- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zahatany Any Però : Mitsidika Ny Toerana Arkeolojikan'i Pisac

Sokajy: Amerika Latina, Però, Mediam-bahoaka, Tsidika
Pisac, Perou. Photo par Håkan Svensson CC-BY-2.5 [1]

Pisac, Però. Sary: Håkan Svensson CC-BY-2.5

Sarotra ny tsy handalo eo akaikin'ny Lohasaha Masin'ny Incas , rehefa mitsidika an'i Però, mba hamantatra bebe kokoa momba ny tantarany sy ny kolontsainy. Hita eo anivon'io lohasaha masina  malaza io, any amin'ny 30 kilometatra miala an'i Cuzco, ny toeram-pizahantany Pisac izay iray amin'ireo  vakoka lehibe indrindra any Però. Mampiaiky ireo mpitsidika azy izy ,tsy noho ny hakanton'ny endriky ny lohasaha ihany fa noho ireo trano naorina eo aminy ihany koa.

Miserana ao Però, hijery ny sisa tsy rava tamin'ny Incas ao Pisac

Manana toerana arkeolojika maro ny Lohasaha Masina ary tsy hay ny tsy hitsidika ny sisa tsy rava tamin'ny fanorenana ao Pisac. Iray amin'ireo toerana be mpitsidika indrindra izy rehefa mandalo any Però [2]. Hitanao any ny tempoly sy ny tilikambo vitsivitsy, ary fasana. Hita ao ihany koa ny tatatra sy toeram-pambolena miendrika tohatra, fanorenan-trano nataon'ireo Incas fahiny, izay mbola ampiasain'ny tantsaha ao amin'ny faritra ankehitriny.

Pérou - Pisac ruines crédit : By Bcasterline at ఆంగ్లం Wikipedia - Transferred from en.wikipedia to Commons., సార్వజనీనం

Però – toerana ravan'i Pisac 
Sary :  Bcasterline ao amin'ny ఆంగ్లం Wikipedia – Commons., సార్వజనీనం tao amin'ny en.wikipedia

Tanàna manan-danja iray ao amin'ny Lohasaha Masina

Tsy mbola mitovy hevitra momba ny tena nampiasana ny toerana tamin'ny vanim-potoanan’ ny Incas ireo mpikaroka. Mety ho tanànan'ny miaramila izay natao hiarovana ny atsimoatsinanan'ny Lohasaha Masina i Pisac . Mety manana tantara ara-pivavahana ihany koa izy . Na mety ho foiben-toeram-pambolena? Mazava ho azy, mety nahitana izany rehetra izany indray miaraka ihany koa ity tanàna fahiny ity .

Mendrika jerena manokana ihany koa ny lafin-javatra mahaliana hafa. Toy ny toeram-pambolena miendrika tohatra nataon'ny Incas teo amin'ny lemaky ny havoana izay sahala amin'ny tohatra vita sokitra . Misy zava-maniry maro samihafa nambolen'ireo Incas tao. Ankoatra izany,  mendrika topaza-maso akaiky kokoa ny Tempolin'ny Masoandro. Tondroin'ny alitarany, atao hoe Intihuatana izay natokana ho an'ny andriamanitra Masoandro, ireo vanim-potoanan'ny fararano [fijinjana] sy ny famafazana.

 

perou-pisac-terrasses

Ahoana ny fomba handehanana makany Pisac raha avy any an-tanànan'i Cuzco

Manana safidy telo ianao mba hahatongavana any Pisac avy any Cusco. Raha maka fiara fitateram-bahoaka ianao, dia hitondra anao hatrany an-tanànan'ny Pisac izy. Avy eo, mbola manana roambinifolo kilaometatra ianao hahatongavana any amin'ny toeran'ny Pisac. Fiakaran-dalana izay vitanao an-tongotra izany  na maka fiarakaretsaka ianao. Manana safidy eo amin'ny fakana fiarakaretsaka manokana na iraisana afaka mitondra anao mivantana any an-toerana ihany koa ianao ankoatra ny fiara fitateram-bahoaka miala avy any Cuzco.