- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao Lainga, Fifidianana Milamina Sy Zavatra Maro Hafa Ao An-tsain'ireo Ghaneana Alohan'ny Fifidianana

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Ghanaian opposition presidential candidate Nana Akufo-Addo paying homage to Nii Okwei Kinka Dowuona VI, King of the Ga people. Creative Commons image by Kabil75. [1]

Kandida filoham-pirenena mpanohitra Ghaneana  Nana Akufo-Addo nanome voninahitra an'i Nii Okwei Kinka Dowuona VI, Mpanjakan'ny vahoaka Ga . Sary avy amin'i Kabil75 Creative Commons.

Hifidy [2] filoham-pirenena sy parlemantera i Ghana ny 7 Desambra. Misy fito ireo kandidà ho filoham-pirenena; na izany aza, eo amin'ny Filoha am-perinasa John Dramani Mahama ao amin'ny Kongresy Nasionaly Demokratika  (NDC) sy ny kandidà mpanohitra Nana Akufo-Ado ao amin'ny Antoko Vaovao Tia Tanindrazana (NPP) no tena hiady ny fifaninanana.

Rehefa nanakaiky ny andro, dia nijery ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra mavesa-danja kokoa izay nozaraina tao amin'ny Twitter izahay tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohy #GhanaDecides [3]  [3].

Nandrisika ny olom-pireneny mba hifidy tamin'ny alàlan'ny sioka i Jerome :

Afaka manao ny resaka rehetra isika, kanefa fantatrao izay miteny mafy indrindra. #OVOV [4] #ManapakevitraGhana [3] pic.twitter.com/Nvj7TuSAea [5]

Nanoro hevitra ireo mpiseran'ny media sosialy i Etoile Oye, mpahay toe-karena:

Fampahatsiahivana amin'ny maha-mpinamana, tsy hisaina ireo valinteny maranitra tao amin'ny media sosialy, ny firehetam-po, ny zava-misy sy ny tarehimarika. Ny vatonao no isaina . Mandehana mifidy! #ManapakevitraGhana [3]

Nizara ity sary ity izay mampiseho ny fahasamihafan'ny fari-piainan'ireo mpanao politika sy mpifidy ao Ghana i Kasim :

# FidioJM [8] #MifidyMilamina [9] #ManapakevitraGhana [3] #FifidiananaGhana [10] pic.twitter.com/A7veAWkSz7 [11]

 

Nii Darku niteny hoe:

Maro ny tantara mitranga ao amin'ny media sosialy amin'ny fotoanan'ny vavao mamitaka. Ho be mpangataka ny vaovao atokisana avy amin'ny Foibe Fampitam-baovao ao #Ghana [13] #ManapakevitraGhana [3]

Nanadihady ny zava-misy manodidina ny mpisera Twitter sasany, ary nanome ny heviny momba izay hahazo ny sezan'ny filoham-pirenena ifampitadiavana fatratra.

Namintina ny zava-misy i Nic Cheeseman,  profesora mpiara-miasa momba ny Politika Afrikana ao amin'ny Oniversiten'i Oxford sady mpanorina ny Demokrasia aty Afrika [15] :

Eto Ghana, miezaka mafy mba hitazomana ny fahefana ao anatin'ny fikorontanana ara-toekarena ny governemanta NDC. Handresy ve ny mpanohitra amin'ny Alarobia ? #ManapakevitraGhana [3]

Nanamarika ny tranga mahaliana ao amin'ny  politikan'ny fifidianana Ghaneana kosa i Firoz Lalji ao amin'ny Foibe ho an'ny Afrika ao amin'ny Sekolin'ny Toekarena any Londra :

“Tsy nisy antoko tao #Ghana [13] ka nahatazona fahefana mihoatra ny fe-potoana 4 taona hitondrana in-droa nisesy .” Mety handresy ve ny NPP? https://t.co/N2dvAT7jez [18] #GhanaDecides [3] #ManapakevitraGhana [3] pic.twitter.com/N4G0Us6iVG [19]

Momba ny resaka hoe iza no handresy, nihevitra i Nana Ashanti, bilaogera ,fa ny antoko mpitondra, izay tsy tohanany, no hitarika. Hoy izy nanazava [21]:

At a risk of being lynched and/or insulted, I will say that in my opinion the current NDC will retain power come Dec. 7th. Hear me out:

All my predictions have been wrong this year but if I know Ghanaians well, I can say we rarely mean what we say. I am not a fan of the current NDC government. At all. And I have been critical of them for as long as I can remember. With that said, they do appeal to the silent majority. The so called forgotten, who live in the Upper regions of Ghana. They have been loyal to the ruling party through thick and thin. These folks are the “Louisiana Purchase”. The flyover regions, literally and figuratively.

They are very content people and love their lives the way it is. They do not worry their heads about inflation, the high unemployment rate, corruption, exchange rate, infrastructure or economic development. The real hand-to-mouth people. Time and time again, this silent majority has proven to be the ones to break the tie or decide who the next government is going to be.

HOW WILL THEY SWING THIS YEAR?

These are the folks who wake up early to join long and winding queues to vote for the NDC , whether their palms have been greased or not. They do not spend copious amount of data chanting party slogans on social media.

