Topimason'ny Lafiny Mampihomehy Amin'ny Krismasin'i Amerika Latina Ao Amin'ny YouTube

Captura de pantalla del video de Woki Toki, disponible en Youtube.

Dikasarin'ny lahatsary notontosain'i Woki Toki hita ao amin'ny YouTube.

Mankalaza ny vanin-taona noely ihany koa ny fantsona mampihomehy ao amin'ny Youtube ao Amerika Latina, ary milaza zavatra betsaka momba ny fomba mahazatra ny firenen-dry zareo ny votoaty avoakany.

Mihomehy amin'ireo fanantenana ambony ananan'ny maro amin'ny fankalazana ny fety ny sasany amin'ireo lahatsary — sy ny fifangarihany amin'ny zava-misy ankitsirano. Ny sasany kosa manavatsava ny fiarahan'ireo fianakaviana sy namana mba hilaza tantara.

Fantsona mampihomehy malaza avy ao Shily ny Woki Toki. Tantarain'ny lahatsarin'izy ireo iray indray ireo karazana fanomezana voarain'ny olona sy ny olona manao azy. Misy ireo namana mandainga momba ny fanomezana, sy ny hafa mety ho masiaka (manome menaka manala ketrona ho an'ny  sipany), ary ny tia tanindrazana tafahoatra manome vy ho an'ny sipany, ary ny  “finamanana” manome peratra ho an'ny vehivavy iray, ary diso fanantenana avy eo satria noraisiny ho namana tsotra (ilay lehilahy  nanolotra ny fanomezana).

Mandritra izany fotoana izany. avy ao Shily ihany koa. Mitanisa ireo zavatra mitranga i Laf rehefa mitady fanomezana krismasy amin'ny minitra farany ny olona :

Avy ao Arzantina, nampifangarika ny zavamisy sy ny fanantenana i Ceci Saia, ary nampivoitra ny maha-zava-dehibe ny fikarakarana raha hanao lanonana, ny tsi-fifanarahan-kevitry ny fianakaviana ary ny hafanana fahavaratra mandritra ny noely arzantiniana:

Any avarabaratra kokoa ao Colombia, namelatra tantara momba ny noely ao Colombia, ny fomba fiarahan'ny olona, mihaino ny tantaran'ireo havana efa zokiolona, ary manaraka ny fombam-pivavahana mba hahazoana vatomamy sy fanomezana indrindra indrindra ny fantsona mpampihomehy Humor Latino:

Farany, ao amin'ny fantsona YouTube Latino monina ao Etazonia antsoina hoe Flama i Joanna Hausman no manome lisitra amin'ny teny anglisy fomba fankalazana krismasy “hafahafa” any amin'ny firenena Amerikana Latina maro, ary mampiseho ny karazam-pimaroana maroloko sy ny fomba fitadiavam-bolan'ny fankalazana manerana ny faritra:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.