- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsarana ao Vietnam: Manohana Ny Didim-pitsarana Fampidirana Am-ponja Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zo Amin'ny Tany

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Fampandrosoana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona
Land rights activist Cấn Thị Thêu before her arrest. Image: Facebook/Trịnh Bá Phương [1]

Cấn Thị Thêu , mafana fo mpiaro ny zo amin'ny tany, talohan'ny fisamborana azy. Sary: Facebook/Trịnh Bá Phương

Ity lahatsoratra [2]avy amin'i Đôn Lê dia avy ao amin'i Loa, tranonkalam-baovao sy rakipeo tsy mainkina izay mamoaka tantara momba an'i Vietnam, ary naverin'ny Global Voices navoaka ho toy ny fandraisana anjara amin'ny fifanekena fifampizaràna votoaty. 

Nahazo ny didim-pitsarana manamafy ny fampiakarany fitsarana ambony tamin'ny 30 Novambra 2016 i Cấn Thị Thêu, 54 taona, mafana fo malaza mpiaro ny zo amin'ny tany.

Nandà tsy hanaiky hampihena ny fotoam-pigadràna 20 volana ny Fitsaran'ny Vahoaka ao Hanoi, raha maro amin'ireo mpanohana azy izay noraràna tsy hanatrika ny fitsarana “natao ho an'ny daholobe” no nanao hetsi-panoherana tao ivelan'ny trano fitsarana.

Nosamborina i Thêu  ary nampangaina ho “niteraka fikorontanam-bahoaka” tamin'ny volana Jona, ary voaheloka higadra an-tranomaizina tamin'ny Septambra noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketseham-bahoaka taorian'ny iray amin'ireo loza lehibe indrindra tany Vietnam momba ny tontolo iainana [3].

Ao amin'ny lahatsoratra [4]ao amin'ny pejy Facebook-ny,antsoin'ny mpisolovavan'i Thêu, Hà Huy Sơn,  ho “tsy marim-pototra ary tsy rariny, tsy misy fototra araka ny lalàna” ilay didim-pitsarana.

Mpisolovava iray hafa,  Võ An Dôn nilaza [5]fa voasazy noho ny fitsikerany ny fitondrana sy ny fanohanany am-bava an'ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona Nguyễn Văn Đài izay nofonjaina izy.

Supporters of the defendant protest outside Hà Nội People’s Court. Signs say “Freedom and justice for Cấn Thị Thêu”. Image: Facebook/Nguyễn Thuý Hạnh [6]

Mpanohana ny voampanga manao hetsi-panoherana eo ivelan'ny Fitsaran'ny Vahoaka ao Hà Nội. Hoy ny sora-baventy mivaky hoe “Fahafahana sy rariny ho an'i Can Thị Thêu”. Sary: Facebook/Nguyễn Thuý Hạnh

Nanandrana nandrara ny zanak'i Thêu roalahy, Trịnh Bá Phương sy Trịnh Bá Tư, mba tsy hivoaka ny tranony ary tsy hanatrika ny fitsarana ny renin'izy ireo ny polisy tao an-toerana. Nampiasa ny Facebook Live (sary sy feo mivantana amin'ny Facebook) i Phương mba handefa [7]ny fisehon'ny fanakànan'ny polisy ny mpamily ny fiarakaretsaka tsy hitondra azy ireo ho any amin'ny fitsarana.

Tonga tany amin'ny fitsarana ihany izy mirahalahy tamin'ny farany, fa tsy navelan-dry zareo niditra tany anatiny. Nanampy ireo efa ho 50 mpanohana teo ivelany ry Phương sy Tư nitarika ny hiaka mitaky ny famotsorana an'i Thêu sy nanohitra ny fakàna tany an-keriny ataon'ny governemanta talohan'ny nakàn'ny polisy azy ireo.

Nasehon’ ireo rakitsary t [8]amin'ny haino aman-jery sosialy  ireo polisy manodidina ny mpanao fihetsiketsehana ary manosika azy ireo ho any anaty fiara fitateran'ny polisy nitondràna azy ireo ho any amin'ny foiben'ny polisy.

Trịnh Bá Tư in a selfie posted on Facebook after his release, outside of police quarters in Phúc Tân Ward. Image: Facebook/Trịnh Bá Tư [9]

Trịnh Bá Tư anatin'ny sary tifitena nalefa tao amin'ny Facebook taorian'ny nahafahany teo ivelan'ny foiben'ny polisy any Phúc Tân Ward. Sary Facebook/Trịnh Bá Tư

Tao amin'ny lahatsoratra [9] iray nalefa tao amin'ny Facebook tamin'ny Alarobia hariva, nilaza i Tư fa “nasiana rojovy ary nogadraina tsy ara-dalàna nandritra ny ora fito” izy.

Tamin'izaho nosamborina tamin'ny maraina, telo tamin'ireo polisin'i Hà Nội no nidaroka ahy.

Fanagadràna fanindroany an'i Thêu ity. Lasa mpanohitra tsy manan-tahotra ireo mpaka tany an-keriny ilay mpamboly avy ao Dương Nội, vohitra iray any andrefan'i Hanoi, taorian'ny nakàn'ny manampahefana ny tanin'ny fianakaviany tamin'ny 2007. Nosamborina aloha [10] izy, niaraka tamin'ny vadiny tamin'ny Aprily 2014 noho ny nandraketany an-tsary sy nampahafantarany ny fakàn'ny fitondrana tany midadasika.  Nanohy ny fikatrohany tamin-kafanàm-po anefa izy taorian'ny nanafahana azy tamin'izany heloka izany tamin'ny Jolay 2015, ary tonga mpitarika ny mpanao fitakiana ny zo amin'ny tany sy mpiaro ny zon'ny sivily.

Cấn Thị Thêu's sons hold signs saying “Free my mother" at a candlelight vigil at Thái Hà Parish in Hà Nội, three days before her appeal trial. Image: Facebook/Nguyễn Thịnh [11]

izy roalahy zanak'i Cấn Thị Thêu mitàna sora-baventy hoe “Afaho ny reniko” tany amin'ny fiaretan-tory tao amin'ny Paroasin'i Thái Hà any Hà Nội, telo andro talohan'ny fampiakarana fitsarana ambony. Sary: Facebook/Nguyễn Thịnh

Nitàna ny sain'ny iraisam-pirenena ny raharahany, miaraka amin'ireo mpitarika politika sy ireo vondrona mitaky ny famotsorana azy avy hatrany.

“Ny hany tena rariny afaka omen'ny Fitsarana Ambony ho an'i Cấn Thị Thêu dia ny manàla ireo fiampangana sandoka sy mamotsotra azy avy hatrany,” hoy Phil Robertson, mpitondra tenin'ny Human Rights Watch:

Tokony hovain'ny governemanta Vietnamiana haingana ny lalàna momba ny tany sy ireo dingana mampahory mba hiarovana ny zon'ny tantsaha, tsy hoe hanasazy azy ireo noho ny fanehoany ny heviny sy ny fangatahany hetsika mifanaraka amin'ny fitakian'izy ireo.