- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihetsika Amin'ny Fanakanana Ny Tor I Belarosia Hiadiana Amin'ny Fanafenana Anarana An-tserasera

Sokajy: Belarosia, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
Tor helps protect your identity on the Internet. Screen capture from Tor informational video, licensed for reuse. [1]

Manampy ny fiarovana ny mari-panondroana anao ny Tor ao amin'ny aterineto . Pikantsary avy amin'ny lahatsary fampahafantarana Tor , nahazoana alàlana .

Tamin'ny faran'ny volana Novambra, maro ireo mpisera aterineto Belarosiana no nanomboka nitaraina [2] tamin'ny mpanome tolotra aterineto mikasika ny fanakanana ny Tor Tambajotra mpanafina anarana.

Ry @by_velcom, inona no zavatra fantatrao momba ny tsy fandehanan'ny tambajotra Tor, sy ny orinasa Fifandraisan-davitra Atlant ?

Fotoana fohy taorian'izay, tamin'ny 6 Desambra,  namoaka fanambarana ofisialy [8] ny Minisiteran'ny Serasera ao Belarosia manazava fa nosakanana ny tambajotra mba hamerana ny fizarana ny fitaovana tsy ara-dalàna ao amin'ny aterineto, araka ny voalazan'ny lalàna vaovao lany tamin'ny Febroary 2015.

В данном случае не преследуется цель запретить анонимный доступ пользователей в интернет. Задачей является ограничение доступа к интернет-ресурсам, содержащим информацию, распространение которой запрещено…Беларусь не является первым государством, применяющим данную практику для ограничения доступа к сайтам с информацией, содержание которых направлено на осуществление экстремистской деятельности, незаконный оборот оружия, наркотических средств, распространение порнографических материалов, содействие незаконной миграции и торговле людьми, пропаганду насилия и жестокости.

Amin'ity tranga ity, tsy natao handrarana ny tsy fitononana anarana amin'ny fidirana amin'ny aterineto [ny fanakanana ny Tor].  Ny hamerana ny fidirana amin'ny loharanom-baovao amin'ny aterineto izay misy votoaty voarara no tanjona.  Feran'ny mpanao lalàna ao Belarosia ny fidirana amin'ireo tranonkala ireo…Tsy vao voalohany ny fisian'ny fanjakana nampihatra izany tahaka an'i Belarosia , amin'ny famerana ny fidirana amin'ny tranonkala misy loharanom-baovao manana votoaty mikendry ny famonoana ny hetsika mpitrifana, ny fanondranana an-tsokosoko fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ny zava-mahadomelina, ny fizarana ny sary mamoafady, ny fanamoràna ny fifindra-monina sy ny fanondranan'olona tsy ara-dalàna, ny propagandin-kerisetra sy habibiana.

Manafina ny anaran'ny mpifamoivoy ao amin'ny aterineto sy mamela ireo mpisera tsy handalo ny fanaraha-mason'ny tambajotra ny tambajotra Tor [9]  izay norafetin'ny US Naval Research Laboratory (Laboratoara Fikarohan'ny Tafika An-dranomasina Amerikana ) tany am-piandohan'ny taona 2000, ary ankehitriny tantanan'ny Tetikasa fikambanana tsy mitady tombontsoa Tor. Voaafin-tsoratra ny fifamoivoizana mba hanafenana ny mari-panondroan'ny mpisera, ary mandalo amin'ny alàlan'ny lohamilina  tantanan'ny mpiasa an-tsitrapo amin'ny toerana maro alohan'ny ahatongavany any amin'ny toerana alehany .

Momba ny Tor bebe kokoa

Fitambarana lohamilina hita manerana izao tontolo izao ny tambajotra Tor, ary tantanin'ny mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroany.  Manampy ireo mpisera hifandray amin'ny Aterineto tsy mitonona anarana ny tambajotra amin'ny alalan'ny fametrahana zotra telo amin'ny lohamilina Tor fara fahakeliny mandritra ny fifamoivoizan'ny lahatahiry, ary matetika mandeha any amin'ny firenena samihafa alohan'ny hizorany any amin'ny toerana tokony alehany. Nahatonga fahasarotana ho an'ny olona rehetra manao fanaraha-maso ny aterineto izany mba hahatakarana izay nihavian'ny fifamoivoizana sy izay alehany. Tor “vona fivoahana” no vokatra  farany napetraka tamin'ny lohamilina ampiasaina ao amin'ny dingana fifandraisana . Eo no mivoaka amin'ny tambajotra Tor ny fifamoivoizan'ny mpisera ary mifandray amin'ny tranonkalan'izao tontolo izao.

