- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lalàna Maha-be Adihevitra Any Bangladesy Manasongadina Ny Hasarotry Ny Fanambadian'ny Ankizy

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Almost half of the women population of Bangladesh are 20-24 years old. Many of them are married off before they reach 18, the legal age for marriage. Image from Flickr by SAM Nasim. CC BY 2.0 [1]

Saika ny antsasaky ny mponina vehivavy any Bangladesy dia eo anelanelan'ny 20 sy 24 taona. Maro amin'izy ireny no nampanambadiana talohan'ny faha-18 taonany, taona ara-dalàna hnadehanana manambady. Sary avy amin'ny Flickr-n'i SAM Nasim. CC BY 2.0

Tamin'ny 24 Novambra 2016, nahazo fankatoavana [2] tamin'ny kabinetra any Bangladesy ny Lalàna 2016 Mifehy Ny Fanambadian'ny Ankizy izay maha-be adihevitra. Manana tanjona hampihena ny tahan'ny fanambadian'ny ankizy any Bangladesy, helohin'ilay lalàna ny fanitsakitsahana ny taona ambany indrindra ho an'ny fanambadiana — 21 taona ho an'ny lehilahy ary 18 taona ho an'ny vehivavy — miaraka amin'ny onitra sy fanagadràna. Miovaova ny hamafin'ny sazy, miankina amin'ny toerana tazonin'ilay olona ao anatin'ilay fanambadiana.

Na izany aza, ahitana andininy vaovao ilay lalàna, milaza fa aminà “tranga manokana”, toy ny fitondrana vohoka, mahazo alalana ny zazavavy hanambady miaraka amin'ny fankatoavan'ny ray aman-dreniny sy didim-pitsarana mba “hiarovana ny voninahiny”.

Maro ireo adihevitra mitranga ao amin'ny firenena momba ity tranga manokana ity. Atahorana hanome vahana ny fanolanana sy handrisika ny fampanambadiana ny ankizy izany.

Olana maneran-tany mahakasika zazavavy 15 tapitrisa isan-taona ny fanambadian'ny ankizy. Ao anatin'ireo firenena 20 [3] izay manao ny fanambadian'ny ankizy ho fenitra i Bangladesy, na  misy aza ny lalàna manohitra izany. Vao folo taona lasa monja izay, vehivavy maro, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra, no nampanambadiana talohan'ny nahatratraran'izy ireo ny faha-18 taonany.

Mihena izany fironana izany ankehitriny noho i Bangladesh nanao ezaka lehibe amin'ny fanatratrarana ny fiovian'ny lahy sy ny vavy. Ny antony sasany manosika ny fanambadian'ny ankizy dia ny fahantrana, faniriana te-hiaro ny zazavavy, ary ny tsy fahampian'ny fanabeazana manome fahavitan-tena. Ny zazavavy iharan'ny fampanambadiana aloha loatra dia miaritra oalana ara-pahasalamàna ary iharan'ny herisetra an-tokantrano.

 Ho MORAMORA KOKOA ny mikarakara fampanambadiana ankizy any Bangladesy noho ity  fahabangana ity. #LeveltheLaw [4]

Narovan'i Sheikh Hasina, Praiminisitra ao Bangladesh, ilay andinin-dalàna vaovao tamin'ny tsikera avy amin'ireo vondrona isan-karazany mpiaro zo, anisan'izany ny Human Rights Watch, izay nitsara izany ho dingana lehibe mihemotra [7] . Nolazainy tao amin'ny parlemanta [8] fa lavitry ny tena zava-misy marina ireny fanakianana ireny.

বাস্তবতাকে বিবেচনা নিয়েই বাল্যবিবাহ আইনটি করছি। গ্রামের পারিবারিক মূল্যবোধ ও সমস্যা সম্পর্কে তাঁদের কোনো ধারণা নেই। যে কারণে তাঁদের অনেক বড় বড় কথা। এঁরা রাজধানীতে বসবাস করেন। রাজধানীর পরিবেশটাই তাঁরা দেখেন।

আমরা ১৮ বছর পর্যন্ত বিয়ের বয়স নির্ধারণ করে দিয়েছি। কিন্তু একটি মেয়ে যদি… যে কোনো কারণে ১২-১৩ বা ১৪-১৫ বছরের সময়ে গর্ভবতী হয়ে যায়- তাকে গর্ভপাত করানো গেল না। তাহলে যে শিশুটি জন্ম নেবে তার অবস্থান কী হবে? তাকে কী সমাজ গ্রহণ করবে?

