Ny 17 Novambra, ny Praiminisitra Japoney Abe Shinzo no lasa mpitarika eto an-tany voalohany nihaona mivantana tamin'i Donald Trump, Filoha Amerikana voafidy, tao amin'ny TilikamboTrump ao New York. Nanamarika ireo mpaneho hevitra maro fa, amin'ny ampahany, noho ny filàna miresaka ireo fitarainana maro nataon'i Trump mikasika an'i Japana nandritra ny fampielezankevitra no antony hihazakazahan'i Abe hihaona amin'ny Filoha voafidy. Any Japana, manontany ny votoatin'ny resaka ireo mpaneho hevitra, ary indrindra hoe nahoana ireo mpikambana amin'ny fianakavian'i Trump no navela hipetraka hanatrika ny fihaonana eo amin'ireo loham-panjakana roa.
PM Abe's comment following the meeting with Mr. Donald Trump, President-elect of the United States of America
https://t.co/hCN7qHlnnh pic.twitter.com/LvMML5bweI— PM's Office of Japan (@JPN_PMO) November 18, 2016
Fanehoankevitry ny Praiminisitra Abe taorian'ny fihaonana niaraka tamin'ny Mr Donald Trump, Filoha voafidin'i Etazonian'i Amerika
Tamin'ny voalohany, zara raha nisy hay ny mikasika ilay fihaonana nokarakaraina maimaika teo amin'i Abe sy Trump. Taorian'ilay fihaonana naharitra sivifolo minitra, niankina tamin'ireo sary sy fanambaràna nataon'i Abe navoakan'ny Biraon'ny Kabinetra Japoney ny tatitry ny vaovao mba hilazàna ny zavatra noresahana sy hoe iza no nanatrika.
米国のメディアも、安倍首相との会談を「トランプ次期大統領が外国指導者と初めての会談中」と報じています。https://t.co/RCQYjZYAXn pic.twitter.com/a677P7xZgr
— 日経LIVE (@nikkeilive) November 17, 2016
Mitatitra ihany koa ny media Amerikana fa ny Praiminisitra Abe no fihaonana voalohany taminà filoham-panjakàna vahiny niarahan'i Trump Filoha voafidy. — Nikkei LIVE
Nilaza izao ny Praiminisitra Abe tao amin'ny fanambaràny:
Tsy afaka mamaly ireo fanontaniana mikasika ny andinindinin'ny fihaonana aho. Amin'ny lafiny rehetra, tsy handeha tsy misy fifampitokisana mihitsy ny fiarahanay. Tonga avy any lavitra aho resy lahatra fa mpitantana azo itokiana ny Filoha voafidy Trump.
Natao tao amin'ny trano manokan'i Trump tany Manhatten ilay fihaonana ny 17 Novambra, ary nahitàna karazan'olona, isan'izany i Ivanka zanaka vavin'i Trump sy Jared Kushner vadiny, ary i Mike Flynn, izay niasa ho talen'ny Sampam-Pitsikilovana izay mety ho tendrena ho mpanolotsaina vaovao momba ny fiarovam-pirenenan'i Etazonia ao amin'ny kabinetra savaranonandon'i Trump ny ampitson'ilay fihaonana.
Saropady ho an'i Japana ny Fananany Fifandraisana Tsara Amin'ny Fitantanana “Mampididozan'i” Trump
Hita ho am-pirahalahiana ilay fihaonana, ary notaterina fa nanome fitaovana fanaovana golf vita avy any Japana mitentina 5.000 dolara ho an'i Trump ny Praiminisitra Abe. Araka ny fijerin'i Japana, tena tsy maintsy fahombiazana iny fihaonana iny. Milaza ny mpitoraka bilaogy, mpanomana PhD sady mpaneho hevitry momba an'i Japana, Robert Fahey, fa “mampididoza” ho an'i Japana ny fiadidian'i Trump, ary manamarika hoe:
Efa rahona mazava amin'io fiarahana io ireo fotokevitra nambaran'i Donald Trump amin'ny politikany ivelany. Manao an'i Japana ho toy ny tsy mpiara-miasa fa toy ny mpifaninana manerantany amin'i Amerika, ireo fanambaràn'i Trump tao anatin'ny fampielezankeviny. Miahiahy an'i Japana ho manodikodim-bola izy ary tsy ahitàn'i Amerika tombony […] [Trump] ihany koa dia namerimberina nitsikera foana ny hitany ho Amerika tratran'ny tsy fahafahana mihetsika amin'ireo fifanarahany mikasika ny fiarovana miaraka amin'i Japana, ary lasa lavitra nihoatra ny establishment (fianakaviana migahana ara-politika) Amerikàna – izay nanosika foana an'i Japana handray anjara mavitrika kokoa amin'ireo fifandirana sy ezaka fitandroana ny filaminana – amin'ny fandrosoana hevitra hoe tokony hanana ireo fitaovam-piadiana nokleariny i Japana mba hiarovany tena.
Nanaraka ny fikapohan'i Trump an'i Japana nandritra ny fifidianana tao Etazonia, nandroso hevitra ny mpaneho hevitra sady solombavam-bahoaka Japoney fahiny, Tobias Harris, hoe toy ny nanandrana nandresy lahatra an'i Japana ihany koa ny Praiminisitra Abe hoe hitohy hatrany ilay fifandraisana manokana niaraka tamin'i Etazonia:
When Abe says he can trust Trump he's trying to reassure Japanese people, majority who see Trump's win as bad & bad for US-Japan rel. https://t.co/hUVW6Gx2O4
— Tobias Harris (@observingjapan) November 18, 2016
Rehefa miteny i Abe hoe afaka matoky an'i Trump izy, manandrana manome toky ireo vahoaka Japoney izy, izay ny ankamaroany mahita ny fandresen'i Trump ho ratsy & ratsy ho an'ny fifandraisan'ny Amerika-Japana.
