- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niova Hevitra Momba Ny Fanerena Ny Google Ny Mpandrindra Ny Fampahalalam-baovao Rosiana

Sokajy: Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Source: Google Images

Sary: Google

Ora maro taorian'ny nitateran'ny [1] [mg] fampahalalam-baovao fa namoaka toromarika ny sampan-draharaham-panjakana mpandrindra ny fampahalalam-baovao, Roskomnadzor, hanerena ny Google hisoratra anarana indray ao Rosia na ho voasazy, dia niova hevitra ny solontenan'ny sampan-draharaha, nilaza tamin'ny roem.ru [2] fa nandiso vaovao ny Izvestiya, gazety namoaka ny vaovao.

Nanonona an'i Vadim Ampelonsky tamin'ny vaovaon'izy ireo voalohany ny Izvestiya, nilaza izy fa tsy maintsy misoratra anarana amin'ny maha orinasa mpanangom-baovao (ny fandraharahany momba ny dokambarotra ihany no voasoratra anarana ankehitriny) amin'ny faran'ny volana Martsa 2017 ny Google, izay tafiditra ao anatin'ny sokajy vaovaon'ny mpanangom-baovao ary hiharan'ny fanarahamaso akaiky kokoa rehefa manan-kery ny lalàna vaovao manomboka amin'ny fiandohan'ny taona, raha tsy izany voasakana na mandoa lamandy. «Raha vahiny no tompon'ny [orinasa], manana telo volana izy hisoratana anarana amin'ny maha vondrona ara-dalàna azy ao Rosia,” hoy ny gazety araka izany nolazain'i Ampelonsky.

Afaka kelikely tamin'io andro io ihany, anefa, dia nilaza tamin'ny roem.ru i Ampelonsky fa mbola tsy namantatra izay isan'ny mpiserasera mandalo isan'andro amin'ny mpanangom-baovao na nifanakalo hevitra momba ny raharaha tamin'ny Google momba izany ny Roskomnadzor.

Мы озвучили общие подходы. Как и к кому они будут применены станет ясно только после вступления закона в силу. Мы не оценивали пока аудитории новостных агрегаторов, а с Google вообще не общались на тему агрегаторов.

Nilaza ny fomba hatao amin'ny ankapobeny izahay. Hazavazava kokoa ny hoe ahoana ary amin'iza no hampiharana [ireo toromarika ireo] rehefa manan-kery ny lalàna. Tsy mbola nanombana ny isan'ny mpijery ny mpanangom-baovao izahay, ary mbola tsy niresaka momba ny milina mpanangom-baovao mihitsy tamin'ny Google.

Ny toromariky ny sampan-draharaha—sy ny fiovan-kevitra—dia nilatsaka volana maromaro taorian'ny nandanian'ny Duma-m-panjakana Rosiana ny lalàna hametrahana ireo milina mpanangom-baovao manana mpiserasera mihoatra ny 1 tapitrisa isan'andro ao anatin'ny bokim-panjakana ary manery azy ireo hanamarina ny lahatsoratra navoaka indray tao amin'ny tranonkalan'izy ireo. Google sy Bing no mpanangom-baovao vahiny hany hiharan'ny lalàna vaovao, satria izy ireo ihany no orinasa manana mpitsidika ahitana mpiserasera maherin'ny 1 tapitrisa isan'andro.