Narafitra avy amin'ny fandraisana anaty kajy ny zavamisy tena iainana eny amin'ny fiarahamonina ity lalàna ity. Ireo izay mitsikera dia tsy mahalala ny soatoavin'ny fianakaviana sy ny olan'ny ankizivavy any amin'ny faritra ambanivohitra. Miresaka ny fipetrahana an-drenivohitra izy ireo. Ny fiarahamonina an-tanàndehibe ihany no nosainin-dry zareo.

Noferanay ho 18 taona no farany ambany ahafahan'ny zazavavy manambady. Saingy ahoana raha misy amin'izy ireo bevohoka amin'ny faha 12-13 na 14-15 taonany, nefa tsy afaka hanala zaza? Inona no hanjò ilay zazakely? Hanaiky izany ve ny fiarahamonina?

Mbola fady ao Bangladesy izay ny Silamo no betsaka any [9]ny firaisana ara-nofo tsy misy fanambadiana.

Tao amin'ny lahatsoratra ao amin'ny Facebook, nanontanian'i Ashraf Mahmud [10],  mpitoraka bilaogy sady poeta, izay dikan'ny hoe “tombontsoan'ny zaza tsy ampy taona” ao anatin'ilay lalàna:

অভিভাবকের সম্মতি”তে যখন মেয়েটির বয়স ১৮ বছরের আগেই বিয়ের ব্যবস্থা রাখা হয় তখন আপনি বা আপনারা খেয়াল রাখেন না যে আমাদের দেশে অধিকাংশ অভিভাবকরা এই মনোভাব রাখেন যে মেয়ের বিয়ে দিতে পারা এক ধরণের দায়মেটানো, অধিকাংশ মেয়েদের বিয়ে হয় পরিবার ও অভিভাবকের চাপে, নিজ অসম্মতিতে; সেই অভিভাবক ও পরিবারের উপর সিদ্ধান্তের আইনী বৈধতা দিয়ে আপনি বা আপনারা মেয়েদের আত্মসম্মানবোধ ও নারী-অধিকারকে অপমান করছেন।

Tamin'ny nanaovanareo ilay andinin-dalàna manokana hoe afaka manambady alohan'ny faha-18 taonany ny ankizivavy miaraka amin'ny fankatoavan'ny ray aman-dreniny, odianareo tsy fanatra fa maro ny ray aman-dreny mihevitra fa andraikitra ny zanany. Maro ny ankizivavy no teren'ny ray aman-dreniny amin'ny fanambadiana amboarina, tsy misy fankatoavany na safidiny. Tsy nohajainareo ny hajan'ny ankizivavy ary notsinontsinoavinareo ny zon'izy ireo tamin'ny nanaovanareo ho ara-dalàna ny fankatoavan'ny ray aman-dreny ny fanambadiana amin'ny tranga manokana.

Nanamarika i Tuhin Das : [11]

এখনো পর্যন্ত দক্ষিণ এশিয়ার দেশগুলোর মাঝে কন্যাশিশুর পরিস্থিতি বিবেচনায় বাংলাদেশের অবস্থান সব দেশের নিচে, বাল্যবিবাহ আইন সংশোধন সে পরিস্থিতি ও সুযোগ আরো সংকোচন করে তলানিতে নিয়ে আসবে। বিশেষ পরিস্থিতিতে (যেমন ধর্ষণের কারণে গর্ভধারণ) বাবামায়ের অনুমতি থাকলে ১৪ বছরের মেয়েকেও বিয়ে দেয়া যাবে। [..] অর্ধবিকৃত সমাজের চাপের কাছে মাথা নত করে ধর্ষককে বিয়ে করতে বাধ্য হবে কন্যাশিশুরা।

Hatramin'izao, any ambanin'ny laharana misy ireo firenena hafa any Azia Atsimo no misy an'i Bangladesy amin'ny resaka fanambadian'ny ankizy. Mbola hanosika an'i Bangladesy ho ambany lavitra kokoa ity fanitsiana ny lalàn'ny fanambadian'ny ankizy ity. Amin'ny tranga manokana (vohoka vokatry ny fanolanana) na dia vao 14 taona aza ny ankizivavy dia afaka manambady miaraka amin'ny fankatoavan'ny ray aman-dreny […] Hoterena hanambady ny mpanolana azy ireo niharan'ny fanolanana, teren'ity antsoina hoe fiarahamonina ity.