Tsy very tamin'ireo Japoney sasany mpisera amin'ny Aterineto anefa hoe, raha amin'ny firesaky ny vatana no jerena, hita ho manana fifandraisana tsaratsara kokoa amin'i Trump i Abe noho ny miaraka amin'ny Filoha Shinoa Xi Jingping:
安倍×トランプ(にっこり)
安倍×キンペー(…)
この落差に笑ったw pic.twitter.com/69PGqKwxaR— KAZUYA (@kazuyahkd) November 18, 2016
Abe + Trump = *endrika mitsiky*
Abe + Xi = *mototra*Mampihomehy ahy ny fahasamihafàna tanteraka eto, lol.
Ahiahy ao Japana Mikasika ny Fihazakazahan'i Abe Hihaona amin'i Trump
Tsy ireo olona rehetra any Japana no nilamin-tsaina tamin'ny fihaonan'i Abe tamin'i Trump. Manamarika toy izao ilay mpanoratra malaza sy mpikatroka mafana fo, Shiba Rei, raha nanoratra tao amin'ny Yahoo! Japan News, fa na iray amin'ireo mpitarika maneran-tany sy ireo manan-danja voalohany niresaka tamin'i Trump aza ny Praiminisitra Abe Shinzo ny 9 Novambra taorian'ny fandreseny, toy izany ihany koa ny an'i Marine La Pen, mpitantana ny elatra havanana ao Frantsa :
必読です。→ 安倍トランプ会談で世界にさらした恥―ドイツ・メルケル首相が見せた格の違い(志葉玲) – Y!ニュース https://t.co/yAKQu8t4E2
— Miko Yoshimura (@minekoyoshimura) November 18, 2016
Tokony vakiana: Abe, henatra manana ny laharana iraisampirenena taorian'ny fihaonany tamin'i Trump. ― Mitatitra ny valiny tena mifanohitra tanteraka nataon'i Abe tamin'i Trump raha oharina amin'ny an'i Angela Merkel-n'i Alemaina, i Shiba Rei.
Nanoratra ihany koa i Rei hoe raha niantso an'i Trump ho “mendrika itokisana” i Abe, Ny “Chancelière” Angela Merkel kosa nilaza fiahiahiana ankolaka mikasika ny firotsahan'i Trump amin'ireo fotokevitry ny demokrasia liberaly.
Nitsikera an'i Abe ihany koa ilay Japoney mpitarika ny mpanohitra, Renho Murata, nitaraina hoe tsy noborahana ny andinindinin'izay noresahana tamin'ilay fihaonana. Nitatitra ny Sankei News hoe nanontany i Renho raha tafiditra tao amin'ny resadresaka nifanaovan'i Abe sy Trump ireo resaka startejika toy ny “Trans-Pacific Partnership” (Fifanarahana Varotra Malalaka miampita ny Pasifika) sy ny ho avin'ireo toby Amerikana any Japana:
貴方の説明よりは信頼できる◾︎【安倍・トランプ会談】民進党・蓮舫代表「何をもって信頼できるのか? 詳しく説明する義務」と注文 https://t.co/JWE27vglmg @Sankei_newsさんから
— 渡邉哲也 (@daitojimari) November 18, 2016
“Tonga avy any lavitra aho resy lahatra fa mpitantana azo itokiana ny Filoha voafidy Trump.” (Fihaonan'i Abe sy Trump)
Manontany i Renho , filohan'ny Antoko Demokraty (Japana), hoe “Mifototra amin'ny inona ny hitokisanao an'i Trump? Manana adidy ny hanazava ny antony ianao.”
Ho an'ireo Japoney hafa mpanaramaso, ny fanontaniana lehibe indrindra angamba dia mety hoe nahoana i IvankaTrump no nanatrika ny fihaonana teo amin'i Abe sy Trump. Tsy manana andraikitra mazava amin'ny governemanta Amerikana ny zanaka vavin'i Trump, ary miomana ny handray an-tànana ny fandraharahan'ny rainy.
Nanontany i Sankei Biz:
安倍・トランプ会談、なぜイバンカさんが同席? 存在感の大きさ浮き彫り https://t.co/Wzqyvt4pat #安倍首相とトランプ次期大統領 pic.twitter.com/a1J9QBqKqy
— SankeiBiz (@SankeiBiz_jp) November 18, 2016
Nahoana i Ivanka Trump no nipetraka tamin'ny fihaonana teo amin'i Trump-Abe? Niavaka be ny fisiany.
Ny ampitson'io, nanana fotoana nahafahany nitondra fanazavana an'io ny gazety Amerikana:
How do Trumps cash in? Foreign delegations feel pressure to stay at Trump DC hotel, by @OConnellPostbiz @marycjordan https://t.co/po71qNkYDd
— Philip Rucker (@PhilipRucker) November 19, 2016
Ahoana ny ahazoan'ireo Trumps vola? Mahatsiaro ho voatery mijanona ao amin'ny hotely Trump DC ireo delegasiôna avy any ivelany, avy tamin'ny @OConnellPostbiz @marycjordan