Manontany Ireo Aostraliana Raha Resy ry Zareo Manoloana ny Ady amin'ny Zava-mahadomelina?

Nimbin H.E.M.P. Embassy

Masoivoho Nimbin H.E.M.P.  – Sary avy amin'ny mpisera Flickr  Nimal Skandhakumar (CC BY-NC-ND 2.0)

Maro ireo Aostraliana no niombon-kevitra tamin'ny mpitarika ny Greens (antoko Maitso) Richard Di Natale vao haingana, rehefa niantso ny hamaranana ny ady amin'ny zava-mahadomelina izy. Antoko vitsy an'isa manohana ny fiarovana ny tontolo iainana ny Greens sy maneho andraikitra amin'ny fitantanana azy toy ny hetsika atao amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, sy ny rariny ara-tsosialy. Mandrisika ny politika raharaham-bahiny mahaleo tena kokoa ho an'i Aostralia ihany koa izy..

Efa an-taonany maro no niady hevitra amin'ny hamoronana paikady manoloana zava-mahadomelina malefaka indray ireo mpanao politika, mpandrafitra politika [lalàna] ary ny matihanin'ny fahasalamana ao amin'ny firenena — hevitra miady amin'izany ny hoe ‘Tsy fotsiny izao’ sa ‘fanamaivanana araka izay tratra ny voka-dratsiny’, eny fa na dia efa zary mahazatra aza ny adihevitra ifanaovan'ny te-hampihatra ny lalàna sy ny fanesorana azy tsy ho heloka intsony.

Mazava ho azy, tsy zary zava-mandalo intsony ny fahalianan'ny olona amin'ny ankapobeny, raha  te-hametraka ny fanafoanana ny maha-heloka azy ny politika vaovaon'ny Greens , anisan'izany ny fanohanana amin'ny fametrahana fitaovana fitiliana zava-mahadomelina any amin'ny fetiben'ny mozika  Mamela ny mpanatrika fetibe hitsapa ny zavatra novidiany ahitany izay ao anatiny ireo fitaovana ireo. Nahatonga adihevitra be ny fanandramana manokana nataon'ny fanentanana #JustOneLife (Indray mandeha ihany ny Fiainana) tamin'ity lohataona ity izay manandratra ny teny hanaovana ny fizahana ho ara-dalàna .

Nisioka ny eritreriny ny olona maro avy amin'ny vondrom-piarahamonina misahana ny fahasalamana, raha nampiasa ny tolo-kevitra toy ny hetsika farany indrindra nataon'i Thailandy hanesorana tsy ho heloka intsony ny meth [methamphetamine] ho porofon'ny fironana iraisam-pirenena ny hafa:

@AJEnglish @RichardDiNatale Sahy i Thailandy amin'ny fahasahiana hanandrana ny fomba MIFANOHITRA AMIN'NY KOLONTSAINA mahazatra amin'ny LAZAINA HO “Ady amin'ny Zava-mahadomelina” amin'ny fanekena azy…

Araka ny nolazain'ny filohany, Dr Michael Gannon, dia tsipahin'ny Fikambanana Ara-Pitsaboana Aostraliana na AMA ny fanesorana tsy ho heloka ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, anisan'izany ny rongony raviny, saingy tiany raha misy zavatra maro hafa vita aloha:

Ny AMA dia miarahaba izay rehetra fiovana mifantoka amin'ny fivilian-dalana, fanarenana, ary fitsaboana. Tsy maintsy miaraka amin'ny fampianarana tsara loharanom-baovao ny fametrahana lalàna mamotsotra ny maha-heloka ny rongony raviny  #auspol pic.twitter.com/utLvse63ge

Manohana ny hetsika ny The Age, gazety iray manan-danja mivoaka isan'andro ao Aostralia, ary milaza fa “tokony ho foanana ny ady amin'ny zava-mahadomelina hanohanana ny paikady fanamaivanana ny voka-dratsiny izay mifototra amin'ny fanafoanana ny maha-heloka azy, ny fametrahana ny fitsipika ary ny fanabeazana”. Hoy ihany koa ny gazety hoe: “Manohy ny fandrisihana izahay, ary mihevitra fa tokony hoesorina amin'ny rafi-pitsarana heloka bevava ary ampidirina ho ao amin'ny rafitra ara-pahasalamana ny loharanon-karena very amin'ity ‘ady’ diso lalana sy tsy azo arovana ity, satria ilaina betsaka kokoa ny fitaovana sy foto-drafitr'asa ara-pitsaboana sy fanohanana ireo mila vonjy amin'ny fanasitranana ireo manana olana olana amin'ny zava-mahadomelina sy ho salama. “

Maro ny sioka nifandray tamin'ny matoandahatsoratra. Hita ho diso fanantenana tamin'ny tsy fandraisana andraikitra ara-politika ny dokotera Alex Wodak, mpisera Twitter sady manam-pahaizana momba ny fanavaozana ny lalànan'ny zava-mahadomelina  :

Mihamaro ny matoandahatsoratry ny fampitam-baovao, miantso maika ny fanavaozana ny lalànan'ny zava-mahadomelina, kanefa mbola ao anatin'ny fandavana ny maro amin'ny mpitarika.

