- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakoako Maneran-tany Ny Fanoheran'ny Amerindiana Ny Fantson-Drano Lehibe Ao Standing Rock

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Zon'olombelona
Illustration by Nicolas Lampert. Made freely available by artist collective Justseeds. [1]

Sary nataon'i Nicolas Lampert. Nataon'ny fiombonan'ny mpanakanto any Etazonia Justseeds [2] azo zaraina.

Nanentana foko Amerindiana anjatony [3] sy firaisan-kina  manerana izao tontolo izao ny hetsi-panoherana tao amin'ny Toerana Standing Rock any Avaratr'i Dakota. Manohitra ny fananganana ny Dakota Access Pipeline [4] (Fidiran'ny Fantsona ao Dakota) ny hetsi-panoherana, tetikasa mitentina  lavitrisa dolara maro izay hitondra  barika-nà akoran'afo miisa dimy hetsy isan'andro  manerana ny faritra avaratr'i Etazonia. Mety handoto ny Reniranon'i Missouri ny fantsona, izay loharano fototra ho an'ny faritra ary mety hiampita ihany koa ny  toeram-pandevenana malaza Sioux .

Mbola mitohy ny tolona na dia nilaza aza ny governemantan'i Etazonia tamin'ny herinandro lasa fa tsy hanamora ny fanomezan-dalana ho an'ny fanorenana Dakota Access Pipeline (zo hiampita, na hampiasa ny tanin'olontsotra iray) eo ambanin'ny Farihy Oahe ry zareo. Nilaza ny fanambarana fa ilaina ny fanadihadiana bebe kokoa ary hodinihina ny fiantraikan'izany ara-tontolo iainana [5] . Nilaza  ireo mpanao fihetsiketsehana fa mikasa ny hijanona ao amin'ny toby [6] manodidina ny farany avaratry ny toerana arovana izy ireo.

Nanomboka tamin'ny Aprily 2016 ny hetsi-panoherana ao Standing Rock, rehefa nanangana toby mba hanakanana ny fanorenana ny  fikambanan'ny foko Sioux ao an-toerana. Antsoina hoe “mpiaro ny rano ” noho ny fanoloran-tenan'izy ireo hiaro ny Reniranon'ny Missouri avy amin'ny mety ho fandotoana azo avy amin'ny fanorenana ny fantsona ireo mpikatroka  ary nampihatra tetika am-pilaminana mba hanoherana ny fanorenana.

Na izany aza, niatrika valiny mahery vaika avy amin'ny polisy [7] ny tobin'izy ireo tato anatin'ny volana, anisan'izany ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, tifitra bala fingotra, ary tifitra rano ambanin'ny maripana mampivaingana. Nampiasa teknika fanaraha-maso samihafa [8] ihany koa ny polisy  mba hamantarana izay nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana sy ny hoe inona marina no ataon'izy ireo ao amin'ny toby.

Ho hitanao ato amin'ity lahatsary manaraka [9] ity ny tantara sasany avy amin'ny mpikatroka tompontany eo anoloan'ny tsipika:

Firaisankina maneran-tany

Amin'ny tenirohy antson'ny tolona #NoDAPL sy #FiainanaNyRano,  miray hina miaraka amin'izao tontolo izao ireo mpikatroka, avy amin'ny vondrona tahaka ny hetsika  Black Lives Matter [10]  (Manankasina ny Ain'ny Mainty Hoditra) sy ny Code Pink [11] (Kaody Mavokely) any Etazonia, izay mijoro manohitra ny herisetra sy ny fanavakavahana amin'ireo Amerikana Afrikana, sy ireo mpikatroka avy any Afovoany Atsinanana sy mponina tompontany avy any Nouvelle-Zélande ka hatrany Amerika Latina.

