- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola Manohy Manao Sary Ny Famoretana Atao any An-tànanany Ihany Ilay Venezoelana Mpanao Saritatra Voatery Nandeha an-Tsesitany

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
Venezuelan cartoonist-in-exile Rayma Suprani turns the Mexican immigrants rhetoric of Donald Trump on its head. Credit: Rayma Suprani, Venezuela/USA, 2016

Mpanao saritatra Venezoelana tratran'ny sesitany i Rayma Suprani, mamadika ny kabary tsara lahatr'i Donald Trump mikasika ireo Meksikana mpifindra monina, hifotitra hitsingoloka. Sary: Rayma Suprani, Venezoela/Amerika, 2016

Ito tantara avy tamin'i Carol Hills [1] ito dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org [2] ny 4 Novambra 2016. Naverina navoaka eto io ho anisan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tamin'ny fahazazana, efa zatra nanao sary tamin'ireo rindrin'ny tranony tany Caracas ilay mpanao sariitatra momba ny politika, Rayma Suprani. “Mieritreritra aho fa io no fomba namborahako ny momba ahy. Ankizivavy sarokenatra aho, tsy dia niteny betsaka, noho izany mijery fotsiny aho ary avy eo manao sary sy mandoko ireo rindrina.”

Ny farany, nanao fifanarahana taminy ny reniny: misafidiana rindrina iray dia afaka manao sary eo ianao, fa iray ihany.

Credit: Rayma Suprani

Credit: Rayma Suprani

Nanohy nanao sary i Suprani ary tamin'ny fahatanorany, nanana mpampianatra nampianatra azy ny fomba fanaovana sary ny endrik'olona izy. Tany amin'ny anjerimanontolo, nianatra ny fanaovana gazety izy, fa mbola nanohy nanao sary ihany koa. Taorian'ny fianarana asa tao aminà gazety an-tsoratra iray, hitany fa afaka ampiarahana izy roa ireo. “Mieritrerittra aho fa izany no tena nitaona ahy ho lasa mpanao saritatra, sahala amin'ny kilalao ilay izy. Mila mamantatra ny zava-miafina ianao ary mahavita mamboraka azy sy mampiseho azy amin'ny tany tontolo amin'ny alàlan'ny saritatra. Tena mahavariana.”

Tonga dia nahita asa i Suprani raha vao tafavoaka avy amin'ny anjerimanontolo ary vetivety dia lasa mpanao saritatra tao amin'ny El Universal [3], io izay gazety an-tsoratra Venezoelana ao Caracas. Nijanona tao efa ho 20 taona teo ho eo izy.

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Lasa fantatra amin'ny maha mpanao saritatra henjana nefa tsy fahita sy miavaka i Suprani. Lasa anton-dresaka sy tsy maintsy jerena isan-kerinandro ny asany. Milaza ilay Venezoelana mpiaro ny zon'olombelona, Alfredo Romero, hoe mihoatra noho ny mpanao saritatra i Suprani. “Olona afaka maneho / mandika ny hevitry ny fotoana izy. Zavatra tena mahagaga izany. Tena mahomby be daholo ny zavatra rehetra teneniny ao amin'ireo kisarisariny. Ny tiako lazaina hoe tena maneho ny zava-mitranga amin'ny fotoana mety,  amin'ny hafatra mety. Izy no mpanao saritatra mahay indrindra any Venezoela na farafaharatsiny ny malaza indrindra, tsy azo iadian-kevitra.”

Kanefa tsy any Venezoela intsony i Rayna Suprani. Manao saritatra avy any amin'ny tany anaovany sesitany ny tenany izy, any Miami. Voaroaka tao amin'ny El Universal izy ny taona 2014, taoriana kely foana namoahan'i Sprani ity kisarisary ity:

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Ny hafatra dia hoe ilay tsipika mahitsin'ny toekaren'i Venezoela dia afaka lazaina ho noho ireo politikan'ny tompokolahy Hugo Chavez, Filoha Venezoelana, rain'ny hetsika elatra havia mpanindrahindra ny vahoaka, fantatra amin'ny hoe Chavismo. Tamin'ny naha-teo amin'ny fitondrana an'i Chavez, nampiditra azy mandrakariva ho ao anatin'ireo kisarisariny i Suprani. Fa tamin'ny taona 2014, nampiakatra ilay filoha teo aloha tamin'ny satan'ny olo-masina ilay “Chavista” mpandimby azy, ny Filoha Nicolas Maduro. Ary nanodidina izay fotoana izay, niova mpitantana ny gazety an-tsoratra niasan'i Suprani, ny El Universal. Nanohana an'i Maduro ilay tompony vaovao (ary tsy mbola fantatra hatramin'izao). Ary navela nandeha i Suprani.

Milaza ilay Venezoelana mpanao gazety, Cesar Miguel Rondon, hoe nanao fihetsika jiolahimboto ny governemanta Maduro. “Nitondra tena toy ireo jiolahimboto eny an-tsisin-dàlana izy ireo. Tsy misy fanjakàna tàn-dalàna aty. Isan'andro, miha-misokatra hatrany ny fanaovana jadona fa tsy demokrasia. Noho izany, ‘tsy tianay i Rayma. Rayma, tokony mandeha ianao.’ Tsotra be toy izany.”