Manamora ireo tranonkala manokana izay mamela ny tompon'ny vohikala sy ny mpisera ao aminy mba tsy hitonona anarana amin'ny alalan'ny “tolotra miafina” ny tambajotra Tor. Mampiasa ireo tolotra miafina ny jiolahy hanatanterahany ny asa ratsiny toy ny fivarotana zava-mahadomelina, kanefa betsaka dia betsaka ihany koa ireo ara-drariny, ara-dalàna ihany koa ny fampiasana azy.  Mampiasa ny tolotra miafina tsy mitonona anarana sy milamina ireo bilaogera mba hanaovana bilaogy. Mizara lahatahiry amin'ny fampitam-baovao amin'ny alalan'ny fampiasana sehatra mpamoaka tsiambaratelo ireo mpiaro ny zon'olombelona ao anatin'io tontolo io.  Mampiasa azy hanaovana fikarohana saropady ny vondrona fampitam-baovao.

Nanomboka tamin'ny Febroary 2015 i Belarosia no nikendry ny Tor, rehefa nametraka ny fototry ny fandraràna an'ireo tolotra tsy mitonona anarana [10] ny didim-panjakana [11] navoakan'ny Minisiteran'ny Serasera. Tafiditra tao anatin'ny didim-panjakana ny Tor , na dia  nisalasala aza ireo manam-pahaizana tamin'ny fahaizan'ny fanjakana Belarosiana hanakana ny fampiasana ny tambajotra.

Namariparitra ny olana tao amin'ny antsafa niarahana tamin'ny tranonkalam-baovao Belarosiana 42.TUT.BY tamin'ny taona 2015 i Mikhail Yakushev [12] filoha lefitry ny ICANN mpamatsy anaran-tsehatra iraisam-pirenena:

Есть замечательный анекдот о «принципе 15». Для того чтобы, условно, создать систему блокировки Tor, нужно будет посадить 15 000 человек на разработку, потратить 15 месяцев и 15 миллионов долларов. А чтобы ее затем взломать, 15-летнему парню потребуется 15 минут.

Misy ny tantara miavaka momba ny “fitsipiky ny 15.”, mila mampiasa olona 15.000 amin'ny fandrafetana ianao, mandany 15 volana sy 15 tapitrisa dolara hamoronana rafitra hanakanana ny Tor. Ary mila 15 minitra ny zatovolahy iray 15 taona mba hanimbana [ny rafitra].

Manamafy ny ezaka hanenjehana ny Tor ankehitriny ny Minisiteran'ny Serasera na dia eo aza ny fahasarotan'ny asa mbola miandry . Nanamarika [13] ny ezaka manokana nanakanana ny fampiasana ny Tor ao Belarosia tamin'ny 30 Novambra sy 1 Desambra ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Tor, amin'ny vona Tor fantatra ary napetraky ny BelGIE ho ao amin'ny lisitra mainty manokana hosakanana, ny BelGIE dia Departemanta-panjakana mpanara-maso ny Fifandraisan-davitra ao amin'ny Repoblikan'i Belarosia.

Noforonina tamin'ny alàlan'ny rindram-panafihana TCP [14] ireo fanakanana, izay ahitana ny mpanafika milaza amin'ny mpiseran'ny milina fa nofafana ny fifandraisany amin'ny milina hafa izany hoe ny tambajotra Tor ho any daholobe. Nahatonga ny milina voalohany hitsahatra avy hatrany amin'ny fampiasana ny fifandraisana izany.

Kanefa hitan'ireo mpisera Tor Belarosiana izany fa somary mora anivahana ihany. Nahita ny 42.TUT.BY [15] fa afaka miditra amin'ny tranonkala voafetra ihany izy ireo amin'ny alàlan'ny fampiasana ny fitety [browser] Tor vonona voalohany tamin'ny 5 Desambra . Namoaka torolalana [16] amin'ny fandingànana [17] ny fanakanana ny tranonkala hafa, ary matetika mampiasa ny “tetezana fiampitana [18]” ao amin'ny fitety izy ireo. Mety ho saro-pantarin'ny manampahefana Belarosiana ny fanakanana ireo fiampitana tsy voalisitra ao amin'ny lohamilina fototra ireo.

Amin'ny ankapobeny, misokatra avokoa ny zava-drehetra ao amin'ny e-Tor . Ho ela velona Belarosia!

Nandritra izany fotoana izany, nilatsaka [20] ho 3.000 ny isan'ny mpisera Tor mivantana ao Belarosia raha 5.500 izany teo aloha. Na izany aza, nitombo [21]  250 ka hatramin'ny 2000 ny isan'ny mpisera mampiasa ny tetezana fiampitana izay mampiseho fa mandingana ny fanakanana ny ankamaroan'ny Belarosiana mpisera Tor.

Nanomboka nijery ny fomba hafa mitovy amin'izany [22] i Rosia rehefa nihetsika voalohany tamin'ny fametrahana ny lalàna fanakanana ny Tor i Belarosia  tamin'ny taona 2015. Raha nandamoka [23] ny ezaka lehibe nataon'i Rosia tamin'ny fanakanana ny Tor, noho ny fisitahan'ny nanao fifanarahana tamin'ny tetikasa [24] no antony voalohany indrindra, dia ho hita eo raha hanaraka ny ohatr'i Belarosia i  Kremlin  na hianatra avy amin'ny tsy fahombiazany.