Filipiana Mpikatroka, Manao Fifadiankanina Ho Firaisankina Amin'ireo Gadra Noho ny Politika

Solidarity pledge badge. Source: Facebook.

Maripamantarana ilay fanentanana firaisankina. Loharano Facebook.

Ho fanohanana ilay fanentanana fiantsoana ny hamotsorana ireo gadra noho ny resaka politika ao Filipina, nanomboka fifadiankanina ho firaisankina amin'izy ireny ireo mpikatroka — hetsipanoherana iray nokarakaraina izay misy ifandraisany amin'ireo gadra noho ny politika sy ny fianakaviany. Nanomboka ny 3 Desambra 2016 teo ny fifadiankanina, ary haharitra hatramin'ny Andro Erantany ho an'ny Zon'olombelona, ny 10 Desambra.

Hatramin'ny andron'ny 31 Oktobra 2016, 401 ireo gadra noho ny politika ao amin'ny firenena, maro amin'izy ireny no mpikatroka avy any ambanivohitra izay nampangaina ho mpihoko. Araka ny lazain'ireo mpisolovava azy ireo dia namoronana fiampangàna azy ireo gadra ireo, toy ny famonoana olona, fandoroana na fakàna ankeriny. Ireo mpanohana an-dry zareo anefa dia misisika amin'ny hoe mpikatroka tsotra fotsiny ry zareo ireo, izay niady hisian'ny fanavaozana ny resaka fananantany, zon'olombelona ary fahaizana mitantana.

About 400 political prisoners and their supporters across the country are currently holding solidarity fast. Source: Facebook

400 gadra noho ny politika, niaraka tamin'ireo mpanohana azy ireo manerana ny firenena, no manao fifadiankanina ho firaisankina amin'izao fotoana izao. Loharano : Facebook

Political prisoners from Compostela Valley Provincial Rehabilitation Center, located in the southern part of the Philippines, are also holding a solidarity fast. Source: Facebook

Gadra noho ny politika, avy any amin'ny Compostela Valley Provincial Rehabilitation Center, any amin'ny ilany atsimon'i Filipina, dia nanao ihany koa ny fifadiankanina ho firaisankina. Loharano:  Facebook

Namoaka ity fanambaràna ity ny havan'izy ireo mba hitakiana ny famotsorana azy ireo tsy misy hatak'andro:

Mizaka ny tsy rariny ataon'ny fanjakàna ireo gadra noho ny politika. Olona miasa loha ho an'ireo sehatra atao an-jorom-bàla eny anivon'ny fiarahamonina izy ireny  saingy gadraina noho ny fiampangàna foromporonina. Tsy mpanao heloka bevava. Efa very taona marobe ireo havan-tsy foinay, nijaly tany am-ponja. Ny sasany tamin'izy ireny aza efa namoy ny ainy tany am-pigadràna.

Some relatives of political prisoners are joining the solidarity fast. The word ‘palayain’ which can be seen in the placards, means freedom in Tagalog. Source: Facebook

Ny sasany amin'ireo havan'ny gadra noho ny politka manatevina ny laharan'ireo mifady hanina ho firaisankina. Ny teny hoe ‘palayain’ izay hita amin'ireo takelaka dia midika hoe fahalalahana amin'ny fiteny Tagalog. Loharano: Facebook

Ilay olana dia mifandrohy amin'ny fihokoana mitam-piadiana ataon'ny kaominista — fifandonana iray ifanandrinan'ny fanjakàna, ny Antoko Kaominista ao Filipina (CPP), ny Tafi-Bahoaka Vaovao (NPA) ary ny Mandatehezam-Pirenena Demaokratika (NDF) — toedraharaha iray izay efa nisy hatramin'ny 1969. Milaza ny fanjakàna fa mpihoko ireo gadra ireo, ary tsy maintsy mizaka ny valin'ny heloka vitany, raha ireo gadra indray mandà ny fanondroana azy ireo ho mpanao heloka bevava.

Rehefa nisy governemanta iray vaovao voafidy ho eo amin'ny fahefàna, volana enina lasa izao, iray tamin'ireo tanjona napetrany tao anatin'ny fandaharanasany ny hamerina ny dinika fifanarahana fandriampahalemana ifanaovana amin'ireo mpihoko. Nekeny ihany koa ny hamotsorana ireo gadra noho ny politika ho toy ny dingana miabo iray mankany amin'ny fampihavanana, fampitoniana ary ny rariny eo amin'ny firenena.

Na efa niasa aza ny fanjakàna nanotsotra ampolony mahery tamin'ireo mpanelanelana amin'ny resaka fandriampahalemana, dia mbola takian'ireo mpikatroka ihany koa ny fahalalahana ho an'ireo 401 mahery nogadraina noho ny resaka politika, indrindra fa ireo izay efa antitra sy marary mafy.

Efa nanaiky ambangovangony ilay fangatahana ny fanjakàna, saingy mampanahy ireo mpikatroka ny momba ny fihisàran'ny dingana sy ireo fanambaràna tsy mifanaraka amin'izany nataon'ireo manampahefana sasany ao amin'ny governemana. Ohatra, sosokevitra naroso tany aloha tany ny hoe afaka faranana io olana io amin'ny alàlan'ny famoahana famotsorankeloka faobe, saingy tsy nomena lanja loatra io noho ny olana lazaina fa miankina amin'ny resaka lalàna.

Cartoon about the situation of political prisoners by Leonilo Doloricon. Source: Facebook

Sariitatra momba ny toedraharaha manjo ireo gadra noho ny politika, nataon'i Leonilo Doloricon. Loharano: Facebook

Mba hanairana ny sain'ny vahoaka momba ilay olana sy hanaovana tsindry amin'ny governemanta ho famotsorana alohan'ny faran'ny taona ireo gadra noho ny politika, nikarakara hetsika sy hetsipanoherana samihafa ireo mpikatroka ho an'ny fankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Zon'Olombelona.

The solidarity fasting center was set up near the Mendiola gate of the presidential palace. Source: Facebook

Najoro teo akaikin'ny vavahady Mendiola, lapan'ny filoha, ny foiben'ny fifadiankenina ho firaisankina. Loharano: Facebook

Nanohana ilay hetsika ihany koa ireo mpisera tao amin'ny Twitter:

Iza reo gadra noho ny politika? Ry zareo.
Isika (aty ivelan'ny karakara vy) #AvotsoryIreoRehetraGadraNohoNyPolitika #FAmotsorankelokaFaobeTsyMisyHatakandro

Nanomboka ny #fastingchallenge (fanambin'ny fifadiankanina), fanentanana iray tao amin'ny media sosialy ihany koa ireo tanora mpikatroka, nandrisihana ny vahoaka hanatevina ilay fifadiankanina amin'ny alàlan'ny fandefasana ny sarin'izay sakafo tena ankafiziny ka hirotsahan'izy ireo ny fifadiana tsy hihinana azy mandrapahatongan'ny Andro Erantany ho an'ny Zon'Olombelona.

Omeko tsiny ny mpitantana izay nampiditra am-ponja ireo gadra noho ny resaka politika, noho ry zareo ireo no tsy hihinanako vary sinigang amin'ny hariva #AvotsoryIreoRehetraGadraNohoNyPolitika

Mandritra izany fotoana izany, tonga manatevina ny laharana ireo vondrona hafa, hifady hanina ho firaisankina ato anatin'ireo andro vitsy, satria tian'izy ireo ny hanery ny governemanta mba hampitsahatra ny fitànana tsy misy farany ireo 400 gadra noho ny politka ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.