- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Lahatsary Fohy Notontosain'ireo Tovolahy Kambodziana Ho Fampitsaharana ny Sotasota Ara-nofo

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Rising Voices
Screenshot from one of the short films depicting the impact of sexual harassment on women. Source: YouTube [1]

Pikantsary avy amin'ny iray amin'ireo lahatsary mampiseho ny fiantraikan'ny sotasota ara-nfo atao amin'ny vehivavy. Loharano : YouTube

Fanamby nentin'ny fanentanana iray ho an'ireo tovolahy mpamokatra lahatsary ny hisaintsaina momba ny sotasota ara-nofo sy ny filàna maika ny fampitsaharana azy io. Famokarana lahatsary fohy efa mihoatra ny ampolony no vokany, mampibaribary ny vokadratsy mandravarava ateraky ny sotasota ara-nofo sy ny fiantraikany miiba amin'ireo izay niharany ary ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny.

Ny CARE no nanohana ilay fanentanana [2], ONG iraisampirenena izay manao asanà mpisolovava ao Kambodza. Natomboky ny CARE manerana an'i Kambodza ny hetsika  #WhyStop (Nahoana no atsahatra) handrisihana ireo lehilahy hahatakatra ny tsy maintsy hampiatoana ny sotasota ara-nofo, ary manana andraikitra mivantana raisina amin'ny fampitsaharana ny herisetra manjo ny vehivavy izy ireo.

Lahatsary fohy niisa 16, novokarin'ireo mpamokatra teo anelanelan'ny 16 sy 29 taona no nofidian'ny [3] CARE,  lahatsary izay mandefa [4] hafatra mazava sy matanjaka momba ny fampitsarahana ny sotasota ara-nofo. Indro ny sasantsasany amin'ireny lahatsary ireny.

‘Atinakanjo 7  loko’

Novokarin'i Khan Khav, 18 taona, avy ao Battambang ny ‘Atinakanjo 7 loko’. Ilay lahatsary, nofidian'ny CARE ho ny tsara indrindra [5] ao anatin'ny fanentanana #WhyStop, dia milaza ny tantaran'ny ankiizivavy iray nitàna ny laharana ambony tany an-tsekoly saingy niato tsy nandeha an-dakilasy taorian'ny niainany sotasota ara-nofo:

‘Fikitikitihana iray’

Ny lahatsary novokarin'i  Stephen Row avy ao an-tanànan'i Phnom Penh renivohitra dia mitanisa ny tantara namoa-doza nanjo mpianatra iray sady mpandroso sakafo, izay niharan'ny sotasota ara-nofon'ny profesora iray. Mifarana miaraka amin'ity message [6] ity ilay lahatsary : “Afaka manova zavatra ny fikitikitihana iray”

‘Ny andro nitrangan'izany’

Lahatsary novokarin'i Long Sovitou, 16 taona, izay momba ny tanora iray naratra am-po [7] taorian'ny sotasota ara-nofo nanjo azy tany aminà toerana iray fisotroana kafe:

‘Antony 7 ho anao’

Ny lahatsarin'i Thong Phynuch dia manazava [1] ny dikan'ny sotasota ara-nofo ary miresaka momba ireo antony fito tokony hanohanan'ny lehilahy ilay fanentanana ho fampitsaharana ny herisetra ifanaovan'ny lahy sy ny vavy:

‘Fanaintainana’

Ny lahatsary novokarin'i Chea Sideith dia mandalina ny fiantraikan'ny herisetra ara-nofo mitranga any amin'ny toeram-piasana [8]:

‘Oudom’

Zanaka lahy mamaky taratasy iray nosoratan'ny rainy efa nodimandry no asongadin'ny lahatsary ‘Oudom’. Taratasy ho fampahatsiahivana azy mba hanaja ireo vehivavy eo amin'ny fiarahamonina.

‘Raha toa moa ka anabavinao izy’

Ary farany, ity lahatsary novokarin'i Run Sokheng ity dia miresaka mpianatra roalahy izay nahatsapa [9] ny hadisoan'izy ireo rehefa nisy mpiara-mianatra taminy niteny tamin'izy ireo mba hisaina ireo anabaviny isaky ny misotasota ireo vehivavy namany ry zareo.