- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niainga Tamin'ny Fikasana Hangalatra Ny Anaran'ny Antoko Mpanohitra Ny Fampielezan-kevi-pifidianana Makedoniana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Angletera, Makedonia, Romania, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika
"The Vote Wins!" a banner from an anti-fascist rally in Skopje, Macedonia on October 11, 2016. Photo by Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA. [1]

“Mandresy ny Latsa-bato!” sora-baventy tao amin'ny famoriam-bahoakan'ny mpanohitra anti-fasista ao Skopje, Makedonia tamin'ny 11 Oktobra 2016. Sary avy amin'i Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Fantatra fa hotontosaina amin'ny 11 Desambra 2016 ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana ao Makedonia. Efa nanome vokatra goavana mampiady hevitra sahady ny fampielezan-kevitra ofisialy nanomboka tamin'ny 21 Novambra, tsy lazaina intsony ny fofon'ny rivotry ny fiovana.

Noterena handefa ny lisitry ny kandidàny tany amin'ny Vaomieram-panjakana misahana ny Fifidianana [2] (SEC) alohan'ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny antoko politika mandray anjara amin'ny fifidianana. Ny fiaraha-mitantana tarihan'ny elatra havanana am-perinasa VMRO-DPMNE [3], sy ny foibe-ankavia  SDSM (Firaisan'ny Sosialy Demaokratika ao Makedonia) no tena mpifanandrina. Miisa 11 ny antoko politika sy ny fiaraha-mitantana mandray anjara amin'ny fifaninanana, manerana ny distrikam-pifidianana enina (ED).

Tsy toy ny fifidianana hafa rehetra vao haingana, nametraka fanovana tsy azo novisavisaina nandritra ny fihodinana teo aloha ny SEC. Sambany ny SEC nandà ny firotsahan'ny antoko antsoina hoe Antoko Sosialy Demaokratika ao Makedonia (SDPM), izay maka tahaka ny antokon'ny mpanohitra ny anarana sy ny marika. Mandritra ny fifidianana ihany ny SDPM no vao miseho vahoaka, raha tsy izany, matory tsy misy asa izy io. Navoakan'ity antoko ity ny lisitry ny kandidàny misy anarana mampiahiahy mitovy ny anaran'ny kandidàn'ny mpitarika mpanohitra ihany koa, ary nanintona ny sain'ny olona avy hatrany izany:

Sioka: Ity no porofo fa mandray ny olom-pirenena tahaka ny omby ny VMRO.
Sary: Tabilao misy ny anaran'ny kandidà lehiben'ny mpanohitra SDSM sy ny an'ny SDPM isaky ny distrikam-pifidianana.
ED 1: Stevo Pendarovski vs Stevo Prodanovski
ED 2: Oliver Spasovski vs Oliver Spasoski
ED 3: Ljupčo Nikolovski vs Ljupčo Nikolovski
ED 4: Zoran Zaev vs Zoran Zatkov
ED 5: Radmila Šekerinska vs Rada Šukarova

Nidify tsy niresaka tamin'ny mpanao gazety izay nahita [6] fa mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana VMRO-DPMNE avokoa ireo kandidà mpisolo toerana. Nanana tantara tahaka izany ihany koa ny lehiben'ny antoko SDPM, Branko Janevski [7], manampahefana ao amin'ny fitantanam-panjakana: [8]

Milaza ny [VMRO-]DPMNE fa manana taha ambony LEHIBE noho ny SDSM izy- saingy MBOLA mampiasa FITAKA amin'ny SDSM ihany.

Nampiasa ny tenirohy #СДПМ [11] – nalaina avy amin'ny fanafohezan-tsoratra sirilikan'ny antoko “mitovitovy anarana” ireo mpisera Twitter sasany – hiresaka ny sampana nitohizany. Nilaza ny fandikan-dalàna ny zon'ny mpamorona ny vokatra Adidas sy SONY ny iray amin'izy ireo, raha maka tahaka am-panesoana ny filazan'ny antoko eo amin'ny fitondrana fa misarika mpampiasa vola avy any ivelany izy ireo:

Nilaza ny fandaharan'asan'ny SDPM fa hitondra famatsiam-bola vahiny avy amin'ny marika malaza manerantany tahaka ny Adidbass sy SQMY izy ireo

Na dia teo aza ireo vazivazy tsy misy fitsaratsara-poana, tsy nisy olona nihevitra ity raharaha ity ho mampihomehy. Tamin'ny taona 2008, niezaka nitory an'i Janevski ny mpanohitra SDSM [13], satria nahangona vato ampy nahaverezan'izy ireo toerana telo tao amin'ny parlemanta ny anarana mamitaka tamin'ny “anara-mitovitovy amin'izy ireo”. Notsipahan'ny fitsarana ny fitoriana, nahatonga fisian'ny tsimatimanota tanteraka tamin'ity endrika hoso-pifidianana ity.