Mety hiharan'ny herisetra / na fanevatevana aho, fa araka ny hevitro dia mbola hitana hatrany ny fahefana amin'ny 7 Desambra ny NDC mpitondra amin'izao fotoana izao . Hoy aho hoe:

Diso ny faminaniako rehetra tamin'ity taona ity fa raha mahafantatra tsara ireo Ghaneana aho dia sahy milaza fa tsy milaza izay tena tiantsika hambara isika. Tsy mpankafy ny governemanta NDC amin'izao fotoana izao aho. Tsia. Ary efa nitsikera azy ireo foana aho raha ny tsaroako. Izay midika hoe: miantso ireo mangina maro an'isa izy ireo . Ilay antsoina fatratra hoe hadino, izay monina any amin'ny faritra manankarena ao Ghana. Tsy nivadika tamin'ny antokon'ny mpitondra izy ireo na tamin'ny mora na tamin'ny sarotra. Ireo olona ireo no “Tadiavina fatratra”. Ny faritra miavaka, ara-bakiteny sy ara-panoharana.

Tena afa-po izy ireo ary tia ny fiainany araka izany. Tsy manahy momba ny vidim-piainana, ny tahan'ny tsy fananana asa ambony, ny kolikoly, ny tahan'ny fifanakalozana, ny foto-drafitrasa na ny fampandrosoana ara-toekarena. Ireo no olona manana ny ampy. Miverina foana hatrany, efa nanaporofo ireo maro an'isa mangina ireo fa ry zareo no mamaha na mamatotra amin'ny fanapahan-kevitra hoe iza no ho governemanta manaraka .

IZA NO ATAONY MPANDRESY AMIN'ITY TAONA ITY?

Ireo no olona izay mifoha maraina hanao laharana lava sy  miolikolika  mba hifidy ny NDC, na malama ny tànan'izy ireo na tsia. Tsy mandefa lahatahiry betsaka izy ireo ao amin'ny media sosialy.

Naka fotoana mba hanaovana bilaogy momba ny olan'ny vaovao diso tao amin'ny media sosialy i Edudzi Nyomi. Nanome ity ohatra manaraka ity [22] izy:

It’s election season in Ghana too and the made up stories continually flood our digital timelines and news feeds. Just yesterday I saw a story on an NDC man who was arrested with heavy ammunition in the Ashanti Region in November 2016. The article said the police officers were tipped off by “NPP Agents”. Hearing this story around this time of the year would make you tensed up, but here’s the problem;

The picture of the guns in the story above – which were no ordinary guns – was the exact picture I had on my phone back in December 2015. A gang of robbers in Kumasi were arrested last year with those weapons. I googled the story and found other news outlets reporting the same story with the same picture. What was the 2015 picture doing as a cover picture for some other story almost a year after, then? The whole story seemed murky and placed emphasis on the NPP “defending their land and their king”.

Vanim-potoan'ny fifidianana ihany koa ao Ghana ary mitobaka tsy mijanona ny tsaho ao amin'ny fitantarana nomerika sy ny faham-baovao. Vao omaly aho no nahita tantara momba ny  lehilahy NDC iray nosamborina niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana tany amin'ny faritra Ashanti tamin'ny Novambra 2016. Nilaza ilay lahatsoratra fa “mpiasan'ny NPP ” no nampandre ireo polisy. Mahatonga anao ho tezitra ny fandrenesana ity tantara ity amin'izao ora izao, fa ity no olana;

Ny sarin'ny fitaovam-piadiana ao amin'ny tantara voalaza etsy ambony  izay fitaovam-piadiana avo lenta dia tena ilay sary ato amin'ny findaiko tamin'ny Desambra 2015. Nisy andian-jiolahy voasambotra tamin'ny herintaona niaraka tamin'ireo fitaovam-piadiana ireo tao Kumasi. Nitady ny tantara tao amin'ny google aho ary nahita sehatra fampahalalam-baovao hafa nitatitra ny tantara mitovy miaraka amin'ny sary mitovy amin'izany ihany koa. Inona izany no ataon'ilay sary tamin'ny 2015 ho lasa sary fandrakofana tantara hafa efa ho herintaona aty aoriana? Toa tsy mazava ny tantara iray manontolo sady milaza ny fanamafisan'ny NPP  ny “fiarovany ny taniny sy ny mpanjakany”.

Nanombatombana ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy ao Ghana John Kudalor tamin'ny May 2016 fa mety hihevitra fanakatonana ny sehatry ny media sosialy [23] mandritra ny fifidianana noho ny “filaminana” ireo manampahefana Ghaneana. Nilaza izy fa mifototra amin'ny zava-misy ny fikasana hanakatona ireo sehatra media sosialy satria manararaotra mihoa-pefy mandritra ny fifidianana ny olona sasany. Na izany aza, nanambara [24]  ny Filoha Ghaneana John Mahama tamin'ny 14 Aogositra fa ” tsy mieritreritra ny hanakatona ny media sosialy amin'ny androm-pifidianana ny governemanta.”

Farany, manantena  fifidianana malalaka sy marina tahaka ny efa hita hatrizay tao Ghana i Sefo Austin Arinze Obiefuna, tale mpanatanteraky ny Afro Global Alliance Ghana:

7 Des #ManapakevitraGhana [3] tohizo ny fanilon'ny  fanantenana efa hanananareo ho an'ny Afrika ary manàna fifidianana malalaka sy ara-drariny mba ho taratry ny fanirian'ny vahoaka.