- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tsipika Manify Manasaraka Ny Sivana Politika Sy Ny Ady Manohitra Ny Vaovao Diso Any Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
The Iranian government has announced plans to regulate social media channels with more than 5000 followers. As the largest social network application in Iran, this is thought to directly effect Telegram.

Nanambara lamina handrindrana ny fantsom-baovao sosialy manana mpanaraka maherin'ny 5000 ny governemanta Iraniana. Amin'ny maha-fampiasa lehibe indrindra amin'ny tambajotra sosialy ao Iran, azo inoana fa misy fiantraikany mivantana amin'ny Telegrama izany. Sary noforonin'ny mpanoratra.

Voalaza fa nanao dingana ny governemanta Iraniana mba hanitatra ny fifehezana ireo fantsom-baovao lehibe ho an'ny vahoaka ao amin'ny Telegram, fandefasana hafatra tonga eo noho eo. Raha ny hita, hahakasika ireo vondrona izay ahitana mpisoratra anarana maherin'ny 5000 ity hetsika ity.

Na izany aza, tsy mbola mazava na mitady hanova tanteraka ny fanarahana maso ireo vondrom-piarahamonina an-tserasera (anisan'izany ny ady manohitra ny “vaovao diso”) ny manampahefam-panjakana), na raha toa mikasa fotsiny ny hanitatra sy hanohy ny faharahana maso ny aterineto izay efa misy amin'izao fotoana izao.

Araka ny nambaran [1]‘ny Tasnim News, masoivohom-baovao iray miankina amin'ny Mpiambina Revolisionera, nanao ny fanambarana tao amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nandritra ny Kaonferansa Nasionaly momba ny Raharaham-bahoaka ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao, Teknolojia ary ny Fifandraisana (TIC) Iraniana, Mahmoud Vaezi. Notanisain'i Vaezi ny loza ateraky ny fatsom-baovao tsy ofisialy” any ambanivohitra sy ireo faritra tsy dia mandroso ao Iran, toerana izay ny vaovao diso sy ampiasaina amin'ny tsy izy no mahasarika mpihaino betsaka [2].

با توجه به اینکه مردم باید نسبت به اخباری که در این کانال ها منتشر می شود، اعتماد داشته باشند تصمیم گرفته شد تا کانال هایی که بیش از تعداد مشخصی عضو دارند، ملزم به دریافت مجوز شوند.

Satria ny olona dia mila matoky ny vaovao ampitaina amin'ireny fantsona ireny, dia norasina ny fanapahankevitra fa ny fantsona ahitana mpikambana maromaro dia itakiana fahazoandàlana.

Ny fanambaràn'ny Minisitra Vaezi dia managana adihevitra mitohy ao anatin'ny Filankevitra Ambony Iraniana momba ny Tontolon'ny Aterineto, ny tena mpifehy ny politikan'ny aterineto ao amin'ny firenena. Araka  an'i Vaezi, ny ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Teknolojia ary ny Fifandraisana (TIC) no hitantana ny fahazoandàlana vaovao miaraka [1]amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihan-dàlana Islamika— ilay masoivohom-panjakana tomponandraikitra amin'ny fandrindràna ny haino aman-jery Iraniana. Milaza i Vaezi fa hanangana komity ny governemanta amin'ny volana ho avy, ary ny fantsom-baovao ahitana mpanjifa maherin'ny 5000 dia hitakiana ny fankatoavan'ny komity mba ho afaka hanohy miasa ara-dalàna.

در صحبت های اولیه ای که صورت گرفته کانال های خبری که حداقل 5000 عضو دارند باید نسبت به دریافت مجوز اقدام کنند. اما با این حال در آیین نامه تدوینی به جزییات بیشتری اشاره خواهد شد.

Ao anatin'ny resadresaka voalohany nitranga, mila maka fahazoandàlana ireo fantsom-baovao izay manana mpikambana  maherin'ny 5000. Na izany aza, holazaina ihany ny andinindininy sasany raha vao voarafitra ny lalàna.

