- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Haingana be Ny Firaisankina Nasehon'ny Bolgara Taorian'ilay Lozam-Piarandalamby tao Hitrino

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Mediam-bahoaka, Voina, Vonjy Voina
Hitrino, Bulgaria, 10.12.2016. Photo by Krasimir Krumov, used with permission.

Hitrino, Bolgaria, 10.12.2016. Sary an'i Krasimir Krumov, fampiasàna nahazoana alàlana.

Olona fito no maty tamin'ny fipoahana taorian'ilay lozam-piarandalamby tao an-tanànan'i Hitrino [1], faritàny Shumen, any avaratra-atsinanan'i Bolgaria. Mihoatra ny 29 ireo olona naiditra hopitaly ao amin'ny fari-pitantanana foiben'ny faritànin'i Shumen.

Ny fantatra dia tamin'ny 05.40 ora tao an-toerana , ny 10 Desambra, barikan-tsolika feno entona ‘propylène’ navadika ho rano ary nataingina teo ambonin'ny kalesin-dalamby iray fitondràna entana no nipoaka rehefa niala tamin'ny làlany ilay fiarandalamby tao akaikin'i Hitrino, tsy lavitra an'i Shumen, rehefa nizotra tamin'ny làlana mampitohy an'i Ruse-Varna.

Teny an-dàlana ho any Ruse ny fiarandalamby, ary ny Bulmarket no misahana ny fampandehanana azy, orinasa tsy mankina amin'ny fanjakàna. Misy fanodinana tsy maintsy atao rehefa ao amin'ny fiantsonana ao Hitrino mba hanomezana toerana ho an'ireo mpandeha, hoy ny polisy sy ireo manampahefana ao an-toerana, ao anatin'ny fitanisàna nampitain'ny tranonkala Novinite [2].

Rakitra avy amin'ny polisy nolazaina tao amin'ny Fampielezampeo Nasionaly Bolgara no nanoso-kevitra hoe nahakasika tariby mpitondra herinaratra ireo kalesy roa farany tamin'ilay fiarandalamby. 20 raha kely indrindra ireo trano ravan'ilay fipoahana. Nesorina avy hatrany ny olona tamin'ireo faritra manakaiky mivantana ny fipoahana hoy ny manampahefana ao an-toerana.

Boyko Borisov, praiministra Bolgara, izay tsy ela intsony dia ho ofisialy ny fametrahany fialàna noho ny faharesena goavana nanjo ny antokony tamin'ireo fifidianana natao ny Novambra teo, dia nanainga ireo mponina mba hanao fanomezana rà hiatrehana ny tsy fahampiana ao amin'ny hopitalin'i Shumen ikarakaràna ireo tradoza tao Hitrino.

Fanavaozana: 5 raha kely indrindra no maty, ary 25 naratra tamin'ny fipoahan'ny entona ‘propane butane’ taorian'ny fialàn'ny fiarandalamby tamin'ny làlany tao #Hitrino [3], akaikin'i #Shumen [4] ao avaratra-atsinanan'i Bolgaria

Nanaparitaka fanairana sy angona farany mifandraika amin'ilay loza ireo mpampiasa Twitter. Mety mbola azo eritreretina ny hitomboan'ny isan'ireo tradoza mety ho hita arakaraky ny fanesorana ireo fatin-korontana.

Ny filoha voafidy, Rumen Radev, dia tonga ihany koa tao Hitrino ny tolakandron'ny Sabotsy.

maherin'ny 150 ireo mpamono afo amperinasa ao amin'ny faritry ny fiantsonan'ny fiarandalamby ao Hitrino.

Nampiasa ny Facebook [10] ireo olona tao an-toerana mba hikarakaràna vondrona fanohanana hanadiovana ilay faritra nisian'ny fipoahana, taorian'ny kiana momba ny fahataràn'ny hetsik'ireo [11] mpamono afo izay tsy tonga teny amin'ny toerana rha tsy efa ho ora iray taorian'ny loza.

Hitrino, Bulgaria, 10.12.2016. Photo by Krasimir Krumov, used with permission.

Hitrino, Bolgaria, 10.12.2016. Sary an'i Krasimir Krumov, fampiasàna nahazoana alàlana

Krasimir Krumov, mpanao gazety, no iray amin'ireo voalohany namoaka lahatsary tao amin'ny Facebook [12], sy sary maro [13] avy eny amin'ny toerana nisian'ilay fipoahana tao Hitrino.

Nampiasa ny Facebook [14] Ivaylo Ditchev, Bolgara avara-pianarana, hanehoany ny firaisankinany :

Удивително бърза реакция на взрива в Хитрино, солидарност, не само на място, единна реакция на медиите. Дали проблемът с българската лошотия не е в това, че не ни се случват истински нещастия – че ни насъскват по измислени врагове?

Fihetsika mahazendana naterak'ilay fipoahana tao Hitrino, firaisankina, tsy hoe fotsiny teny an-toerana, fa koa fanehoanana firaisana teny anatin'ny media rehetra.

Victor Lilov, mpikambana avy amin'ny antoko Bolgara DEOS [15], nanontany ny antony tsy nisian'ny fametraham-pialàna tao anatin'ny NKZHI na ny Orinasa nasionaly momba ny fotodrafitrasan'ny fitaterana an-dalamby, tomponandraikitra amin'ny fanarahana maso ireo làlan'ny fiarandalamby ao an-toerana.

Namoaka kisary iray izy, avy amin'ny Eurostat maneho ny fifandanjàn'ny isan'ireo mpandeha maty tamin'ny fiarandalamby fitaterana olona isaky ny iray lavitrisa kilaometatra tamin'ny  2014-2015 [16], izay mampiseho fa i Bolgaria no manana ny isa ambony indrindra amin'ny fahafatesana, araha ampitahaina, ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana.

 Train passengers killed per billion passenger-kilometres, 2014-2015 Source: Eurostat

Mpandeha fiarandalamby maty isaky ny iray lavitrisa kilaometatra, 2014-2015. Loharano: Eurostat.

Ho an'ireo mponina ao amin'ity faritra lavitra ity, any amin'ny 300 kilaometratra miala an'i Sofia renivohitra, tena loza mahatsiravina tokoa ilay nitranga. Any amin'ny faritra iray isan'ny mahantra indrindra ao Bolgaria no misy an'i Hitrino, ary dia ho any anaty fiara ‘caravane’ ireo olona rava trano no toa hiatrika ny ririnina.

Hitrino, Bulgaria, 10.12.2016. Photo by Krasimir Krumov, used with permission.

Hitrino, Bolgaria, 10.12.2016. Sary an'i  Krasimir Krumov, fampiasàna nahazoana alàlana.

Nanazava [17] ny Novini, tranonkala Bolgara mpizara vaovao, hoe ao anatin'ireo loza mitovy amin'izao, dia mandray fanampiana 325 BGN (eo amin'ny 160 Euro)  avy amin'ny fanjakàna  ireo olona voadona mivantana — antontam-bola tsy misy dikany akory manoloana ny filàn'izy ireo.