- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voahontsakontsana i Trinidad & Tobago—sy Voaharoharon'—ny Horohorontany

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fivavahana, Hehy, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Earthquake graphic. Image by Jofre Ferrer, CC BY-NC-ND 2.0. [1]

Sary navelan'ny horohorontany. Sary avy amin'i Jofre Ferrer, CC BY-NC-ND 2.0.

Ny folakandron'ny 6 Desambra 2016, niaina horohorontany mahery vaika, voalaza fa amin'ny maridrefy [2] 5,8 i Trinidad sy Tobago. Naharitra iray minitra, [3] hoy ny tatitra sasany, noheverinta fa ambony noho ny 6,2 [4] ny horohorontany tany am-boalohany.

16 kilaometatra atsimo-atsinanan'i Scarborough, tanàna renivohitr'i Tobago ny foibeny,  manana halalina 29 km, , saingy nahatsapa ny fiantraikany ny mpiserasera manerana ny nosy roa.

6,2 #horohorontany [5] ao #Trinidad [6]. Lehibe indrindra hatramin'ny 1974, manomboka amin'ny 5 ora 42 hariva, ora ao an-toerana.

Nandefa sary misy ny zava-niainan'izy ireo tao amin'ny Facebook ny mpiserasera avy ao Trinidad [9] sy Tobago [10]. Na dia teo aza ny herin'ny horohorontany, tsy nisy ny tatitra momba ny naratra na ny fahavoazana goavana, na dia nisy triatra aza ny trano fandraisam-bahiny [11] iray ao Port of Spain ary nianjera tamin'ny talantalana [12] avokoa ny ankamaroan'ny entana tao amin'ny toeram-pivarotana enta-manidika iray malaza ao andrefan'i Trinidad:

Taorian'ny horohorontany tao Diego Martin, Trinidad.

Feno fanehoan-kevitra ny Twitter:

Ohhhhh, mihozongozona aho

Horohorontany ratsy indrindra tsapako nandritra ny fotoana ELA. Tsy afaka hihevitra hisian'ny fanindroany ny marina. Antenaina fa tsy maninona avokoa ny tsirairay

Nianiana tamin'Andriamanitra aho fa ho antsika izany!

Tao anatin'ny hovitrovitra, nanomboka nilatsaka tao amin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena ny orambe:

Taorian'ny horohorontany avy hatrany, manomboka milatsaka ny orana. Miresaka tanteraka amin'ny #trinidad [17] sy #tobago [21]Ineny Tany.

Na dia ireo mpiserasera matetika tsy taitra amin'ny horohorontany aza mba nihevitra fa sarotra zakaina kokoa ity indray mitoraka ity:

Mientanentana foana aho isaky ny horohorontany, saingy mampatahotra ity iray ity

Nanaraka avy eo ny fanehoan-kevitra momba ny fiomanana hita ao amin'ny firenena — na ny tsy fisian'izany — manoloana ny loza voajanahary:

Manaporofo fotsiny ny tsy fisian'ny setriny avy amin'ireo fikambanana misahana ny vonjy taitra ao Trinidad fa tsy vonona amin'ny karazana loza voajanahary isika.

Tao amin'ny Facebook, nandefa [26] fomba fijery mampieritreritra i Marie Emilie:

Today's earthquake was 6.2 on seismic measure – the one that destroyed Haiti was 7.0! When are we as a state going to implement Evacuation Mechanisms and buffers? Trinidad and Tobago is directly in a high-risk Earthquake Zone – the Central Range Fault Line:
In 2010 the U.S. Geological Survey revealed that Trinidad sits directly on top the Central Range Fault line – an unstable, high-risk earthquake zone running through the centre of the island. Subsequent research conducted (2013) by the Seismic Research Centre (SRC) in conjunction with foreign experts concur that an earthquake with devastating consequences even more catastrophic than the 7.0 magnitude earthquake that hit Haiti can be triggered along this fault line as pressure has been building dramatically on the tectonic plates bordering South America on which the Caribbean basin is situated. The entire Central Range-Warm Springs Fault Zone runs roughly from eastern Manzanilla to Claxton Bay and extends offshore on both sides of the island, so that the entire country is at risk of disaster.

