Ny Halafon'ny Fangejana ny Fitenenana ao Alzeria: Fiainana sy Fahafahana

A painted portrait of Algerian President Abdelaziz Bouteflika., whose criticism is banned under the country's Penal Code. Photo: Thierry Ehrmann, courtesy of Organ Museum

Hosodoko sarintavan'ny Filoha Alzeriana Abdelaziz Bouteflika, izay voararan'ny Lalàna Famaizana ao amin'ny firenena ny fitsikerana azy. Saripika: Thierry Ehrmann, nindramina tamin'ny Organ Museum

Tamin'ny 8 Desambra lasa teo no nampandriana hiala sasatra [nalevina] tao an-drenivohitra Alger i Mohammad Tamalt, Alzeriana 42 taona sady mpampita vaovao no bilaogera. Nanomboka tsy nahatsiaro tena i Tamalt tamin'ny faramparan'ny volana Aogositra teo rehefa nitokona tsy nihinan-kanina naharitra roa volana ho fanoherana ny fisamborana azy.

Ny helony? Namoaka tao amin'ny Facebook ny tononkalo sy ny lahatsary ahitana fanehoan-kevitra izay heverina ho mahasosotra ny filoha Abdelaziz Bouteflika, 79 taona sy ny Praiminisitra Abdelmalek Sellal.

Tamin'ny 11 Jolay, nomelohin'ny fitsarana tao Alger higadra roa taona sy handoa onitra 200.000 dinara alzeriana (tokony ho 1.800 dolara amerikana) noho ny fanevatevana an'i  Bouteflika sy ny andrim-panjakana araka ny andinin-dalàna famaizana faha-144, faha-144 bis ary faha-146 i Tamalt. Nohamafisin'ny fitsarana ambony ny fanamelohana azy iray volana taty aoriana

Mohamed Tamalt. Image from the Arabic Network for Human Rights Information (CC BY-NC-ND 4.0)

Mohamed Tamalt. Sary avy amin'ny Tambajotra arabo mandala ny Zo Hahazo Vaovao (CC BY-NC-ND 4.0)

Mety hiezaka hiala andraikitra amin'ny fahafatesan'i Tamalt ny manampahefana Alzeriana. Tao amin'ny fanambaràna iray ny sampan-draharaha misahana ny fonja ao amin'ny firenena no nilaza fa nahazo fanarahamaso sy fanafody i Tamalt nandritra ny fotoana nanaovany fitokonana tsy hihinan-kanina, ary simba vetivety ny fahasalamany taorian'ny fahitana fitomboan'aretin'havokavoka tsikaritra tamin'ny 4 desambra. Fa ny manampahefana Alzeriana no nanagadra sy nampangina an'i Tamalt tsy hiteny intsony noho ny fanaovana tsikera, hiarovana ilay filoha efa ratsy ny toe-pahasalamany, ary efa teo amin'ny fahefana hatramin'ny taona 1999.

Nanoratra i Ihsane EL Kadi, mpanitsy lahatsoratra sady mpampita vaovao ao amin'ny fampitam-baovao an-tserasera Maghreb Emergent fa “Namono nahafaty ny fitondrana Alzeriana”:

Le pouvoir politique algérien a commis deux erreurs. Infamantes pour l’Histoire. Il a mis Mohamed Tamalt en prison pour un délit qui ne doit pas conduire à la détention, en 2016, dans les pays respectueux de la presse et des journalistes ; Il a persisté à le laisser en prison lorsque sa grève de la faim a clairement mis, dès la fin juillet, sa santé en danger.

Nanao fahadisoana anankiroa ny fahefana ara-politika alzeriana. Mampalaza ratsy eo amin'ny Tantaram-pirenena. Nampiditra am-ponja an'i Mohamed Tamalt amin'ny fahadisoana tsy tokony ho tonga any amin'ny fitazonana an-tranomaizina, amin'izao taona 2016 izao, any amin'ny firenena manaja ny gazety sy ny mpampita vaovao. Mikiry amin'ny fitazonana azy an-tranomaizina na dia efa niharihary aza fa nampidi-doza ny fahasalamany ny fitokonany tsy hihinan-kanina hatramin'ny farany volana jolay.