Nitombo ny fanohanana tato anatin'ny volana ho an'ny Standing Rock, miaraka amin'ireo fikarakarana firaisankinan'ny hetsi-panoherana any Palestina [12] sy Maraoka [13] ary tanàna am-polony hafa avy amin'izao tontolo izao . Nirahana ho any Standing Rock ny mpanara-maso avy amin'ny Firenena Mikambana [14] mba hanara-maso ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny zavatra maro hafa, anisan'izany ny bekotromaroholatry ny Tafika Amerikana [15], ary nitsidika ny toby mba hanome fanohanana ho an'ny mpiaro ny rano .

Tamin'ny Oktobra, nitatitra ny loharanom-baovao tao an-toerana fa nanaraka ny hetsiky ny mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Facebook [16] ny Sherifan'ny Fari-piadidian'i Morton, tamin'ny ezaka mba hanaraha-maso ny hetsik'izy ireo. Nahatonga olona an-tapitrisa maro hanatevin-daharana any amin'ny Standing Rock izany tao anatin'ny fikasana hanome fahasarotana ny ezaky ny polisy. Na dia nandà ny fampiasana [17] ny Facebook aza anefa ny Sherifa hanaraha-maso ny hetsi-panoherana,  hita nieli-patrana manerana izao tontolo izao ny fanehoan'ireo olona firaisan-kina tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana.

Naneho  ny fanohanany ny Standing Rock ihany koa ireo mpikatroka tompontany manerana izao tontolo izao. Tamin'ny Oktobra,  nankany Standing Rock ny vehivavy Mayana avy any Goatemalà [18] tamin'ny ezaka hanorina firaisan-kina miaraka amin'ireo mponina tompontany miady amin'ny tontolon'ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fiarovana ny tany sy ny tanindrazana. Mbola tantara lava ny fiarovana ny tany sy ny aina manoloana ny fandrahonana ny tontolo iainana  any Goatemalà, raha mbola mitohy hatramin'izao ny famoretana ataon'ny governemanta amin'ny hetsiky ny tompontany sy ny vahoaka  .

Tao amin'ny tambajotram-baovao Amerikana Latina Telesur eo amin'ny lahatsary eto ambany, nandefa hafatra ho an'ny foko Sioux ao Standing Rock [19] i Juanita Lopez avy amin'ny  Vaomiera Maya Mam. Hoy izy:

You are lighting a path for our people. And you have tremendous responsibility and a gift in this moment for uniting so many people. Stay strong. Be strong. And you have relatives all over the world to stand with you. And even though it's for a brief moment, we will take it with us, and it will be forever in our memory and in our hearts.

Fitarikandron'ny vahoakanay ianareo. Ary manana andraikitra goavana sy fanomezana amin'ity fotoana mampiray ny olona maro ity. Mahereza hatrany. Mahetanjaha. Ary manana havana mijoro miaraka aminareo ianareo manerana izao tontolo izao . Ary na dia mandritra ny fotoana fohy aza izany, dia hitondra izany miaraka aminay izahay, ary ho fahatsiarovana mandrakizay ao an-tsaina sy ao am-ponay .

Nitsidika ny mpikambana ao amin'ny Mesoamerican Alliance of Peoples and Forests [20] (Fiombonan'ny Vahoaka sy Ala Mesoamerikana) ny mpitarika  ny hetsiky ny tompontany Amerikana Latina malaza hafa toa an'i Cándido Mezúa Salazar avy ao Panama.

Tao amin'ny antsafa [21] niarahana tamin'ny gazety espaniola El Pais, niresaka momba ny maha zava-dehibe ny firaisan-kinan'ny tompontany i Salazar  indrindra amin'ny olan'ny fitsarana ara-tontolo iainana any amin'ny faritra. ” Misy eo amin'ny vondrom-piarahamonina  tompontany any amin'ny faritra Avaratra, Afovoany, Atsimo ny fifandraisana ara-tantara, ary misy ny ohatra maro momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny vahoakanay,” hoy Salazar.

Hoy ihany koa izy:

We have been fighting for years in order to have our ties to our lands respected and for the recognition of our rights.

Niady nandritra ny taona maro izahay, mba hanananay fifandraisana amin'ny tany fanajanay sy ho amin'ny fanekena ny zonay.