nalaza tao amin'ny firenena ny #TakeBackKenya nandritra ny fetin'ny Jamhuri ary lasa hetsika tena izy, nahafahan'ny Kenyana namoaka fanontaniana henjana — indrindra fa tamin'ny fotoana nanaovan'ny dokoteram-panjakana Kenyana fitokonana naharitra herinandro manerana ny firenena. Mitaky fampakarana ny karama ry mpiasan'ny fahasalamana noho ny tantara ratsin'ny fanodikodinana volam-bahoaka voalaza fa norobain'ny Minisiteran'ny Fahasalamana — ilay minisitera anakaraman'ny governemanta azy ireo.

Tonga tamin'ny fotoana nitakian'ny dokotera sy ny olon-tsotra Kenyana — mampiasa ny tenirohy #LipaKamaTender — fa tokony handoa ireo matihanin'ny fahasalamana tahaka ny nandoavany ireo nahazo ny tolo-bidy tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ny governemanta.

Na dia nohazavain'ireo mpikarakara ny #TakeBackKenya aza fa fitarihana ny olom-pirenena handray anjara sy fisantarana andraikitr'olom-pirenena mavitrika ny ataon-dry zareo, notondroin'ny trano fampahalalam-baovao Kenyana ho mpikatroka kosa ireo mpandray anjara.

Tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny hetsika antserasera, namoaka ny fitakiany ho an'ny “fitondrana mpandroba an”i Kenya” i Louis Mulema:

Ny fangatahako amin'ny fitondrana mpandroba ankehitriny. Avereno [amiko] i Kenya ry Kenyana

Nampiasa ny ampahan'ny kabarin'ny filoha Kenyatta tamin'ny Andro Jamhuri hamelezana azy kosa ny mpisera Twitter hafa. Nanoratra i Fundi Ndegz:

Alaivo an-tsaina ianao miaraka amin'ny baomba mandatsa-dranomaso

Nanontany i Martin Ndambuki:

Ankoatra ny “ry Kenyana namako”, inona amin'ny kabarin'ny filoha Kenyatta no marina?

Amin'ny famaliana ny fanambaran'ny filoha Kenyatta fa mila fanovam-pitondrana ao Kenya ny vahiny amin'ny Taona Vaovao. Nilaza i Gatwiri hoe:

Tsia. Tsy manana fitondrana i Uhuru, ny ananany dia voina tsy maintsy atsahatra amin'ny taona 2017. Filoha mahakivy tokoa ry Andriamanitro ô

Hifidy ny Kenyana amin'ny Aogositra 2017, ary masaka ny tsy fahafaham-pon'ny vahoaka amin'ny zava-misy ankehitriny

Loise Kinuthia nisioka hoe:

Ny halatra ataon'ny fitarihana ao Kenya, indray andro any, hangalatra ny kaontin'ny bankin'izy ireo manokana ihany izy ireo, mihevitra fa kaontim-panjakana izany.

Mandritra izany fotoana izany, nieritreritra i Waiguru fa na dia manana Vaomieran'ny Etika sy Ady amin'ny Kolikoly toa mahatsikaiky i Kenya dia toa mampihomehy ihany izany.

Tsy natao hiady amin'ny kolikoly ny asan'ny EACC fa toa mody natao ho amin'izany! #Krizim-pahasalamanaKe #HazaoSolokyBanky   #ReseoKolikolyKE #TakeBackKenya PDG Halakhe Waqo

Niresaka momba ny zava-niainany tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny diabe i Kate Mbuto:

Fihetsiketsehana sambany nandraisako anjara ny #TakeBackKenya. Natahotra mafy aho ka tsy nisakafo maraina akory. Saingy nianatra ny hijoro hahazo fahefana

Satria mitohy ao amin'ny aterineto hatrany ny tenirohy #TakeBackKenya, marobe ireo Kenyana manomboka mizara hafatra mangataka amin'ireo olom-pirenena hafa mba hitsangana hanohitra ny kolikoly. Mety ho Lohataona Arabo ao Kenya ve ity?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.