Tamin'ny 8 Desambra lasa teo no nampandriana hiala sasatra [2] [nalevina] tao an-drenivohitra Alger i Mohammad Tamalt, Alzeriana 42 taona sady mpampita vaovao no bilaogera. Nanomboka tsy nahatsiaro tena [3] i Tamalt tamin'ny faramparan'ny volana Aogositra teo rehefa nitokona tsy nihinan-kanina naharitra roa volana ho fanoherana ny fisamborana azy.
Ny helony? Namoaka tao amin'ny Facebook ny tononkalo sy ny lahatsary ahitana fanehoan-kevitra izay heverina ho mahasosotra ny filoha Abdelaziz Bouteflika, 79 taona sy ny Praiminisitra Abdelmalek Sellal.
Tamin'ny 11 Jolay, nomelohin'ny [4] fitsarana tao Alger higadra roa taona sy handoa onitra 200.000 dinara alzeriana (tokony ho 1.800 dolara amerikana) noho ny fanevatevana an'i Bouteflika sy ny andrim-panjakana araka ny andinin-dalàna famaizana faha-144, faha-144 bis ary faha-146 i Tamalt. Nohamafisin'ny fitsarana ambony ny fanamelohana azy iray volana taty aoriana
Mety hiezaka hiala andraikitra amin'ny fahafatesan'i Tamalt ny manampahefana Alzeriana. Tao amin'ny fanambaràna iray ny sampan-draharaha misahana ny fonja ao amin'ny firenena no nilaza [5] fa nahazo fanarahamaso sy fanafody i Tamalt nandritra ny fotoana nanaovany fitokonana tsy hihinan-kanina, ary simba vetivety ny fahasalamany taorian'ny fahitana fitomboan'aretin'havokavoka [6] tsikaritra tamin'ny 4 desambra. Fa ny manampahefana Alzeriana no nanagadra sy nampangina an'i Tamalt tsy hiteny intsony noho ny fanaovana tsikera, hiarovana ilay filoha efa ratsy ny toe-pahasalamany, ary efa teo amin'ny fahefana hatramin'ny taona 1999.
Nanoratra i Ihsane EL Kadi, mpanitsy lahatsoratra sady mpampita vaovao ao amin'ny fampitam-baovao an-tserasera Maghreb Emergent fa “Namono nahafaty ny fitondrana Alzeriana”:
Le pouvoir politique algérien a commis deux erreurs. Infamantes pour l’Histoire. Il a mis Mohamed Tamalt en prison pour un délit qui ne doit pas conduire à la détention, en 2016, dans les pays respectueux de la presse et des journalistes ; Il a persisté à le laisser en prison lorsque sa grève de la faim a clairement mis, dès la fin juillet, sa santé en danger.
Nanao fahadisoana anankiroa ny fahefana ara-politika alzeriana. Mampalaza ratsy eo amin'ny Tantaram-pirenena. Nampiditra am-ponja an'i Mohamed Tamalt amin'ny fahadisoana tsy tokony ho tonga any amin'ny fitazonana an-tranomaizina, amin'izao taona 2016 izao, any amin'ny firenena manaja ny gazety sy ny mpampita vaovao. Mikiry amin'ny fitazonana azy an-tranomaizina na dia efa niharihary aza fa nampidi-doza ny fahasalamany ny fitokonany tsy hihinan-kanina hatramin'ny farany volana jolay.
Mametraka ho tompon'andraikitra ny governemanta Britanika ihany koa ny mpanohana, satria mizaka zom-pirenena Alzeriana sy Britanika i Tamalt. Nisioka i Sirine Rached, mpikaroka Afrika Avaratra ao amin'ny fikambanana iraisampirenena mpandala ny zon'olombelona Amnesty:
Journalist #MohamedTamalt [7], RIP, was also British. What did the @foreignoffice [8] do for his release? cc @NewsFromAmnesty [9] @AmnestyAlgerie [10]
— Sirine (@sirine_ai) December 11, 2016 [11]
Britanika ihany koa i #MohamedTamalt, mpampita vaovao, mandria am-piadanana. Inona no nataon'i @foreignoffice ho famotsorana azy? cc @NewsFromAmnesty @AmnestyAlgerie
Tamin'ity taona ity fotsiny dia efa maro ireo Alzeriana, na mpampita vaovao na bilaogera no nentina teny amin'ny fitsarana sy nogadraina noho ny fanehoan'izy ireo ny heviny an-tserasera. Tamin'ny farany volana mey izao i Belkacem Khencha, sendikalista sady mpikatroka no nomelohina higadra enim-bolana an-tranomaizina noho ny famoahana lahatsary [12] tao amin'ny Facebook namelaka tehamaina tamin'ny fanagadrana mpiara-miasa iray, raha nodidiana handoa onitra 100.000 dinara alzeriana (tokony ho 1000 dolara amerikana eo ho eo) noho ny famoahana sarim-panesoana [13] ny filoha tao amin'ny Facebook i Zoulikha Belarbi, mpikatroky ny zon'olombelona, tamin'ny volana marsa.
