Dingana Voalohany Mankany Amin'ny Famoronana Tranonkala Roa Fiteny Ao Nikaragòa

Ejemplo de una ficha de diseño para página web.

Ohatra amin'ny fisehoan'ny pejin'ny tranonkala.

Ity no lahatsoratra fahaefatra momba ny tetikasa “Miskito sy Mayangna ao amin'ny aterineto”, mpandresy nahazo vatsy tamin'ny 2015 tamin'ny antso ho fanohanana fisantaran'andraikitra momba ny fikarohana nomerika ho an'ny fiteny vazimba teratany. Tontosaina ao Nikaragoà ankehitriny ny tetikasa ary kasaina ny hanamafisana orina ny fiteny eo an-toerana amin'ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora.

Nandritra ny fampivelarana ny lohahevitra noresahana tany am-pianarana, nanome ohatra fanomezana endrika amin'ny famoronana tranonkala, izay ahitana toerana hanoratana ny lohahevitry ny rohy sy toerana ametrahana sary, lahatsary, ary diaporama, ho an'ny mpianatra ny mpampianatra. Fotoana fanararaotra ho an'ny mpianatra hieritreretana izay lohahevitra tian'izy ireo atsofoka ao amin'ny tranonkalan'izy ireo voalohany ny fananganana endrika ny tranonkala. Ny lohahevitra voafantina dia ahitana lafin-javatra toy ny fianakaviana, ny namana ary ny mpihira tena ankafizina.

Nifantoka tamin'ny famoronana tranonkala ny kilasy voalohany miompana amin'ny mediamarolafy nataon'izy ireo, tsy nanana fahafahana miditra aterineto ny mpianatra, saingy nampiseho azy ireo ny teknika ilaina amin'ny fananganana tranonkala ny mpampianatra, anisan'izany: ny fifantenana maodely; ny fikirakirana ny habe, ny loko sy ny karazana endri-tsoratra; ny fametrahana lahatahiry hitantanana ny tahiry; sy ny fampidirana sary; mampiasa ny sehatra Wix amin'ny famoronana tranonkala avokoa ireo rehetra ireo.

Nandritra ny tohin'ny fivoriana tamin'ny atrikasa, nihatsara kokoa ny fifandraisana aterineto, saingy nisy hatrany ny olana amin'ny fahatapahan'ny herinaratra nampian'ny fahavitsian'ny foto-drafitrasa misy, ka nanataraiky ny fizotran'ny fanofanana. Indraindray, nirotsaka tamin'ny fanaovana zavatra hafa ny mpianatra eo am-piandrasana ny fiverenan'ny herinaratra na ny aterineto amin'ny laoniny.

Nisy fotoana raha nandroso tamin'ny fomba mahafa-po ny dingana famoronana tranonkala, dia hita fa nanomboka nampihatra ny teknika ny mpianatra ary nampiditra tamin'ny fomba tsotra kokoa ny fampiasana ny fiteny vazimba teratany; mpianatra iray ohatra nanolotra ny teny hoe “Wauhtaya” mba handikana ny “pejiko” amin'ny teny Miskito. Amin'ny fotoana tahaka izany, nisy dikany bebe kokoa ny fananganana tranonkala amin'ny fiteny eo an-toerana, ary nanomboka nahatsapa ny tanora fa mety ho izy ireo no tompony sy mpamorona ny sehatra nomerika azy ireo manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.