- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Fankasitrahana Ihany Ilay  Bangladeshita Mpiasan'ny Lalamby Namonjy Lehilahy Iray 

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zon'olombelona
Screenshot from the video [1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary  YouTube

Tany Bangladesh, lasa nalaza ny lahatsarin'ny fakantsary fanaraha-maso nahitana mpiasan'ny lalamby namonjy  tovolahy iray [2] izay natory teo amin'ny lalamby raha handeha handalo iny ny fiarandalamby . Nampiseho hakingana sy haranita-tsaina ilay mpanavotra, raha namonjy ilay tovolahy tamin'ny fahafatesana.

Mpiasa mpiandry lalamby eo akaikin'ny garan'ny Chashara, lalamby mampitohy an'i Dhaka amin'i Narayanganj  i Billal Hossain Mazumder 58 taona. Tamin'ny marainan'ny 21 Novambra 2016,  nanofahofa saina i Billal, niezaka ny hampitandrina ireo mpandeha an-tongotra hanalavitra ny lalamby rehefa nandalo ny fiarandalamby izay ho any Dhaka. Tampoka teo, nisy mpandeha an-tongotra 26 taona, Mamun Hossain, natory teo amin'ny lalamby teo anoloan'ilay fiarandalamby mandeha . Nanofahofa hatrany ny saina i Mazumder  ary nanapan-kevitra haingana, hitsambikina teo anoloan'ny fiarandalamby mba hisintona an'i Hossain hiala teo. Raha tara kely fotsiny dia mety maty avokoa izy roalahy. Tatỳ aoriana vao fantatra fa nanapa-kevitra ny hamono tena i Hossain, avy any amin'ny tanànakely Masdail ao Chashara , rehefa nifamaly tamin'ny reniny .

Mpitranga eny amin'ny lalamby ao Bangladesh [3] ny lozam-pifamoivoizana, satria tsy misy mpiandry ny 40%-n'ny fiampitana lalamby izay miisa 2500 eo ho eo, ary  tsy manaraka ny fitsipika sy ny famantarana ny olona. Tao anatin'ny enin-taona, 152 ny olona maty tamin'ny loza an-dalamby.

Azo sary tamin'ny fakan-tsary fanaraha-maso ilay mpanavotra be herim-po ary nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Fiarandalamby ao Bangladesh [4] izany. Tsy ela dia niparitaka be manerana ny sehatra media sosialy isan-karazany ilay lahatsary.

Nilaza ny mpanao gazety Ashif Entaz Rabi [5] fa angamba tsy mahazo sitraka loatra  araka izay tokony ho izy tamin'ny asany i Mazumder  indrindra araka ny fahitana ny fihetsiny amin'ny fanampiana ny hafa  :

বিল্লাল রেলের একজন সাধারণ গেটম্যান। তার কাজ ট্রেন এলে লাল কাপড় উড়ানো।

সেই ১৯৮৪ সাল থেকে তিনি রেলের গেটম্যান। তখন বেতন পেতেন ২৪ শত টাকা। বত্রিশ বছরে বেতন অনেক বেড়েছে। এখন তিনি বেতন পান ৭ হাজার টাকা। এই টাকায় কী করে একটি লোকের পরিবার চলে, আমি ঠিক জানি না।

ও আরেকটি কথা, গত ৩২ বছরেও বিল্লালের চাকরি স্থায়ী হয়নি।

Mpiandry lalamby tsindraindray eo amin'ny Lalambin'i Bangladesh i Billal. Manevaheva saina mena rehefa handalo ny fiarandalamby ny asany.

Hatramin'ny taona 1984 izy no nanao io asa io ary nanomboka tamin'ny karama 2.400 BDT isam-bolana ( 94 dolara, araka ny tahan'ny fifanakalozana tamin'ny 1984). Rehefa afaka 32 taona,  7.000 BDT (90 dolara, araka ny tahan'ny fifanakalozana taona 2016) isam-bolana no karama azony. Ahoana no ahafahany manohana ny fianakaviany amin'ity vola kely ity, tsy fantatro.

Oh, ary  tsy mbola mpiasa raikitra izy ao anatin'ny 32 taona.