Ao amin'ny fanamarihany, tsy niantso ny  Telegrama tamin'ny anarany mihitsy Vaezi, fa toa ilay karajia sy sehatry ny haino aman-jery, miaraka amin'ireo 30 tapitrisa mpampiasa  any Iran ary fantsona mahasintona vahoaka no tena lasibatry ny governemanta . Vao haingana koa ny Telegram no voampanga ho nanamora ny fihanaky vaovao sandoka sy tantara diso.

Iray amin'ireo tambajotra sosialy Tandrefana vitsivitsy mbola tsy nosakanana any  Iran ny Telegram. Facebook sy Twitter, ohatra, dia voasakana hatramin'ny 2009. Tany am-piandohana, noforonina ho toy ny sehatra hiarovana ny hafatra miampita eo noho eo (miaraka amin'ny mpitsikera maro mbola tsy faly amin'ny fiarovan'ilay tolotra), niova ho loharanom-baovao lehibe ny Telegram taorian'ny nampidirany fantsona ho an'ny vahoaka tamin'ny Septambra 2015. Tena marina mihitsy io any Iran, izay ahafahan'ireo tranonkalam-baovao ao an-toerana sy media an'ny diaspora voasakana mba mandefa an-kalalahana votoaty ho an'ireo mpampiasa aterineto izay misoratra anarana amin'ny fantson'izy ireny.

Ireo sasany mpandinika ny politika aza nilaza [3] ny fampiasan'ny reformista manan-tsaina ny fantsona Telegram narahana onjam-pandresena tamin'ny fifidianana palemantera tao Iran tamin'ny 2016. Vao mainka koa manaitra ny fandresen'ny reformista, noho ny  fifampiandaniana ara-politika mahazatra ao amin'ny haino aman-jery nentim-paharazana ao Iran nibahana nanerana ny firenena, toy ny Fandefasana Sary sy Feon'ny Repoblika Islamikan'i Iran (IRIB).

Hatraiza ny harefon'ny Telegram?

Satria any ivelan'i Iran no misy ny lohamilina mitahiry ny angon-drakitry ny Telegram, tsy mazava ny fomba ho ataon'ny manampahefana mba hamantarana ny mpandrindra ireo fantsona manokana natao ho an'ny daholobe ao amin'ilay tambajotra.

Nilaza ny governemanta tamn'ny Jolay 2015 fa tsy hanivana ny Telegram izy ireo na misy votoaty mahamenatra aza ao amin'ilay sehatra, fa hiara-hiasa amin'ny Telegram kosa ho solon'izany mba handrondràna azy [4]. Nandà mafy [5] izany fiampangana izany ny mpanorina ilay orinasa sady Tale Jeneraly.  Ny Janoary 2016, tao amin'ny fivorian'ny komity mpanivana, nanapa-kevitra hanohitra ny fanivanana ny Telegram [6] ny governemanta, na izany aza, indray andro tamin'ny volana May 2016, nanambara [7]ny Filankevitra Ambony momba ny Habaky ny Serasera fa ireo sehatra rehetra maniry ny mbola te-ho azo idirana ao Iran dia manana herintaona mba hamerina ny lohamilin'izy ireo ao anatin'ny faritr'i Iran. Tsy mazava na hanaraka izany ireo orinasa mikirakira teknolojia toy ny Telegram, na hotohizan'ny governemanta ny fanivanana raha tsy hajaina ilay fangatahana.

Na inona na inona, tamin'ny lasa dia efa vitan'ireo Iraniana manampahefana ny nitady sy nisambotra ny sasany tamin'ireo mpandrindra ny fantsona Telegram. Tamin'ny Novambra 2015, 20 mahery ireo mpandrindra vondrona tao amin'ny Telegram no nosamborin'ny [8] polisy noho ny fanelezana “votoaty mahamenatra.”  Nijirika [9]kaonty maro tao amin'ny Telegram koa ireo Iraniana manampahefana, tamin'ny alalan'ny fipaingorana ireo hafatra an-tsoratra ampiasaina amin'ireo  fanamarihana mandalo dingana roa [10] ao amin'ilay tolotra.

