- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanatontosa Fanentanana Hanafoanana Ny Lalàna Manenjika Mpitrifana Nanamelohana Azy Ilay Bilaogera Rosiana

Sokajy: Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
Source: VKontakte

Sary: VKontakte

Nanatontosa fanentanana hanesorana ny lalàna nohitsakitsahany ka nanamelohana azy tsy ho ao anatin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava Rosiana i Anton Nossik, bilaogera malaza nampandoavina lamandy 500.000 robla (8.000 dolara) tamin'ny Oktobra noho ny lahatsoratra tao amin'ny LiveJournal izay niantso an'i Rosia mba “hamafa an'i Syria tsy ho eo ambonin ‘ny tany”. Lalàna mahatratra ny zava-drehetra ny lalàna andininy faha-282, izay mandràra [1] ny “hetsika mandrisika fankahalana na manangana fahavalo, na fanivaivana ny fahamendrehan'ny olona na ny vondron'olona noho ny maha lahy na vavy, noho ny firazanana, ny zom-pirenena, ny fiteny, ny fiaviana, ny fihetsika manoloana ny fivavahana, na noho ny maha ao anatin'ny sarangam-piarahamonina iray, raha natao imasom-bahoaka na tamin'ny fampiasana haino aman-jery ireo zavatra ireo”, ary dia nohelohina [2] noho ny fahasiahana loatra sy ny fanitsakitsahana ny zo fototra: mety ho meloka ny olona iray na dia tsy nitarika herisetra aza ny zavatra nataony, ary hatramin'ny nampidirana ilay lazaina fa Lalàna Yarovaya [3] tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia mety ho voaheloka hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina.

Taorian'ny fampandoavana lamandy, nandefa [4] ny soso-keviny tany amin'ny “Fisantaran'Andraikitry ny vahoaka Rosiana” (ROI), tranonkala natao hifantenana ireo soso-kevitra avy amin'ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny governemanta federaly i Nossik. Efa ho roa volana tatỳ aoriana, nahazo valiny avy amin'ny ROI izy, izay milaza fa nekena ny tolo-keviny ary navoaka tao amin'ny tranonkala nanomboka tamin'ny 30 Novambra. Afaka mifidy eny na tsia amin'ny fanangonan-tsonia hatramin'ny 30 Novambra 2017 ny Rosiana 18 taona no mihoatra, ary nisoratra anarana tamin'ny alalan'ny vavahadin-tseraseram-panjakana. Mila fanohanana 100.000 ny tolo-kevitra vao azo alefa any amin'ny governemanta federaly mba hiadian-kevitra.

Hoy ny vakin'ny fanangonan-tsonia:

Статья 282 УК РФ о «действиях, направленных на возбуждение ненависти либо вражды» сформулирована таким образом, что допускает огромное количество злоупотреблений, произвольных трактовок, и создаёт почву для уголовных дел за «преступления мысли». Не существует ни одного документа и ни одного судебного решения, в котором было бы внятно прописано, какие высказывания подлежат квалификации как «экстремистские», а какие подпадают под конституционную норму защиты свободы слова. В последние годы мы видим постоянный рост числа случаев, когда эта статья использовалась для преследования инакомыслящих, подавления свободы печатного слова, просто сведения личных счетов между региональными силовиками и критикующими их общественными деятелями. Также известно немало случаев, когда совершенно случайных людей преследовали по этой статье просто «для галочки», для выполнения плана определённых силовиков по «борьбе с экстремизмом». За 21 год её существования статья многократно переписывалась, и каждый раз — в сторону ужесточения наказания. Но внятного определения «экстремизма» в ней как не было, так и не появилось.

Novolavolaina fatratra ny andininy faha-282 ao amin'ny Fehezan-dalàna Rosiana momba ny Heloka bevava, “hetsika nokendrena hitarika fankahalana na fifandirana” mba ahafahana manao fanararaotam-pahefana goavana, fandikàna araka izay tiana, ary mametraka fototra fanenjehana ny “heloka noho ny eritreritra. ” Tsy misy antontan-kevitra iray na fanapahan-kevitra ara-pitsarana iray manonona hoe fanambaràna tahaka ny ahoana no faritana fa “mitrifana”, ary inona no voaaron'ny lalàmpanorenana ho fahalalahana miteny. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nahita fitomboan'isa hatrany isika fa nampiasana hanenjehana mpisintaka ara-kevitra ity lalàna ity, mba hanafoanana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, anisan'izany ny tantara manokana manakiana ny manam-pahefanan'ny fiarovana isam-paritra sy ny asam-bahoaka ataon'izy ireo. Nisy ihany koa ireo fotoana itoriana olona kisendrsendra amin'ity lalàna hanaovana “fampisehoana” fotsiny, izay tafiditra ao anatin'ny “ady amin'ny mpitrifana” ataon'ny sampan-draharahan'ny fiarovana. Nandritra ny 21 taona nisiany, nasiam-panovana imbetsaka ity lalàna ity, ary lasa miha-henjana hatrany. Na izany aza, tsy ahitana famaritana mazava ny atao hoe “mitrifana” izany.