Tsy manam-pitsaharana ny famoretana.
Eo am-pisaziana herintaona noho ny “fanevatevana andrim-panjakana” tao amin'ny media sosialy amin'izao fotoana izao i Hassan Bouras, mpampita vaovao, rehefa nomelohin'ny fitsarana ambaratonga voalohany iray ao amin'ny faritanin'i El-Bayadh ao Alzeria tamin'ny 28 Novambra.
#Algeria [15] – HRD & journalist Hassan Bouras detained and sentenced to one year imprisonment https://t.co/dK3aUffkzu [16] pic.twitter.com/emRgMqhrOT [17]
— Front Line Defenders (@FrontLineHRD) November 29, 2016 [18]
Alzeria, Hassa Bouras, mpiaro ny zon'olombelona sady mpampita vaovao, notazonina sy nohelohina higadra herintaona
Araka ny nolazain'ny vondron'ny zon'olombelona, nohelohina noho ny namoahany lahatsary iray tao amin'ny Facebook i Bouras. Navoitran'ny lahatsary tao ireo olom-pirenena nitsikera ny polisy, Niteny tao amin'ny Twitter ny Reporters Sans Frontiéres.
#Algérie [19] @RSF_inter [20] dénonce condamnation Hassan Bouras à 1 année prison ferme par trib.AlBayadh 1/2 pic.twitter.com/8IM1Tsdj3j [21]
— RSF_NordAfrique (@RSF_NordAfrique) December 5, 2016 [22]
Melohin'ny Reporters Sans Frontiéres ny fanagadran'ny Fitsarana ao AlBayadh herintaona an'i Hassan Bouras.
#Algérie [19] Hassan Bouras condamné suite pub. vidéo où des citoyens dénoncent des pratiques policières douteuses 2/2 pic.twitter.com/kVdTbgYMw9 [23]
— RSF_NordAfrique (@RSF_NordAfrique) December 5, 2016 [24]
Nohelohina i Hassan Bouras taorian'ny namoahany lahatsary ahitana olom-pirenena miampanga ny fomba mampiahiahy fanaon'ny polisy
Tsy sasatry ny enjehina [25] ara-pitsarana noho ny fikatrohany amin'ny fandalàna ny zo sy noho ny asany amin'ny maha-mpampita vaovao azy i Bouras, izay mpikambana ihany koa ao amin'ny Ligy Alzeriana Mpandala ny Zon'Olombelona. Nosamborina tao an-tranony izy tamin'ny 2 Oktobra 2015 ary notazonina an-tranomaizina mihoatra ny telo volana noho ny “fandrisihana hanao herisetra sy hikomy amin'ny fanjakana” sy “fanivaivana ny andrim-panjakana.” Nohelohina hifonja roa volana izy tamin'ny taona 2008 noho ny fitaterany trangan-kolikoly, ary nohelohina higadra roa taona izy tamin'ny taona 2003 noho ny fanevatevana andrim-panjakana ary noraràna tsy hahazo mitati-baovao nandritra ny dimy taona.
Nandoa ny sanda avo indrindra noho ny nampitenenany malalaka ny tao an-tsainy i Tamalt. Hanery ny governemanta alzeriana hanaiky ny halafon'ny fampanginana izay mitsikera azy ve izao, alohan'ny isian'ny famoizana na fahapoteham-piainana noho ny lahatsoratra kely amin'ny Facebook? Mbola hojerena mazava tsara moa hoe ohatrinona ny sandan'izany ho an'i Alzeria ary inona no mety ho fiovana aterany ho setriny.