- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitohy Ny Fanao Makedoniana: Manentana Ny Ady Amin'ny VIH/SIDA Ny Fanisanandron'ny Twitter Miboridana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina
Twitter Calendar for 2016. Photographs by Zvonko Plavevski and Dimitar Petrovski, published under CC BY-NC-ND 4.0 license.

Fanisanandro Twitter 2016. Sary avy amin'i Zvonko Plavevski sy Dimitar Petrovski, nahazoana alàlana CC BY-NC-ND 4.0 .

Natomboka tao Skopje tamin'ny 1 Desambra 2016 ny fanisanandro miboridana vaovao hanaovana asa fanasoavana [1], izay mampiseho sary artistikan'ny mpisera Twitter Makedoniana ho ampahany amin'ny fetibe fanentanana iresahana ny fisorohana ny VIH / SIDA.

Tanteraka ny fakana sary tamin'i Zvonko Plavevski  (@Giotto_mkd [2]) sy Dimitar Petrovski (@Dmee82 [3]) noho ny hafanam-pon'ireo mpilatsaka an-tsitrapo, vehivavy valo sy lehilahy roa, tsy nandoavam-bola .

Nanao antso ampahibemaso i Plavevski tamin'ny fampiasana ny tenirohy mahazatra #ТвитерКалендар [4] (kalandary Twitter) volana vitsy lasa izay, ary avy eo nandamina ny sary nalaina izy ary nanonta pirinty izany miaraka tamin'ny fanampian'ireo namana izay nandray anjara tamin'ny asa sy nandoa vola tamin'ny fandaniana ilaina.

Natao tamin'ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana Amin'ny SIDA [5] ny fetibe [6] izay manentana amin'ny fampihenana ny fifindran'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo ,   :

Milay ry zalahy, anio ny 1 Desambra, Andro Eran-tany hiadiana amin'ny SIDA. Manaova fitiliana, arovy ny tenanao, aza manavakavaka. Ary mazava ho azy, manaova sioka indray ho fanohanana!

Nahasarika olona maro ny  hetsika, nahitana manampahefana avy amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena mpisera mavitrika ao amin'ny tambajotra sosialy (monina ao Skopje) toa ny ambasadaoron'ny Holandy izay :

Fikasana tsara: твитеркалендар2017 [9]  ao  #Makedonia [10]  amin'ny  #AndroIadianaSida [11]    pic.twitter.com/FWh5pH6o6w [12]

Nivoaka tamin'ny taona 2013 [14] ny Fanisanandro Twitter voalohany noho ny fandraisana andraikitr'i @IlinaBookbooks [15], ary nanao fanentanana momba ny homamiadan'ny nono izy tamin'izay. Mandrisika ny fanabeazana ara-pananahana ny andiany tamin'ny taona 2014 [16] [mg] miaraka amin'ny sary avy amin'i @ref [17]. Taorian'ny fiatoana tamin'ny taona 2015, namelona indray ilay fomba fanao i Plavevski ary teraka ny fanisanandro andiany 2016 [18] .

Na dia teo aza ny ezaky ny governemanta mba hamolavola an'i Makedonia indray ho toy ny fiarahamonina nentim-paharazana, mandala ny fiarahamonina anjakan'ny ray na lehilahy lehibe sy ny fahasahiana nanorisory ny fanisanandron'ny tamin'ny herintaona, dia toa hita fa somary miabo sy mampahery kokoa ny fanehoan-kevitra nibahana indrindra tao amin'ny media sosialy .

Fa ho an'ny mpaka sary Plavevski, tena fanamby mahaliana ny fanamboarana ny fanisanandro ,amin'ny maha matihanina sy ara-javakanto. Naneho ihany koa ny hafanam-pony [19] i Petrovski mpiara-miasa aminy izay nandray anjara tamin'ny andiany voalohany  :

Te hanamboatra sary #FanisanandroTwitter isam-bolana aho 🙂

Nanatrika ny fanombohana [22] i Boychenn, ilay modelin'ny sary tamin'ny Jolay 2013,  ary nilaza tao amin'ny sioka [23] fa mihevitra ny haka sary amin'ny #FanisanandroTwitter amin'ny herintaona :

#FanisanandroTwiter ary arovy amin'ny VIH ny tenanao.

Toy ny Fanisanandro Twitter rehetra  teo aloha, navoaka amin'ny lisansa Creative Commons Attribution NonCommercial NoDerivatives (CC BY-NC-ND 4.0) ny sary ao amin'ny andiany 2016.