“Tonga ny fotoana hanaovana zavatra miaraka,”Hoy i Nossik nanoratra [4] tao amin'ny kaonty LiveJournal tamin'ny Asabotsy. “Tokony atao ary ilaina ny manaparitaka rohy, mizara, mamerina sioka, mitia, mandefa vaovao araka izay betsaka ny zava-misy fa vonona hofidiana ny fandraisana an-tanana … Raisina soa aman-tsara ny famoronana ara-maso. Koa miangavy, manaova sora-baventy [sy] sary ao amin'ny Instagram, izay karazana hatsaran'endrika mila aparitaka … “

Nampiasa hatrany ny andininy faha-282, matetika fantatra ho “lalàna iadiana amin'ny mpitrifana” ny fitsarana Rosiana mba hanampenam-bava ny mpanohitra: tamin'ny 2015 fotsiny ohatra, olona 414 no voaheloky  [5]ny lalàna, nitombo 137 isa noho ny tamin'ny taona 2011. Ankoatra ny fanoherana iraisam-pirenena, dia notsikerain'ireo Rosiana mpanao lalàna ho mivelatra loatra, ka mahatonga ny fitsarana hanameloka ny olona noho ny ara-politika fa tsy noho ny antony fandikan-dalàna ilay lalàna. Tany am-piandohan'ity taona ity, nampiditra volavolan-dalàna [6] hanafoana ny andininy faha-282 tao amin'ny Duma-mpanjakana i Mikhail Degtyarev, Alexei Didenko sy Ivan Sukharev, mpanao politika avy amin'ny Antoko Liberaly Demaokraty ao Rosia. Notakiana ny fanafoanana ny volavolan-dalàna satria manoka-baravarana hanenjehana “olom-pirenena noho ny fomba fijery ideolojika samy hafa.”Tsy lany ny volavolan-dalàna ary mbola manan-kery ny andininy faha 282″.

Tamin'ny Talata, namoaka Fanontaniana sy Valiny [7]ho an'ny mpamaky azy ao amin'ny pejy LiveJournal i Nossik, manasongadina ny antony hanohanana ny fanangonan-tsonia. Ny andininy faha-282, hoy izy: dia lalàna “tsy nodinihana ny tombontsoany, fa mahabetsaka ny isan'ny fanararaotam-pahefana. Ny fihenjanan'ny andininy faha-282 dia ahafahana manenjika ireo mpandrindra zavakanto sy mpisera VKontakte izay mamoaka sariitatra manohitra ny fanavakavahana ihany koa.

Как же бороться с экстремизмом, расизмом, ксенофобией, если эта статья будет отменена? В российском законодательстве предусмотрено больше дюжины разных статей для уголовного и административного преследования за экстремистскую деятельность, позволяющих привлекать к ответственности правонарушителей за конкретные совершённые ими деяния, а также за членство в экстремистских и террористических организациях. Особенность 282-й статьи состоит в том, что она приравнивает к делам высказанные вслух мысли, мнения, и даже простое выражение согласия с чужими словами. Таким образом, практика по 282-й статье, в сущности, мешает реальной борьбе с преступлениями на почве расовой и религиозной нетерпимости, отвлекая правоохранительный ресурс на деяния, не представляющие никакой общественной опасности.

Ahoana no fomba hiadian'ny manampahefana ny mahery fihetsika, ny fanavakavahana sy ny fankahalana vahiny raha hofoanana ny lalàna? Am-polony mahery ireo lalàna Rosiana momba ny  heloka bevava sy ny fitantanana ny hetsika extremista izay mahatonga ireo mpandika lalàna ho tompon'andraikitra noho ny hetsika manokana sy noho ny fandraisana anjara tamin'ny fikambanana mahery fihetsika sy mpampihorohoro. Ny andininy faha-282 dia mampitovy ny hetsika amin'ny fanehoana ny ao an'eritreritra, amin'ny fanehoana hevitra, ary koa ny fanekena ny tenin'ny hafa mihitsy aza. Koa amin'ny fampiharana azy ankapobeny, manohintohina ny tena ady amin'ny heloka bevava ateraky ny tsy fifandeferana ara-poko sy ara-pivavahana ny andininy faha-282 , mamily lalana ny fitaovana fampiharana ny lalàna [hanenjika ireo] hetsika tsy mampidi-doza ny fiarahamonina akory.

Насколько эта проблема вообще актуальна? Ведь по 282-й статье привлекают к уголовной ответственности всего несколько сотен человек в год. Практика уголовного преследования за преступления мысли чрезвычайно соблазнительна для карательных органов. Назначать «злодеев» с помощью Гугла и Яндекса проще, чем ловить настоящих преступников на улице, вести агентурную работу в экстремистском подполье, собирать улики. Поэтому практика по 282-й растёт в последние годы как раковая опухоль, в то время как профилактики реальных преступлений на почве нетерпимости мы вообще не видим. С учётом тенденции роста дел по 282-й за последнее пятилетие, уже в 2017 году счёт обвиняемым пойдёт уже на тысячи, а процент оправданных по этой статье к сегодняшнему дню равен нулю.

Tena olana tokoa ve izany? Olona an-jatony isan-taona no hita fa meloka noho ny fanitsakitsahana ny lalàna andininy faha-282. Ny fanenjehana ny heloka noho ny eritreritra dia mety hanosika ny manampahefam-piarovana hanao fanenjehana. Mora kokoa ny mamantatra izay “adala” mampiasa Google sy ny Yandex noho ny misambotra izay tena mpanao heloka bevava eny an-dalana, izay manao asa miafina any amin'ny tontolon'ny mahery fihetsika ambanin'ny tany, ary manangona fikafika. Ka nitombo toy ny fivontosan'ny homamiadana tao anatin'ny taona vitsy ny fanenjehana eo ambanin'ny lalàna andininy faha-282, raha tsy mahita fisorohana izay tena heloka bevava isika, mandritra izany. Noho ny fitomboan'ny fironana hanenjika olona amin'ny andininy faha-282 nandritra ny dimy taona farany, mety hahita fitomboan'isan'ny voampanga ho an'arivony isika amin'ny taona 2017, raha manatona ny zerô ny isan-jaton'ny fanenjehana azo hamarinina araka ity lalàna ity.