- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lasibatry ny Governemanta Sodaney ny Mpikatroka, Tampenam-Bava ny Fampahalalam-baovao Mitatitra Tsy Fankatoavam-Bahoaka

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
A compilation of photos showing empty street during the three-day civil disobedience. Shared on Twitter by user @jenba7ry [1]

Fanangonan-tsary mampiseho ny arabe tsy misy olona nandritra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka naharitra telo andro tao Khartoum, Sodàna. Niparitaka be tao amin'ny Twitter.

Nakaton'ny manampahefana Sodaney ny biraon'ny fampahalalam-baovao, noraofin-dry zareo ankeriny ny gazety ary nosamborina ireo mpikatroka sy mpiserasera media sosialy mba hialàna amin'ny tati-baovaon'ny telo andron’ ny tsy fankatoavam-bahoaka ho setrin'ny fiakaram-bidin'ny zavatra ilaina andavanandro.

Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka rehefa nesorin’ ny governemanta ny fanampiana ara-bola amin'ny herinaratra, ny akoran'afo ary ny fanafody. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nitarika fihetsiketsehana [2]ny mpianatra sy ny mpiasa ary na ny dokotera [3] sy ny mpiasan'ny farmasia [4]aza dia nitokona koa, mitaky fitsaboana maimaim-poana any amin'ny tobim-pitsaboana sy ny vonjy taitra. Nitolona fatratra ny toekarem-pirenena hatramin'ny taona 2011, raha nanambara ny fahaleovantenany tamin'ny Jolay 2011 ny faritra atsimo (Sodana Atsimo), manan-karena akoran'afo.

Ho valibontana amin'ny nolazain”ny [5] manampahefana iray fa “antso nifanaovana tao amin'ny Whatsapp” ho fanetevan-daharana ny fitokonana, dia nanampim-bava ny fampitam-baovao antserasera sy ny fampitam-baovao mahazatra ny polisy Sodaney.

Tamin'ny 28 Novambra, noraofin'ny [6]mpiasa mpikambana ao amin'ny Sampam-piarovana sy Fitsikilovana ao amin'ny firenena (NISS) avokoa ireo kopia natonta an'ireo gazety tsy miankina efatra (al-Tayar, al-Jadida, al-Ayyam sy al-Youm al-Tali) talohan'ny nampielezana azy ireo. Niteny tamin'ny The New Arab i Osman Mirgani, Talen-dahatsoratry ny Al-Tayyar hoe :

At 2:00 am today [28 November] an NISS officer came and ordered our printer to stop printing..He confiscated the entire print run without giving any reason.

Tamin'ny 2:00 maraina androany [28 Novambra] tonga ny manamboninahitry ny NISS ary nandidy ny mpanao pirinty mba hijanona tsy hanonta pirinty intsony. Nalainy avokoa ny voatonta rehetra ary tsy nilaza ny anton'izany izy ireo.

Nihevitra ireo mpikatroka Sodaney na izany aza, fa ny “tati-baovaon'ny tsy fankatoavam-bahoaka” navoakan'ny gazety no anton'izany. Nilaza tamin'ny Global Voices ilay mpanao gazety sady bilaogera Sodaney, Reem Abbas, fa raha “sarotra amin'ny ankapobeny” ny toetry ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Sodana, dia mihamafy kosa ny famoretan'ny polisy rehefa misy ny korontana. Nampiany ihany koa fa matetika lasibatra ny gazety mahaleotena :

It was no coincidence that the security knew that they would report the disobedience but to impose more losses, they wait until they print [the newspapers] and then confiscate the entire issue

Tsy kisendrasendra ny fahafantaran'ny fiarovana fa hitatitra tsy fankatoavam-bahoaka ry zareo saingy mba hampisy fatiantoka bebe kokoa, dia niandry ny fotoana hanaovana pirinty [ny gazety] izy ireo ary avy eo raofina ny voatonta rehetra

Ankoatra izany, tamin'ny andro voalohany nanaovana fitokonana, nahazo [7] baiko fanakatonana avy amin'ny Fahefana Foibe misahana ny Radio sy Fahitalavitra ny fahitalavitra tsy miankina Omdurman noho ny filazana fa tsy manana fahazoan-dalana handefa fandaharana izy, na dia teo aza ny zava-misy fa efa niasa nandritra ny enin-taona ny fahitalavitra. Mihevitra ireo mpanao gazetin'ny fahitalavitra fa ny fitantaran'izy ireo ny fahatapahan'ny fanampiana no tena anton'ity didy ity, araka ny filazan'ny Sudan Tribune.