Namoaka  fanambarana an-tserasera momba ny antsoina hoe ‘hiakiaky ny zava-mahadomelina ‘ ny Harm Reduction Australia (Fampihenana ny Fampahoriana ao Aostralia):

There has been an ill-informed, and at times bizarre, response to the Greens’
announcement that their blanket opposition to legalising any drugs will be replaced with a more evidence-informed and regulatory approach to drugs.

…The lifelong consequences of arresting, charging and in some cases imprisoning tens of thousands of people every year are costly, counterproductive and harmful.

We are also experiencing a level of drug related overdose deaths that is once again escalating at alarming rates.

Nisy ny fampahafantarana diso, ary amin'ny fotoana hafahafa indraindray, valinteny amin'ny fanambarana nataon'ny Greens fa ny rako-panoherana ataon-dry zareo amin'ny fametrahana ho ara-dalàna ny zava-mahadomelina rehetra dia hosoloina fomba fanazavan'olona nahazo fahalalàna momba ny zava-mahadomelina sy mitombina kokoa ka apetraka ao anaty fitsipika kokoa ny zava-mahadomelina.

… Lafo vidy, tsy mamokatra ary mampidi-doza ny vokatra maharitry ny fisamborana, fanamelohana ary indraindray  ny fanagadrana olona an'aliny isan-taona.

Miatrika fiakaran'ny fahafatesana vokatry ny fihinanana zava-mahadomelina tafahoatra izay mahatratra ny taha mampivarahontsana ihany koa isika izao.

Mitsikera ny soso-kevitry Greens ny valiny an-tserasera vitsivitsy. Angamba mety ireo maro an'isa mangina no tena voakasik'ity raharaha ity. Mety mahasolo tena ny fomba fijerin'izy ireo ny fanehoan-kevitr'i Shooglebunny tao amin'ny fanehoan-kevitra Guardian :

Yes its always time for a ‘grown up conversation’ that of course must conclude that legalisation of drugs will be the best thing since sliced bread.

Its essential that the middle classes can access weed and the lighter drugs easily, with no possibility of being criminalised and that some sort of quality control is imposed.

That way they can puff, snort and swallow to their hearts content. Never mind any negative social consequences for other less privileged people; they don't count anyway.

Eny fotoana hatrany izao hanaovana ‘resaka matotra’ izay mazava ho azy fa tsy maintsy amehezana fa ny fametrahana ny zava-mahadomelina ho ara-dalàna no zavatra tsara indrindra aorian'ny mofo voatapatapaka.

Zava-dehibe ny fahafahan'ny saranga antonony mifoka rongony sy zava-mahadomelina maivana mora foana, tsy misy fanamelohana sy tsy misy fametrahana karazana fanaraha-maso .

Amin'izay izy ireo afaka misintona, mifoka ary mitelina araka izay mahafa-po azy ireo. Tsy raharahiana ny  fiantraikany ratsy ara-tsosialy amin'ireo olona hafa tsy afa-misitraka izany; tsy mikaonty ihany koa izy ireo na izany aza.

Mety ho very maina ny rehetra amin'izao fotoana izao, satria tsy dia miresaka ny politikan'ny Greens firy ny maro an'isa . Nandà haingana ny antson'ny Greens ” ho amin'ny fiovàna ” ny minisitry ny fahasalamana Federaly, Sussan Ley. Tsy manohana ny fanafoanana ny fanamelohana amin'izao fotoana izao ny  Antokon'ny Mpiasa ao amin'ny mpanohitra, fa mandresy lahatra etsy andaniny ny idirana bebe kokoa amin'ny safidy fitsaboana sy ny fanamafisana ny paikadin'ny fanamaivanana ny loza .

Manana loholona sivy sy depiote iray ao amin'ny Antenimeram-Pirenena ao amin'ny  Parlemanta Federaly ny Greens  . Koa satria tsy manana ny maro an'isa ao amin'ny Antenimieran-doholona ny governemanta, dia tokony ho afaka mampiditra ny raharaha ho ao anatin'ny fandaharam-potoana ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.