- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mampino, Nandresy Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Tao Gambia Ny Antoko Mpanohitra

Sokajy: Afrika Mainty, Gambia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Gambian President Yahya Jammeh who has been in power since 1994 is widely accused of human rights violations. Public Domain photo by the White House uploaded online by Wikipedia user Alifazal.

Rehefa avy nitondra nandritra ny 22 taona, nanaiky ny fahareseny i Yahya Jammeh . Sary ho an'ny daholobe avy amin'ny Trano Fotsy nalain'ny mpisera Wikipedia Alifazal .

Nanaitra izao tontolo izao tamin'ny fifidianana filoham-pirenena manan-tantara izay niafara tamin'ny faharesen'ny filoha nitondra naharitra indrindra tao amin'ny faritra i Gambia, firenena kely ao Afrika Andrefana. Niaiky ny fahareseny ny Filoha Yahya Jammeh, izay nitondra an'i Gambia efa ho 22 taona mahery, ary nampanantena famindram-pahefana milamina. Tamin'ny fanambarana nataony tao amin'ny fahitalavitra nasionaly, niarahaba ny Filoha voafidy Adama Barrow [1] i Jammeh noho ny “fandreseny mazava” ary nitso-drano azy. Jammeh, izay nanambara ny tenany ho mpino miozolomana , nilaza hoe: tsy hanohitra ny fanapahan-kevitr'i Allah (Andriamanitra) mihitsy izy. Nilaza ihany koa izy [2] teo aloha fa hitondra an'i Gambia mandritra ny iray miliara taona “raha sitrak'Allah”, ary Andriamanitra [3], fa tsy araka ny lalàm-panorenana, no mametra ny fe-potoana maha-filoham-pirenena azy.

Tsy nampoizina sy nahafaly ireo Gambiana maro sy izao tontolo izao ny valim-pifidianana niampy ny faneken'i Jammeh ny fahareseny. Taorian'ny fanambarana ny vokatra farany,  naneho hevitra momba  ny fandresen'ny mpanohitra sy nizara ny lahatsary nisy an'i Jammeh nanaiky ny fahareseny ireo Gambiana tao amin'ny firenena  sy tany ivelany, izay ahitana ny ampahany amin ‘ny antso an-telefaonina nataony tamin'ny filoha voafidy:

Naneno fihetseham-po tao amin'ny sioka izay namerina ny hevitry ny maro i Muhammad Sanu Jallow:

Tsy tanako ny ranomasoko. Efa ho 30 taona aho izao, ary Filoha iray ihany no fantatro hatramin'izay. Fotoana mamy iainana. #NanapakevitraGambia [4]

Ansu, Gambiana mpisera ao amin'ny media sosialy, nihaika ny fiheverana fa hoe tsy afaka hanaisotra  ny mpanao didy jadona amin'ny fitondrana ny fifidianana. Nisioka izy hoe:

Iza no milaza fa tsy afaka hanaisotra ny mpanao didy jadona ny fifidianana? Anontanio an'i #Gambia [6] ny planina! Vao avy nandresy ny mpanao didy jadona mahery vaika indrindra eto Afrika #MialaJammeh [8] i #AdamaBarrow [7]

Nanampy ny mpisera Twitter iray hafa hoe:

Tsy haiko ny tsy hieritreritra ireo maherifontsika lavo sy ireo izay nandany andro nanavatsava an'i  Etazonia / Misaotra anareo noho ny fanaovanareo ho sorona ny tenanareo #Gambia [6] #Afrika pic.twitter.com/79kdowAgAM [11]

Namoaka [13] ny karatra maha-mpifidy Gambiana ny Tha Scribbler Bah, milaza izany ho “Ilay fiadiana izay tokony hatahoran'ny  mpanao politika rehetra , kely izy kanefa mampijaly mpanao politika mihoatra noho ny bala. Mitandrema aminy ! “.

Ankoatra ny fankalazana eny an-dalamben'i Banjul, nisioka ny mpisera tao amin'ny media sosialy iray hoe:

Ilay firenena KELY INDRINDRA ao Afrika #Gambia [6], nanome ny kaontinanta ny dingana LEHIBE INDRINDRA amin'ny demaokrasia tamin'ity taona ity #NanapakevitraGambia [4] #ManapakevitraGambia [4]

Resy teo anatrehan'i Adama Barrow, kandidà mahaleontena tohanan'ny fiaraha-mitantan'ny  antoko politika fito ny Filoha Jammeh. Andrasana hitarika ny governemanta fiaraha-mitantana tetezamita izy mandritra ny telo-taona, ao anatin'izany fe-potoana izany no ametrahan'izy ireo fanavaozana maro, mifandraika amin'ny dingana demaokratika. Tsy fantatra teo amin'ny sehatra politika Gambiana i Barrow, mpandraharahan'ny fanorenan-trano raha tsy vao haingana . Nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny 45,5%-n'ny vato izy raha 36,7% ny an'i Jammeh , ary ny kandidà fahatelo , Mama Kandeh kosa  nahazo ny 17.8%-n'ny vato.