- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taombaovao Mankalaza Ny Fimaroana ao Bangladesh: Raki-Peo Mankany Amin'ny Lalina

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Global Voices Podcast

Diabe ara-pivavahana ataon'olona an'arivony manavatsava ny araben'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh isan-taona ny Mangal Shobhajatra, io no manamarika ny fanombohan'ny Taombaovao Bengali amin'ny volana avrily.

Vao haingana teo ny UNESCO no nanendry ity Filaharambe ity ho Vakoka Ara-kolontsaina Tsy Tsapain-tanana [1]. Saingy misy amin'ity jerena ho toy ny lanonana an-dalambe fotsiny ity no mametraka azy ho fahaiza-mamorona mampijoro ny firaisankina — sy miady amin'ireo herin'ny tsy fahazakana miezaka mitady izay hampisaraka sy hangeja ny Bangladeshis.

Amin'ity fizaran-tantara Mankany amin'ny Lalina ity, misy ny fandraisam-peo Global Voices mangady lalina lohahevitra iray izay tsy mahazo ny tati-baovao mendrika azy, milaza amintsika ny rehetra momba ity Mangal Shobhajatra ity ry Pantha sy ry Rezwan samy mpandray anjara ato amin'ny Global Voices.

Ao anatin'ny fotoana izay toa miaka-danja ao Eoropa sy Etazonia ary ny faritra maro hafa manerana izao tontolo izao ny fankahalam-bahiny, dia i Bangladesh sy ny filaharambeny mandritra ny Taombaovao tsy manam-paharoa ataony angamba no mety hanome aingam-panahy amin'ny fomba iatrehana sy anoherana ireo mamafy ny foam-pisarahana ireo.

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany ny Ray Gun – FasterFasterBrighter avy amin'i Blue Dot Sessions [2]; Dramamine avy amin'i Podington Bear [3]; Tribal avy amin'i David Szesztay [4]; Stuck Dream avy amin'i Podington Bear [5]; ary i Ally Pally Happy Clappy avy amin'i krackatoa [6].

Asongadinay ihany koa ny Duur Deshi Shei Rakhaal Chhele (Acapella) – Rabindrasangeet – Anirban Chakraborty [7] avy amin'ny SoundCloud sy ny feo avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan'ny mpisera Azim Khan Ronnie [8] sy nazmulsoft [9].

Ny sary nasongadina [10] amin'ity tantara ity dia avy amin'ny mpisera Flickr Aaapon (CC BY-NC 2.0).