Mametraka ho tompon'andraikitra ny governemanta Britanika ihany koa ny mpanohana, satria mizaka zom-pirenena Alzeriana sy Britanika i Tamalt. Nisioka i Sirine Rached, mpikaroka Afrika Avaratra ao amin'ny fikambanana iraisampirenena mpandala ny zon'olombelona Amnesty:

Britanika ihany koa i #MohamedTamalt, mpampita vaovao, mandria am-piadanana. Inona no nataon'i @foreignoffice ho famotsorana azy? cc @NewsFromAmnesty @AmnestyAlgerie

Tamin'ity taona ity fotsiny dia efa maro ireo Alzeriana, na mpampita vaovao na bilaogera no nentina teny amin'ny fitsarana sy nogadraina noho ny fanehoan'izy ireo ny heviny an-tserasera. Tamin'ny farany volana mey izao i Belkacem Khencha, sendikalista sady mpikatroka no nomelohina higadra enim-bolana an-tranomaizina noho ny famoahana lahatsary tao amin'ny Facebook namelaka tehamaina tamin'ny fanagadrana mpiara-miasa iray, raha nodidiana handoa onitra 100.000 dinara alzeriana (tokony ho 1000 dolara amerikana eo ho eo) noho ny famoahana sarim-panesoana ny filoha tao amin'ny Facebook i Zoulikha Belarbi, mpikatroky ny zon'olombelona, tamin'ny volana marsa.

Tsy manam-pitsaharana ny famoretana.

Algiers at sunset. Photo by Faten Aggad via Wikimedia Commons (CC BY 3.0)

Algiers amin'ny  filentehan'ny masoandro. Saripikan'i Faten Aggad via Wikimedia Commons (CC BY 3.0)

Eo am-pisaziana herintaona noho ny “fanevatevana andrim-panjakana” tao amin'ny media sosialy amin'izao fotoana izao i Hassan Bouras, mpampita vaovao, rehefa nomelohin'ny fitsarana ambaratonga voalohany iray ao amin'ny faritanin'i El-Bayadh ao Alzeria tamin'ny 28 Novambra.

Alzeria, Hassa Bouras, mpiaro ny zon'olombelona sady mpampita vaovao, notazonina sy nohelohina higadra herintaona

Araka ny nolazain'ny vondron'ny zon'olombelona, nohelohina noho ny namoahany lahatsary iray tao amin'ny Facebook i Bouras. Navoitran'ny lahatsary tao ireo olom-pirenena nitsikera ny polisy, Niteny tao amin'ny Twitter ny Reporters Sans Frontiéres.

Melohin'ny Reporters Sans Frontiéres ny fanagadran'ny Fitsarana ao AlBayadh herintaona an'i Hassan Bouras.

Nohelohina i Hassan Bouras taorian'ny namoahany lahatsary ahitana olom-pirenena miampanga ny fomba mampiahiahy fanaon'ny polisy

Tsy sasatry ny enjehina ara-pitsarana noho ny fikatrohany amin'ny fandalàna ny zo sy noho ny asany amin'ny maha-mpampita vaovao azy i Bouras, izay mpikambana ihany koa ao amin'ny Ligy Alzeriana Mpandala ny Zon'Olombelona. Nosamborina tao an-tranony izy tamin'ny 2 Oktobra 2015 ary notazonina an-tranomaizina mihoatra ny telo volana noho ny “fandrisihana hanao herisetra sy hikomy amin'ny fanjakana” sy “fanivaivana ny andrim-panjakana.” Nohelohina hifonja roa volana izy tamin'ny taona 2008 noho ny fitaterany trangan-kolikoly, ary nohelohina higadra roa taona izy tamin'ny taona 2003 noho ny fanevatevana andrim-panjakana ary noraràna tsy hahazo mitati-baovao nandritra ny dimy taona.

Nandoa ny sanda avo indrindra noho ny nampitenenany malalaka ny tao an-tsainy i Tamalt. Hanery ny governemanta alzeriana hanaiky ny halafon'ny fampanginana izay mitsikera azy ve izao, alohan'ny isian'ny famoizana na fahapoteham-piainana noho ny lahatsoratra kely amin'ny Facebook? Mbola hojerena mazava tsara moa hoe ohatrinona ny sandan'izany ho an'i Alzeria ary inona no mety ho fiovana aterany ho setriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.