Tao amin'ny Facebook, maniry mba hisian'ny olona maro tahaka an'i Mazumder i Tareq Alam [6]:

পথেঘাটে বিপদগ্রস্ত মানুষের সাহায্যে এগিয়ে না এসে তাকে সম্পূর্ণরূপে উপেক্ষা করে যাওয়া অথবা দাঁড়িয়ে দাঁড়িয়ে ছবি বা সেলফি তোলার এক নির্মম রেওয়াজ শুরু হয়েছে আজকাল। এমন একটি হতাশাজনক বাস্তবতার ভেতর ব্যতিক্রম অথচ সেটাই সঙ্গত ও স্বাভাবিকÑ এমন কিছু উদাহরণ সৃষ্টি হলে তা সমাজে গভীর প্রভাব রাখতে সক্ষম হয়।

Ankehitriny, lasa mahazatra ny mahita ireo mpandalo tsy mandray andraikitra sy manampy ny olona tra-doza eny an-dalana, aleon'izy ireomaka sary na selfies fotsiny. Mahita ohatra tsara tahaka ity famonjena ny hafa ity isika ao amin'ny zava-misy mampalahelo toy izany, izay tokony ho fihetsika mahazatra, ary misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fiarahamonina izany.

Nanome voninahitra ihany koa i Salahuddin Ahammad‎ [7]:

কিছু কিছু সাহসী ও আন্তরিক মানুষের জন্য পৃথিবীকে অনেক সুন্দর মনে হয়। মানবিক এই কাজের জন্য গেট্ম্যান বিল্লালের প্রতি শ্রদ্ধা ও সম্মান।

Tsara sy mahafinaritra kokoa izao tontolo izao  noho ny asan'ny olona be herim-po vitsivitsy  sy marina. Manaja an'i Billa, mpiandry lalamby, aho noho ny asany mihevitra ny maha-olona.

Niantso fanairana bebe kokoa tokony aseho manoloana ilay lehilahy saika hamono tena i Abu Benin [8]:

এইরূপ অবস্থা থেকে বাঁচাতে পারলে নিকট আত্নীয় যদি পাশে থাকে তাহলে তারা অথবা আইনশৃঙ্খলা বাহিনী, দমকল বাহিনী, যারাই হোক লোকটিকে সাথে সাথে সমবেদনা জানায়, বুকের সাথে জড়িয়ে নেয়, মাথায় হাত বুলিয়ে তাকে আশ্বাস দেয়, ভালবাসা দিয়ে স্বাভাবিক করার চেষ্টা করে, কারণ একজন মানুষ সুস্থ মস্তিস্কে কখনো আত্নহত্যার সিদ্ধান্ত নেয় না।

কিন্তু নারায়নগঞ্জের এই ঘটনায় দেখলাম, লোকটিকে রেল লাইনের বাইরে আনার সাথে সাথে পাশ থেকে জনৈক পুলিশ দৌঁড়িয়ে গিয়ে তাকে লাঠিপেটা শুরু করলো। যেই লোক নিজের জীবন শেষ করে ফেলতে চায়, তাকে লাঠিপেটা করে শায়েস্তা করতে চায় এই পুলিশ!

Raha misy olona voavonjy amin'ny alalan'ny fahagagana, tokony hamihina azy, hampionona azy, miezaka hanao ny zava-drehetra amim-pitiavana hatrany ny olona eo amin'ny manodidina, toy ny olom-pantany, ny mpitandro filamninana na ny mpamonjy voina. Satria  tsy mandray ny fanapahan-kevitra ny hamono tena ny olona iray raha tsy manana olana.

Kanefa hitantsika ao amin'ity lahatsary ity fa nihazakazaka  nanatona azy ny polisy ary nanomboka nidaroka azy raha vao voavonjy izy. Niezaka ny hamono tena ilay lehilahy ary moa ve te hanome azy lesona ilay mpitandro ny filaminana amin'ny alalan'ny fidarohana azy?

Manome fanajana an'ilay maherifon'ny lalamby be fanetren-tena nanana fahasahiana hamonjy olona i Bangladesh https://t.co/Qkfh3Yuge5 [9]

Nankasitraka ny fihetsik'i Mazumder ampahibemaso ny minisiteran'ny lalamby ao amin'ny firenena , ary nanome azy valisoa [11]toy ny akanjo maro sy lelavola 100.000 BDT  (1 275 dolara). Nanome toky an'i Billal ny minisitry ny lalamby fa hiezaka izy ireo hanao azy ho mpiasa raikitra, na fara faharatsiny omena asa ao amin'ny orinasan'ny lalamby, araka ny traikefany, ny iray amin'ireo zanany  .