- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampangain'ny Mpitondra Tenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana ho Miara-miasa Amin'ny ISIS ny Facebook

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanampenam-bava, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Maria Zakharova, in lawn gnome form. Image: Facebook [1]

Maria Zakharova, namboarina endrika sarin'olona fohy . Sary: Facebook

Niampanga ny mpandrindra ny Facebook ho miasa ho an'ny Fanjakana Islamika i Maria Zakharova, mpitondra teny marolokon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Rosia, taorian'ny tsy namoahan'ny tambajotra  vonjimaika ny iray tamin'ireo lahatsorany tamin'ny Alatsinainy.

Fotoana fohy taorian'ny nanamafisan'i Moskoa tamin'ny fomba ofisialy ny fahafatesan'i Andrei Karlov, ambasadaoron'i Rosia any Torkia, namoaka sary tao amin'ny Facebook i Zakharova , mampiseho an'i Karlov nijoro teo anoloan'i Mevlut Mert Altintas, ilay olona nitifitra azy avy any aoriana fotoana tatỳ aoriana. Nanampy soratra fanazavana i Zakharova hoe “Tsy tiako rehefa mitifitra ahy avy any ivoho ianao” — izay andininy amin'ny tononkira malaza an'ilay poeta Rosiana Vladimir Vysotsky.

Niseho tamin'ny endrika Aterineto “mpanakivy” ny sary ka mety ho tsy nanaja ny mpiseran'ny media sosialy sasany ary nahatonga ny fitarainana.

Toa nieritreritra ny fihetsik'i Zakharova ho fanitsakitsahana ny fepetran'ny tolotry ny tambajotra ny mpandrindran'ny Facebook, ary tsy hita tao amin'ny pejiny ny sary rehefa afaka sivy ora.

Nahita ihany koa ny fampitam-baovao Rosiana fa nanjavona tao amin'ny pejy Facebook-n'i Zakharova ny sary, ary farafahakeliny ny seha-baovao iray, ny Gazeta.ru, no nitatitra [2] fa i Zakharova ihany no namafa izany .

Navoitran'i Zakharova, na izany aza, taorian'izay fa tsy namafa na inona na inona izy. Niampanga ny mpandrindra ny Facebook izy tao amin'ny lahatsoratra vaovao [3] ho manao “asa fanakorontanam-baovao,” sady nanontany tamin'ny feo mafy raha miara-miasa amin'ny mpikambana Fanjakana Islamika ilay tranonkala.

Удаление админами компании Фейсбук из моего аккаунт фотографии убитого посла Андрея Карлова – это акт не цензуры, но информационной диверсии.
В курсе ли компания, кто эти админы и какие цели они преследуют? Возможно, это игиловцы?

Tsy sivana ny famafana ny sarin'ilay Ambasadaoro Andrei Karlov tao amin'ny kaontiko izay nataon'ny mpandrindra ny Facebook, fa asa familiam-baovao. Moa ve fantatry ny orinasa hoe iza ireo mpandrindra ireo, ary inona no tanjona kendren'izy ireo? Angamba  miaraka amin'ny Fanjakana Islamika izy ireo?

Minitra vitsy taty aoriana anefa, nanoratra [4]  tao amin'ny Facebook indray [4] i Zakharova , nizara ny vaovao mahafaly fa naverina tamin'ny laoniny ilay lahatsoratra tany am-boalohany rehefa avy “nahafafa tsy nahy ilay lahatsoratrao ny ekipa Facebook.”

“Ry namana, misaotra anareo tamin'ny fanohanana!” hoy i Zakharova tamin'ireo mpanjohy Facebook, nankalaza ny fandresena iraisana manoloana ny herin'ny familian-baovao .