Na mazava aza ny maha-zava-doza ny sivana ara-politika, miasa manohitra ny tena loza mitatao apetraky ny vaovao diso koa ireo Iraniana manampahefana. Tahaka ny tantara sandoka ao amin'ny Facebook izay mety ho nisy fiantraikany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena vao haingana tany Etazonia, voaloton’ny vaovao diso nivezivezy tao amin'ny Telegram [2] ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ao Iran.

Nisy tranganà vaovao sandoka roa azo tsapain-tànana niparitaka nanerana an'i Iran, niteraka fikoropahana faobe sy rarin-tsaina: krizinà fakàna an-keriny nahafaty izay tsy nisy akory, ary tatitra fa afaka manaraka maso ny hetsika Telegram-n'ny tsirairay ny governemanta amin'ny alalan'ny fampiasana ny adiresy IP.

Ny krizinà fakàna takalon'aina izay tsy nisy

hostage-taking

Vaovao sandoka niparitaka be avy amin'ny fantsona Telegram Persa. Sary avy amin'ny gazety Tabnak.

Tamin'ny 22 Novambra, nanomboka niparitaka ny vaovao sandoka tao amin'ny fantson'ny Telegram Iraniana hoe olona 27 no maty tao aminà krizinà fakàna takalon'aina tao amin'ny tsenam-barotra iray ao afovoan'i Teheran. Hita avy eo hoe sary nolazaina fa nalaina taminà fiofanan'ny polisy efa ela. Niseho tao amin'ny gazety tony mpandala ny nentin-drazana Tabnak [11] ilay tantara.

Tandremo ireo fampitandremana an-tserasera

Sary niseho tao amin'ny fantsona Telegram Iraniana tamin'ny Jona 2015 mampiseho filazana iray avy amin'ny Polisin'ny serasera Iraniana (ATA)  mampitadrina mpampiasa tsy fantatra anarana noho ny asa Telegram tsy araka ny lalàna. Nandà avy [12] hatrany ny filohan'ny FATA, nilaza fa tsy nandefa hafatra toy izany mihitsy ny polisin'ny serasera. Tsy nisy na iray aza nanome porofo hoe naharay hafatra tahàka izany, ary ny adiresy IP tsy mandeha ilay nozaraina tao amin'ny hafatra. Heverina fa avy aminà fantsona iray milaza ny tenany ho fantsona Telegram ofisialin'ny polisin'ny serasera ilay hafatra.

Scre

Screenshot of the viral fake notice from Iran's Cyber Police to an Iranian user to take down his account. Translation of the notice is to the left. Screenshot from a fake Cyber Police Channel on Telelgram.

185.111.678.75:مشترک مورد نظر شماره شما پیگیری شد. شما

به الت توهین و نقض قوانین حکم بر کشور جمهوری اسلامی ایران و پیدا شدن عکس و فیلم مستهخن در گوشی همراه شما باید اکانت تلگرم شما حذف شود

ما میتوانیم به شما اجازه دهیم تا ۱ ساعت متوالی خودتان اکونتان را حذف کنید ولی اگر خود شما این کار را نکنید کلیه اکانت های شما با اجازه مقام معظم رهبری و طبق اصل ۱۱۵ حذف و از شما خواسته می شود خود را به نزدیک ترین اداره پلیس معرفی کنید. پلیس فتا

Voatsongo dia ny tarhimarika nisoratanao anarana. IP: 185.111.678.75

Satria nanompa sy nandika ny fitsipiky ny lalànan'ny Repoblika Islamikan'i Iran ianao ary nahitana sary sy rakitsary vetaveta tao amin'ny findainao, mila mamono ny kaonty Telegram-nao ianao.

Azonay omenay alalana hamono ny kaontinao ianao ao anatin'ny ora manaraka, nefa raha tsy manao izany mihitsy ianao, ny kaontinao rehetra, miaraka amin'ny fanomezandàlan'ny Mpitarika Faratampony, ary ny andininy faha-115, hovonoinay ny kaontinao ary mila anao mitolo-tena any amin'ny paositry ny polisy akaiky anao indrindra. Polisy FATA.