Nahamarika tsy fahatomombanana vitsivitsy ao amin'ilay andinin-dalàna i Syed Ishtiaque Reza [12]mpanao gazety :

দেশ জুড়ে মেয়েদের ওপর বেড়ে চলা যৌন-হিংসার জেরে, সর্বত্র মেয়েদের, বিশেষত অল্পবয়সি মেয়েদের, পথেঘাটে বেরোনোর আত্মবিশ্বাসে অনেকটাই ফাটল ধরেছে। প্রশ্ন হল, নতুন আইন এলে ইভ টিজিং-এর শিকার মেয়েদের দ্রুত বিয়ের আয়োজন করবেন বাবা-মা’রা এবং তারা ব্যবহার করবে এই বিশেষ বিধান। যখন প্রয়োজন নিরাপত্তার অভাবে ভুগতে-থাকা মেয়েদের মনে সাহস জোগানো, তখন যদি এমনটা ঘটে তাহলে লিঙ্গ-ন্যায্যতা কতটা নিশ্চিত করা যাবে?

Iharan'ny herisetra an-dalambe na herisetra ara-nofo hafa ireo ankizivavy manerana an'i Bangladesy ary matahotra ny hamela azy ireo hivoaka ny ray aman-dreny. Ny fanontaniana dia hoe, hanosika ny ray aman-drenin'ireo niharan'ny herisetra an-dalam-be handamina ny fanambadiany mialoha, amin'ny alalan'ny fanararaotana ireo fahabangana ao aminy ve ilay andinin-dalàna? Rehefa ilaina ny fampiononana sy fandrisihana ireo niharan'ny herisetra an-dalam-be na ara-nofo, raha ampanambadiana aloha loatra izy ireo, ahoana ny ahatrarantsika ny miralenta?

Na izany aza, maro no nanohana ny praiminisitra. Manazava ny fomba hiarovan'ny lalàna ireo ankizivavy i Asha Naznin [13]:

বাংলাদেশে বিয়ের আগে এক মেয়ে প্রেগন্যান্ট হইছে, আপনি তারে ঘরে জায়গা দিবেন?
দিবেন না|
তার বাচ্চারে ‘জারজ’ না বইল্যা কাছে ডেকে আদর করবেন?
করবেন না|
অতএব, ১৮ বছরের আগে বিয়ে করা যাবে না, এইসব এনজিও মার্কা বুলি আপনার আমার বেলায় খাটে|
কিন্তু, গ্রামের খুব সাধারণ খেটে খাওয়া পরিবার যখন ‘মেয়ে’ কে নিয়ে বিপদে পড়ে, মোল্লারা দোররা নিয়ে ধেয়ে আসে, তখন আপনি আমি কেউ যাব না- ওই মেয়েকে কিংবা তার পরিবারকে উদ্ধার করতে|
এই আইন তখন ভুক্তভোগী পরিবারকে সুরক্ষা দেবে|

Hanome fialofana ho an'ny zazavavy teratany ao Bangladesy bevohoka alohan'ny fanambadiana ve ianareo? Tsy hanome ianareo. Ho tianareo ve ny zanany ary tsy hanonona ny teny hoe “zazasary” ianareo? Tsia, tsy hanao izany ianareo. Noho izany, “tsy afaka hampanambady ankizivavy alohan'ny faha-18 taonany ianareo”, afaka ampiharina amiko sy aminareo, olona an-tanàndehibe izany karazana fiteny. Fa rehefa manana olana amin'ny zanany vavy mitondra vohoka tsy niriana ny fianakaviana mahantra mipetraka ao amin'ny vohitra iray, izaho sy ianareo tsy ho eo hamaha izany na hamonjy azy ireo. Ity lalàna ity no hiaro azy ireo.