Tamin'ity indray mitoraka ity, nandà tsy hankatoa azy ireo ny SEC – tsy hoe noho ny halatra anaram-panondroana, fa noho ny antony ara-teknika [14] – tahaka ny antontan-taratasy tsy feno tsara sy ny sonia tsy mitovy.

Tsy zavatra manokana mampiavaka ny Makedoniana ity fikasana hampifanaritaka ny mpifidy ity. Nitatitra [15] ny British Broadcasting Corporation (BBC) fa nandritra ny fididianana vao haingana tao Romania, kandidà telo mitovy anarana no nifaninana hofidiana ho ben'ny tanànan'i [16] Draguseni. Tao amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK), very vato 10.000 ny Demaokraty Liberaly manoloana ny Demaokraty Literaly [17].tamin'ny taona 1994..

In 2013, the ruling coalition dominated by anti-communist VMRO-DMNE, erected a new monument to Communist leader Tito in the center of Skopje. Photo by GV, CC BY.

Tamin'ny taona 2013 [18], nanangana tsangambato vaovao ho an'ny lehiben'ny komonista Tito tao afovoan'i Skopje ny fiaraha-mitantana ny fitondrana anjakazakan'ny anti-komonista VMRO-DMNE. Nahazoan'izy ireo vato Titoista tao amin'ny Filan-kevitry ny Tanàna Skopje izany. Sary avy amin'ny GV, CC BY.

Hiverina ao Makedonia, lohahevitra mafàna iray hafa tamin'ny fiandohan'ny fampielezan-kevi-pifidianana ny safidy mampiady hevitra nataon'ny antokon'ny fitondrana, VMRO-DPMNE, izay mpikambana ao amin'ny elatra havanana Antokom-bahoaka Eoropeana [19]. Ohatra, nanohy ny fiarahany tamin'ny komonista hiringiriny  Firaisan-Kery Ankavian'i Tito, [20] izay mbola mankato hatrany ny filoha efa taloha be Yogoslavy Josip Broz Tito [21] ity antoko manondro tena ho anti-komonista amin'ny fomba ofisialy ity.

Nanendry ny Hery Ankavian'i Tito hiara-mitantana amin'ny antokon'ny fitondrana nasionalista elatra havanana VMRO ny antoko mpanohana ny Yogoslavy taloha sy ny komonistan'i Makedonia. Ampy izay voalaza.

Nametraka an'i Johan Tarčulovski [24], izay voaheloka tamin'ny ady heloka bevava tamin'ny sivily foko Albaniana nandritra ny adin'ny taona 2001 [25]ny antoko, izay mivondrona foana ho fiaraha-mitantana miaraka amin'ny antoko foko Albaniana lehibe indrindra ao amin'ny firenena eo anivon'ny governemanta

Anisan'ny mandray anjara amin'ny fifidianana ho avy ny voaheloka amin'ny ady heloka bevava #Macedonia [22] #Fail [26]

Nanasazy an'i Tarčulovski 12 taona an-tranomaizina ny fitsarana iraisam-pirenena misahana ny heloka bevava ao La Haye. Rehefa avy namita ny saziny, nandray azy indray ho toy ny mahery fo ny fitondran'i Nikola Gruevski. Noho ny fifehezan'izy ireo ny fanjakana, nanome karazana endrika fidiram-bola ho azy izy ireo, anisan'izany ny asa teo anivon'ny fitantanam-panjakana ho an'ny vadiny mpihira. Noraisina ho marika fa nataon'ny antoko hanairana fihenjanana ara-poko sy ara-pivavahana eo amin'ny Makedoniana sy ny Albaniana ny fametrahana azy tao amin'ny vatom-pifidianana.

Araka ny andininy faha-407 ao amin'ny Fehezan-dalàna mifehy ny Heloka Bevava Makedoniana [28], ny «tsy firaharahiana, ny fanamaivanana, ny fankatoavana na ny fanamarinana ny ady heloka bevava sy ny vono olona faobe dia azo saziana herintaona hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina. Mbola tsy nampiharina ity lalàna ity hatramin'izao, mampisy ny tsimatimanota ho an'ny meloka.