6,2 ny maridrefin'ny horohorontany androany – 7,0 ny maridrefy iray nandrava an'i Haiti! Rahoviana isika, amin'ny maha fanjakana, vao handeha hametraka Fahazarana raha misy loza sy toerana isitrihana amin'ny tampoka? Ao anatin'ny Faritra mety hiharan'ny Horohorontany mivantana mihitsy –antsoina hoe Central Range Fault Line – i Trinidad sy Tobago :
Tamin'ny taona 2010, nanambara ny Mpanaramaso Haiatim-bolantany ao Etazonia fa ao anatin'ny Central Range Fault Line i Trinidad – faritra mety hiharan'ny horohorontany tanteraka manavatsava ny afovoan'ny nosy. Nilaza ny fikarohana fanampiny (2013) nataon'ny Foibem-pikarohana momba ny Horohorontany (SRC) izay miara-miasa amin'ireo vahiny mpahairaha fa mety hisy ny horohorontany miteraka voka-dratsy mandravarava, ary mampidi-doza kokoa noho ny maridrefy horohorontany 7,0 izay namely an'i Haiti ao anatin'izany tsipiky ny fahadisoana izany, noho ny teritery mahazo ny soso-nofon-tany manamorona an'i Amerika Atsimo izay misy an'i Karaiba. Ny faritra Central Range-Warm Springs Fault iray manontolo dia manavatsava avy any atsinanan'i Manzanilla ka hatrany amin'ny Helodranon'i Claxton ary tonga hatrany an-dranomasina andaniny sy ankilan'ny nosy, ka mety hiharan'ny loza ny firenena iray manontolo.

Indrisy, nanomboka nahazo vetivety ireo mpiserasera sasany, izay namoaka vaovao diso momba ny firenena mety hiharan'ny tsunami ny tahotra sy ny tsaho. Namoaka fanambarana [27] haingana ny Birao misahana ny Fiomanana sy ny Fitantanana ny Loza Voajanahary (ODPMTT) izay nanoro hevitra ny olom-pirenena fa “ny vaovao azo antoka rehetra sy ny fanambarana ho an'ny vahoaka dia aparitaka IRERY IHANY amin'ny alalan'ny sehatra media sosialy ofisialin'ny ODPMTT [28] sy ny Foibem-pikarohana momba ny Horohorontany [29]. Manantitrantitra izahay fa DISO izany tsaho izany.”

‘Tora-kehy aho androany alina taorian'ny horohorontany…’

Raha vao nazava fa tsy nisy ny loza mitatao, nanomboka nanao izay hitany fa mety manoloana ny toe-javatra ny Trinidadiana sy Tobagoniana – dia ny hehy. [30] Tao amin'ny Facebook, nanazava [31] i Elspeth Duncan hoe [31]:

I laughed a lot tonight after the earthquake…reading status updates and comments about who dived under tables, whose arthritis suddenly disappeared as they ran down three flights of stairs, who ran outside, who was frozen in a chair as their multi-storey building rocked from side to side, etc. I know it's not funny, but there's a degree of amusing drama and excitement in the Trini accent that comes across even in the written word of a status update. But the two that really had me laughing were the one who bathed and dressed in case of evacuation and the one who ran to the safe to get her passport!

 Nihomehy be aho androany hariva taorian'ny horohorontany … mamaky ny vaovao farany sy ny fanehoan-kevitra momba ny hoe iza no nitsoraka tao ambanin'ny latabatra, artirita (aretin'ny vanin-taolana) an'iza no nanjavona tampoka rehefa avy nihazakazaka tamin'ny rihana telo, iza no nihazakazaka tany ivelany, iza no niraikitra teo ambony seza satria hoe hihozongozona ny trano, sns. Fantatro fa tsy mampihomehy izany, saingy misy ny ambaratongan-tantara mampihomehy sy mampientam-po amin'ny lantom-peo Trini na dia tamin'ny teny nosoratana tamin'ny vaovao farany aza. Saingy ny roa tena nampihomehy ahy dia ilay olona nandro sady nanao ny akanjony raha sendra misy ny fivoahana tampoka sy ny olona iray nihazakazaka haka ny pasipaorony!

Namazivazy tao amin'ny Twitter i Julina Rose hoe:

Novinavinako ho dragona izany tamin'ny voalohany, saingy nanome toky ahy ny fofombadiko fa tsy izany ka.

John Camacho, mpandrafitra tranonkala, nanampy hoe:

Nidina teo ambanin'ny efijery avokoa ny kisarin'ny solosainako

Mpisera Twitter Khadine kosa niresaka ny fironan'ny Trinbagoniana amin'ny fanaovana fety na inona na inona toe-javatra nihatra:

Aiza ny voasarimakiran'ny horohorontany androany alina?