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Fa tsy nitsahatra teo amin'ny fandroahana azy ireo olan'i Suprani. Nanomboka nahazo fandrahonana ho faty izy ary antso hafahafa. Tonga tany amin'ny fanohintohinana azy tamin'ny tena maha-vehivavy azy ireo fanafihana azy. “Nilaza izao izy ireo, ‘Maninona ianao raha mandeha mitady lehilahy, vady, toy izay manao izao zavatra ataonao izao?’ Na, ‘Vehivavy tia vehivavy fotsiny ianao.’ ‘Mpivarotena.'”

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Avy eo, nanomboka nipoitra tamin'ny fahitalavitra tantanan'ny fanjakana ny sarin'i Suprani. Ny filoha Maduro tenany mihitsy no nitoroka an'i Rayma Suprani tamin'ny fandaharany mivoaka isaky ny herinandro. Toy izany koa no nataon'ny lefiny, Diosdado Cabello, ny filohan'ny Antenimieram-pirenen'i Venezoela. I Cabello no notendrena ho alika mpanafiky ny governemanta Maduro. Ny “Con el Mazo Dando” no fandaharany mandeha isan-kerinandro, izay midika amin'ny ankapobeny hoe, “Manohy Midaroka Hatrany.”

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Ampiasain’ i Cabello ilay fandaharana mba hanetsiketsehana ny Chavisme ary hiampangàna ny mpanohitra ara-politika. Niantso ny fampisehoan’ i Cabello ho endriky ny fampitahorana ny Kaomisiona iraisan'ireo Amerikàna Miaro ny Zon'Olombelona [4]. Ary nampangain'ny Amnesty International  [5] ny fomba famborahan'i Cabello matetika ny  andinindinin'ireo fandaminana ny dian'ireo Venezoelana mpisolovava mpiaro zon'olombelona, isan'ireny i Alfredo Romero. “Rehefa mandray fiaramanidina ho any ivelan'ny firenena aho, marihan'i [Cabello] hoe amin'ny firy, ho aiza aho. Ary rehefa miverina aho, teneniny hoe amin'ny firy aho no tafaverina eo amin'ny seranam-piaramanidina, ary rahoviana no mandalo eo amin'ny fadin-tseranana.”

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Milaza i Romero fa, tao anatin'izay roa taona lasa izay, maherin'ny in-80 ny anarany notononin'i Cabello sy Maduro tao amin'ny fahitalavi-panjakana.

Fa ho an'i Suprani, lasa tafahoatra loatra ny famoretana. Tsy afaka nahita asa izy, ary ny farany, tamin'ny volana volana Desambra 2015, nandao izy. “Raha resaka fihetsehampo, tsy te-hiala tany Venezoela mihitsy aho, fa lasa nampidi-doza be ilay izy ka tsy afaka niaina tamin'izany aho. Karazany namatotra ahy tsy afa-nihetsika izany ary ankehitriny, mahatsapa ho toy ny amin'ny toerana ahafahako mijery ny zava-drehetra avy lavitra aho, ary afaka ilaina kokoa aho satria afaka mandeha tsy misy ahiahy ny famoronako.”

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Rondon, ilay Venezoelana mpanao gazety, milaza hoe ny famonoan'ny governemanta ny asan'i Suprani no tena mampivalaketraka. “Zavatra tena tsy azo ihodivirana any Venezoela ireo kisarisariny. Nahasintona ny sain'ny ao amin'ny firenena manontolo izy. Ankehitriny izy voafetra ao amin'ny media sosialy.”

Afaka niasa malalaka kokoa noho i Suprani i Rondon. Nanana ivontoerana filazam-baovao ao Venezoela izy. Nandeha tamin'ny onja-peo nandritra ny 27 taona ny fandaharany tamin'ny radio ary manan-danja tokoa, saingy efa nahazo kapoka tamin'ireo Chavistes ihany koa izy. Nanana fandaharana malaza tamin'ny fahitalavitra i Rondon niresahana ireo raharaham-panjakana, izay nandeha nandritra ny dimy taona mandra-panafoana azy ny taona 2005 taorian'ny famoretana nataon'ny governemanta Chavez ireo tompon'ilay fantsona.

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani

Nanana fampisehoana iray vaovao tao amin'ny fahitalavitra i Rondon, fa any ivelan'i Venezoela ihany io no afaka avoaka. “Mitondra tena toy ny mpanao jadona, isan'andro vaky, i Maduro sy ny governemantany. Ny tiako tenenina dia hoe, mbola manana filoha voafidy ihany izahay. Saingy tsy mitondra tena toy ny demokraty izy. Mitondra tena toy ny mpanao didy jadona izy.”

Izay mampiseho ankamantatra. Ahoana no ahafahanao manala mpanao jadona amin'ny fampiasàna ireo fomba demokratika? Ny valin-kafatr'i Suprani dia ny mampiasa ny fanaovany sesitany ny tenany mba hisintonana ara-bakiteny ny fijerin'ny tany ambiny rehetra amin'ny rafitra ara-politika manao fanerena any Venezoela eo ambany fitondran'i Maduro. Ny fanaingoana ny boky miresaka ireo gadra politika voatazona any amin'ireo fonja Venezoelana no iray amin'ireo tetikasany ankehitriny.

Credit: Rayma Suprani

Sary: Rayma Suprani