Nidera ny dingana nataon'ny fitondrana ihany koa i Kamruzzaman Kamrul [14]:

ঢাকা বসে থেকে গ্রামের বাস্তব পরিস্থিতি বোঝা যাবে না। সুশীল সমাজ বাল্যবিবাহ দেখতে পেলেও কেনো বাল্যবিবাহ হয় তা খুঁজে দেখতে নারাজ। মানুষের আর্থ সামাজিক উন্নয়ন হলে, সামাজিক নিরাপত্তা নিশ্চিত হলে, শিক্ষার হার বৃদ্ধি পেলে এমনিতেই বাল্যবিবাহের হার কমে আসবে। সেজন্য সময় দরকার।

Tsy afaka hahatakatra ny tena zava-misy marina ianao izay mipetraka tanteraa aty amin'ny renivohitra. Mora foana ho an'ny fiarahamonina sivily ny mahita ny fanambadian'ny ankizy, fa jamba izy eo anolohan'ny antony mahatonga izany. Rehefa misy fampandrosoana ao amin'ny fiarahamonina, fandriampahalemana sosialy azo antoka, mitombo ny tahan'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, hihena ny fanambadian'ny ankizy. Mila fotoana isika ho an'izany.

Ny toetry ny fanambadian'ny ankizy any  Bangladesy

Nandritry ny fihaonana an-tampony ho an'ny ankizivavy tany Angletera tamin'ny 2014,  nampanantena [15]ny piraiminisitra Sheikh Hasina fa hamarana ny fanambadian'ny ankizy latsaky ny 15 taona any Bangladesy alohan'ny taona 2021, ary hamarana ny fanambadian'ny ankizy latsaky ny 18 taona alohan'ny taona 2041.

Araka ny fanadihadiana ny isan'ny mponina sy ny fahasalamana [16]tamin'ny 2007, 15 taona sy telo volana ny salan-taonan'ny fanambadiana ho an'ny vehivavy any Bangladesy. Ao anatin'ny vondronà vehivavy 20-24 taona, nanambady talohan'ny faha 18 taona ny 66%. 68% io isanjato io tamin'ny 2004.

Ny tsindrim-piarahamonina no tena anton'ny fanambadian'ny ankizy any Bangladesy. Tsarain'ny ray aman-dreny ho toy ny andraikitra ny ankizivavy, maro araka izany no tsy mahazo ny tena fanabeazana. Heverin’ izy ireo fa ho tonga vesatra ho azy ny ankizivavy rehefa mahazo taona izy ireo, ary ny lanonan'ny fanambadiana sy ny fanomezana omena ny mpanambady dia lafo kokoa (fanamarihan'ny mpandika: ny fianakavian'ny vavy indray any an-toerana no manome vola ny fianakavian'ny lahy rehefa fanambadiana no resahana), izay tsy ho takatr'izy ireo, noho izany tian'izy ireo alefa manambady ny zanany vavy raha vao misy ahafahany manao izany.

Araka ny fitspankevitra nataon'ny governemanta [17], maherin'ny antsasaky ny fanambadian'ny ankizy any Bangladesy dia mitranga noho ny fisisihan'ny ray aman-dreny.

Hazavain'ity fanadihadiana avy amin'ny Human Rights Watch ity ireo loza atrehan'ny ankizivavy vokatry ny fanambadian'ny ankizy.

Nahitàna fandrosoana azo tsapain-tanana i Bangladesy tato anatin'ny folo taona lasa, indrindra fa eo amin'ny resaka fampandrosoana ny vehivavy [18]. I Bangladesh no firenena voalohany tany Azia Atsimo nahatratra ny fitovian'ny lahy sy ny vavy any amin'ny fanabeazana fototra. Nidina [19]be mihoatra ny 66% ny tahan'ny fahafatesan'ny reny nandritra ny roa taona farany tany Bangladesy. Ny zavamisy hoe mbola ambony be ny tahan'ny fanambadian'ny ankizy , na eo aza izany zava-bita izany, no mampalahelo, ary fanontaniana iray tokony ho valiana.