Sudanese President Omar al-Bashir has been in power since 1993. Image in public domain.

Filoha Sodaney Omar al-Bashir teo amin'ny fahefana hatramin'ny taona 1993. Sary azon'ny rehetra ampiasaina.

Ankoatra ny fikendrena ny haino aman-jery mahazatra, lasibatry ny media sosialy, izay ivon'ny [8] fitarihana ny tsy fankatoavam-bahoaka sy fandraketana ny voka-dratsiny ihany koa ny governemanta Sodaney. Maro ireo mpiserasera voasambotra noho ny fanehoan'izy ireo ny fanohanany ny hetsika sy namoaka sary mampiseho arabe foana sy fivarotana mihidy vokatry ny fitokonana faobe.

Tamin'ny 26 Novambra, nosamborin'ny manamboninahitry ny fiarovana tao an-tranony i Ahmad Al-dhay Bichara mpaneho hevitra ara-panatanjahan-tena. Feo mpitsikera ny governemanta Sodaney ao amin'ny aterineto i Bichara. Tamin'ny andron'ny fisamborana, nandefa lahatsary [9] mivantana tao amin'ny Facebook izy, milaza ny fanohanany ny tsy fankatoavam-bahoaka, ary miantso ny olona hanatevin-daharana ny fitokonana. Tao anatin'ny lahatsary, namariparitra ny Filoha Sodaney Omar Al-Bashir ho “tapa-tenda manana tantara mihoso-drà” izy.

Nitatitra ihany koa ireo mpikatroka Sodaney fa vehivavy iray antsoina hoe Om Kabas al-Ameen no nosamborina rehefa avy nandrakitra [10] hafatra am-peo nozaraina tao amin'ny WhatsApp, mitaraina noho ny krizy ara-toekarena sy ny fiakaram-bidim-piainana kanefa ilaozan'i “Al-Bashir matory ao an-tranony.”

Nosamborin'ny mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily i Mahmood Sadek, mpikatroka, raha teo am-pandefasana mivantana [11] ny araben'ny renivohitra Khartoum tamin'ny Andro Voalohany nanaovana ny tsy fankatoavam-bahoaka tao amin'ny Facebook .

Mahmood Sadik no anarany ary nosamborina izy raha teo am-pakàna sary mivantana

Na dia nifarana tamin'ny 29 Novambra aza ny tsy fankatoavam-bahoaka, mbola mitohy ao Sodàna ny hetsi-panoherana sy ny fitokonana. Tamin'ny 30 Novambra, nanao fihetsiketsehana [16]teo anoloan'ny Fitsarana Tampony ny mpisolovava ho hanoherana ny hetsika fisamborana ataon'ny governemanta, raha nitokona kosa ny mpanao gazety hanoherana [17] ny sivana amin'ny asa fanaovan-gazety. Nisy koa ny antso tsy fankatoavam-bahoaka tamin'ny 8 Desambra.

“Mino aho fa faly ny olona satria tena mahomby ity,” hoy i Abbas tamin'ny Global Voices. “Te-hanohy hanao izany izy ireo, satria tena mahery setra loatra ny governemanta raha resaka fihetsiketsehana no atao”.

Tamin'ny taona 2013, namono [18] olona 200 fara fahakeliny ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny fanapahana ny fanampiana amin'ny akoran'afo. Tamin'izany taona izany, lasa lavitra ny governemanta tamin'ny fanakatonana [19]ny fifandraisana amin'ny aterineto ho fanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hanao ny fikarakarana amin'ny alalan'ny haino aman-jery sosialy. Ny fotoana no hanambara raha ho tafavoaka amin'ny tetikady mitovy amin'izany ny manam-pahefana amin'ity indray mitoraka ity.

Mijery an'i Sodàna ny vondrona mpiaro ny zo nomerika raha hisy ny fahatapahan'ny aterineto. Adrom-pirenena  tsy fankatoavam-bahoaka ny 27 Novambra.