Mpisera Facebook roa kosa nanararaotra nanatsatotsatoka ny fitondram-panjakana teo aloha, izay nahazoan'izy ireo tsikera marobe ny fampiasan'izy ireo hatrany ny mpandraharaha Shinoa amin'ny tetikasam-panjakana misahana fanorenana [36], indrindra fa voalaza fa manana olana ara-piarovana [37]ny tranobe [38] sasany.

Tonga avy eo ny sary-sy-soratra. Sary iray, navoakan'ny [39] vondrona Facebook WTF Trinidad, nikendry ny lazan'nyservisy ho an'ny mpanjifa tsy mahafa-po ao amin'ny firenena :

Post-earthquake meme being shared on Facebook. [39]

Sary-sy-soratra taorian'ny horohorontany navoaka tao amin'ny Facebook.

Nahatsikaiky ny nitranga tao amin'ny fivarotana lehibe iray noho ny zava-misy fa toa tsy mba nianjera tamin'ny talantalana ny vokatra tokana amin'ny marika ranom-boankazo vita an-toerana. Nanararaotra ny filalaovana ny teny filamatry ny marika ny sary-sy-soratra:

Meme shared on the Facebook group Meanwhile in T&T. [40]

Sary-sy-soratra nozaraina tao amin'ny vondrona Facebook Meanwhile in T&T.

Naka zoro ny pejy Facebookn'ny Lexo TV, izay lasa nalaza noho ny fahaiza-mamoron'ilay orinasa manatontosa  ny saribakoly maneso “Santana” [41]fa ny toerana voalohany iaingan'ny fiarahamonina Karaibeana rehefa mamely ny loza voajanahary dia ny fombam-pivavahana:

Meme shared by Lexo TV on Facebook. [42]

Sary-sy-soratra nozarain'ny Lexo TV tao amin'ny Facebook(Nitady famindram-po tamin'ny Tsitoha aho ary nihozongozona ny tany avy eo).

Tsy nohadinoina, nilaza tamim-pamazivaziana tanteraka ny lahatsoratra facebook hitan'ny besinimaro nataon'ilay mpisera Facebook Gilberte O'Sullivan hoe “Mibebaha!” [43]

Farany, tranonkala malaza mpanesoeso Late O'Clock News nilaza [44] ny anton'ny horohorontany fa noho ny naoty antonony (GPA) an'ny mpianatra manerana ny firenena izany :

The Seismic Research Centre of UWI, St. Augustine has confirmed that the source of this afternoon’s earthquake was the result of a massive drop in the collective GPA’s of our nation’s tertiary students.

While the Ministry of Education has blamed the falling GPAs on a lack of discipline in our country’s youth, UWI student Curtis Collins shared a differing opinion:

‘Ever since they raise the alcohol tax, it get a little harder for students to buy rum. Is exam time, everybody want to relax and take they mind off the stress a little. What you think will happen now that we can’t afford a lil Puncheon?’

Nanamafy ny Foibem-pikarohana momba ny horohorontany UWI, St. Augustin fa ny loharanon'ny horohorontany tamin'ny atoandro dia vokatry ny fihenana faobe teo amin'ny salanisan'ny naoty antonony an'ireo mpianatra ambony manerana ny firenena.

Raha nanome tsiny ny fihenanan'ny GPA noho ny tsy fisian'ny fitsipi-pifehezana eo amin'ny tanorantsika ao amin'ny firenena ny Ministeran'ny Fanabeazana, tsy niombon-kevitra tamin'izany kosa ilay mpianatry ny UWI, Curtis Collins:

“Hatramin'ny nampiakaran'izy ireo ny hetran'ny toaka, sarotra kokoa ho an'ny mpianatra ny hividy toaka. Ary amin'ny fotoam-panadinana, te-haka aina sy hampiala sasatra ny sain'izy ireo ny tsirairay. Inona no heverinao fa hitranga ankehitriny raha tsy afaka mividy Lil Puncheon akory isika?’

Ankoatra ny vazivazy rehetra, nampitandremana ny olom-pirenena mba hiomana amin'ny mety hiverenan'ny horohorontany. Nanamafy ny Foibem-pikarohana momba ny Horohorontany ao amin'ny Oniversiten'i India Andrefana fa nisy hovitrovitra roa hatramin'ny horohoron-tany omalin'iny.